Voavonjy Aho

Voavonjy Aho Tongasoa !

Izahay dia hitarika ny olona hitady an'Andriamanitra, hiorina amin'ny tenin'Andriamanitra mba hanana fanantenana ny amin'ny fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

20/04/2025

Velona Jesosy ary mandrakizay ny famindrampony

Miverina ny direct isika rehefa mandeha ny toriteny tompoko.
Manasa antsika anaraka izany hatrany ka tsy iala eto amin'ny pejy.

Samy tahian'Andriamanitra tompoko.

19/04/2025

Velona Jesosy ary mandrakizay ny famindram-pony.
Arabaina isika nahatratra ity Andro faha 14 amin'ity volana Abiba na volana voalohany ity izay Andro lehibe satria Sady Andro Sabata an'i YHWH Andriamananitra no Andro p***a rahateo!
Ny fahasoavan'Andriamanitra ho amintsika tsirairay Ary izy Anie Ahatanteraka n'y fikasany sy ny sitrapony Amin ny fiainantsika tsirairay avy Amen

Ho alefa direct eto amin'ny pejy n'y toriteny androany sy ny fotoana rahampitso Andro faha 15 Amin ny volana Abiba ka dia manasa antsika hanaraka izany.

Misaotra tompoko

20/01/2025

FAMPIANARANA

LESONA N°70
Ny vavaka mitokana

🤔 AHOANA NY HAHAZAVANTSIKA TAHAKA AN'I KRISTY 😍✨???😊Vakio hatramin'ny farany fa misy fanalahidin'ny fiainantsika 🗝 iray ...
05/01/2025

🤔 AHOANA NY HAHAZAVANTSIKA TAHAKA AN'I KRISTY 😍✨???

😊Vakio hatramin'ny farany fa misy fanalahidin'ny fiainantsika 🗝 iray manontolo izay tena ilaina tokoa✅!

👉Tao amin'ny resatsika farany dia nanambara tamintsika Andriamanitra momba ny hafany dia ny hoe mila tonga HAZAVANA tahaka Azy isika.

➡️Ny tiana tsindrina kely aloha dia izao:

💁‍♂️Marina fa isan-taona misy krismasy foana ka feno jiro foana ny tanana. Saingy ampiasan'Andriamanitra izany satria tiany isika hiditra amin'ny taona vaovao miaraka amin'ny fototra tsara: NY ARA-PANAHY!

👍KA NY FOTOTRY NY ARA-PANAHY DIA NY FAHAZAVANA!!!

🧐Raha tsikaritra isika: tamin'ity taona ity dia nanjelatra be lavitra kokoa ny jiro, indrindra ny tao Ambohijatovo. Fanianian'Andriamanitra mihitsy izay zavatra izay! Arak'ilay efa resahintsika eto foana dia tsy misy kisendrasendra izany ao amin'Andriamanitra.

📖Ohabolana 16:4
Ny zavatra rehetra nataon'i Yaweh dia samy misy antony avokoa

🙅‍♂️Tsy milaza akory ny tenako hoe momba ny fitondrana ny Tompo na momba ny mpanohitra na iza na iza. Andriamanitra tsy tia politika izany. Mbola ho hazavaintsika izay zavatra izay amin'ny fotoanaNY any aoriana any raha sitrapon'ny Tompo. ✅💯Fa ny azo antoka 100% dia na zavatra ratsy io na tsara io na tiany io na tsy tiany io dia samy ampiasany daholo hitondra soa ho antsika. Izay ilay voalaza ao amin'ny:

📖Romana 8:28
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.

😌Fanianian'Andriamanitra satria ity taona 2025 ity dia fototry ny 9 taona ho avy. Noho izany, mila mafimafy ny fototra (=ara-panahy), izany hoe mitaky hazavana bebe kokoa avy amintsika!

🥰Ka dia izay no nahatonga an'Andriamanitra nampiasa ny fanjakana hanazava mafimafy ny tanana, indrindra ny teto Antananarivo mba hanaitra antsika hamoaka hazavana bebe kokoa!!!

🤷🏽‍♂️Ny any ivelany moa tsy aiko fa eto Gasikara no nametrahan'Andriamanitra ahy ho mpitily (Jeremia 6:17) dia ny eto izao aloha no handraisako hafatra avy Aminy sy hahitako hoe:

📢📣MIHIHIKA AMINTSIKA MIHITSY ANDRIAMANITRA HOE AREHETO TSARA SY MAHEEEEERY NY JIRO AO ANATINTSIKA✨!!!

‼️ILAINA BEEE MIHITSY io mamelona ilay Hazavana ao anatintsika io, dia Jesosy izany satria mila apetraka amin'ity 2025 ity daholo ny fototra rehetra ho amin'ny 9 taona ho avy!

🤔Ka ahoana amin'izay ary ny tokony ataontsika mba ho tonga hazavana mamiratra tahaka an'i Kristy isika?

🆗️Efa natsipintsika kely tao amin'ny resaka farany moa ilay izy hoe mila fahanana ny ara-panahy sy mila manome.

😊Ilay voalohany io tsy misy tsy mahalala an'io isika rehetra.

💁Fa ilay faharoa tsy dia resahina loatra nefa io mihitsy no mamoha ilay endrik'Andriamanitra ato anatintsika satria Andriamanitra dia manome dia manome dia manome. 👑Izy dia Mpiahy, Mpamelona, Mpikarakara, Mpamonjy, Mpanasitrana, Mpihaino, Mpamaly vakaka, sns. Jerentsika tsara fa ireo voatanisa ireo dia mifandraika daholo amin'ny hoe manome, manome, manome!

💌Ary izay indrindra no tiany ampitaina amintsika: mila manome isika, mamafy amin'ny fanomezana mandritra ity taona 2025 ity mba hijinja sy higoka zava-tsoa maro be isan-karazany mandritry ny 9 taona manaraka😍!

😳Izay no lalan'ny tany napetrak'Andriamanitra hoe rehefa mitazona ho antsika isika dia miha mihena io fa raha manome isika dia:

1- ♻️Mandray anjara amin'ny cycle ny fiainana napetrany ka dia miodina ny vola sy soa nomentsika dia miverina eo amintsika avy 2, 10 heny sy mihoatra aza!

👉Izay koa dikan'ilay teny ao amin'ny:

📖Matio 13:12
Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.

⭕Raisina ohatra izao, raha manana vola isika ka tazomina fotsiny io vola io dia mihena eny foana ny sandan'izy io. Fa raha io no omentsika dia:

2- ⚡Tonga fitahiana ho an'ny hafa isika na rehefa mividy zavatra izany na rehefa manome ho an'ireo sahirana, na manome fanampiana amin'ny endriny hafa koa anatin'izany tsara mihitsy!

3- 💙Mampiseho amin'Andriamanitra isika fa mahatoky Azy sy ny lalan'ny tany napetrany izay tsy mba diso izany mihitsy.

😱Eritreretintsika tsara anie ity hoe: na Izy Andriamanitra izao aza dia tsy afaka mandika ny lalana izay napetrany!!!!! Enjana be anie izany e! Ka noho izany mila mahatoky isika hoe rehefa miteny Izy hoe manomeza fa hahazo mihoatra isika miverina aty amintsika dia mila mino sy mahatoky Azy isika💝💯!

4- 😍Mivoaka ilay endrik'Andriamanitra Mpanome ato anatintsika, ilay notanisaintsika tery ambony tery ireny! Ary io no mahafinaritra indrindra! Ilay mahatsapa hoe miaina tahaka Azy isika, manao ny ataony, miahy ny hafa! Andramo anie dia ho tsapantsika fa marina be koa ilay teniNY hoe mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray!

✨Ary dia iny isika manome iny amin'izay no hahatonga antsika hamiratra satria novelomintsika Ilay Jesosy Mpanome tato anatintsika tato! Ilay Jesosy nanome fanasitranana, fahagagana, hafatra, famonjena, hazan-drano sy m**o ary divay, sns. Dia iny fahazavana, iny Jesosy iny amin'izay ilay fototra tsara sy lehibe tian'Andriamanitra hiaingantsika mandritra ity taona 2025 ity!

😊Raha tsy dia zatra manolotra sy manome isika ka somary sahirana dia tsy maninona akory izany fa hatomboy amin'ny kely indrindra na dia 100ar aza na fanampiana kely amin'ny endriny hafa izay vitantsika fa tsy olana izany. ✅Fa mila fotsiny isika manome amin'ny fo madio sy faly❤.

‼️✅💯Ireto toko sy andininy 2 ireto tsara raha vakintsika matetika, dinihina fa indrindra indrindra ampiharina mandritra ity taona 2025 ity mba hijinja milamina isika mandritry ny 9 taona manaraka:

📖2 Korintiana 9:9-12
[9]araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, NANOME ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal. 112. 9).
[10]Ary Izay MANOME voa ho an'ny mpamafy sy m**o hohanina dia hanome sy HAHABE ny voa afafinareo ary HAMPITOMBO ny vokatry ny fahamarinanareo,
[11]dia HANAN-KARENA AMIN'NY ZAVATRA REHETRA IANAREO ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
[12]Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,

📖Isaia 58:6-10
[6]Ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
[7]Moa tsy ny hizara ny m**onao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao ianao?
[8]Fa raha izany, dia HIPOSAKA TAHAKA NY FAHAZAVAN'NY MARAINA NY FAHAZAVANAO, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Yaweh ho vodi-lalanao
[9]Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Yaweh hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
[10]Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia HIPOSAKA AO AMIN'NY MAIZINA NY FAHAZAVANAO, ary NY AIZIM-PITONAO HO TAHAKA NY MITATAOVOVONANA.

🗝✅💯🔥IREO NO FANALAHIDIN'NY FAHAZAVAN'I KRISTY EO AMIN'NY FIAINANTSIKA: MANOME, MANOME, MANOME !!!
(Anisany ny manome vola saingy tsy hatreo ihany fa amin'ny endriny maro samihafa mihitsy tahaka ny an'Andriamanitra sy Jesosy!)

Izay ary fa dia 🥳BONNE ANNÉE 2025 daholo isika rehetra 😘🎊!!!

💖Ny hirariko ho antsika rehetra dia mba ho taona hahitantsika sy hatsapantsika an'i 👑Jesosy hifoha ato anatintsika tsirairay anie ity taona ity ka dia hamirapiratra ✨daholo isika, hanana fototra matanjaka 💪 satria efa mifoha Ilay Jesosy fehizoro sy fototra ara-panahy ka dia ho azo antoka ny ambiny rehetra✅, tsy ny 9 taona manaraka ihany satria fanalahidin'ny fiainantsika manontolo rehetra mihitsy io nozaraintsika eto io🔑😌!

💌Ka dia ho tanteraka amintsika tsirairay anie ity teny mahafinaritr'Andriamanitra ity:

❤Isaia 60:1
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Yaweh efa miposaka aminao😍🥰.

😍 AOKA HAZAVA ✨ !!!⚡An'Andriamanitsika ny zavatra rehetra ary anisan'izany ny zavatra mety hitantsika hoe ratsy izany.📖D...
25/12/2024

😍 AOKA HAZAVA ✨ !!!

⚡An'Andriamanitsika ny zavatra rehetra ary anisan'izany ny zavatra mety hitantsika hoe ratsy izany.

📖Deotoronomia 10:14
Indro, an'i Yaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.

👉Be dia be ny zavatra tsy araky ny sitrapony ety an-tany saingy ampiasany daholo ireny hitondra soa ho antsika!

📖Romana 8:28
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.

🙃Ny hoe sitrapony ve sa tsia izao, efa noresahantsika izay teto amin'ny pejy.

💌Fa ny tena tiany ampitana amintsika dia ity:

🤔💯INONA NY ZAVA-TSOA TIANY AMPITANA AMINTSIKA 'IZAO??!

💡Feno jiro ny tanana. Hafatra avy Aminy izany hoe tiany isika hatsiaro hamoaka ilay fahazavana ✨ ao anatin-tsika, hikolokolo, hampitombo izany!

👉Tsara, tena mahafinaritra ny mijery ireo jiro ety ivelany fa ✅✅✅tiany isika ho tsara lavitra noho ireny ilay jiro fahazavana ao anatintsika tsirairay!!!

📖Matio 5:14-16
HIANAREO NO FAHAZAVAN'IZAO TONTOLO IZAO. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.
AOKA HAZAVA eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

💁‍♂️Tiany isika mba dieny ety an-tany dia efa mianatra ny mamiratra ka rehefa any an-danitra dia hanazava ny tanana toa Azy, miaraka Aminy 😍!

📖Apokalypsy 22:5
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.

☺ Ka lasa faly aho mahita manjelatra manodidina ahy satria fantako fa avelan'Andriamanitra hiseho ireny satria tiany izao sy ianao, isika rehetra hamiratra sy hanjelatra toa ireny🥰!

🤗Ny hazavana dia miainga amin'ny tsiky sy hafaliana. ❤ Rehefa faly ny fo dia mahazo aina ny Fanahy izay mamoaka hazavana avy eo!

📖Ohabolana 17:22
Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

😊Koa araky ny voalazan'io sary io dia mirary antsika rehetra, tsy amin'izao fety izao ihany fa na an-davanandro, ho 🌷FENO HAFALIANA FOANA KA 🌞HAZAVA IZAY REHETRA ALEHANTSIKA!!! 🌈MBA HO TSAPAN'NY MANODIDINA ANTSIKA FA NAMELA HAZAVANA SY HAFANANA ISIKA AMIN'IZAY REHETRA ALEHANTSIKA!!!

🆕️Tsy ho ela intsony dia hiditra taona vaovao isika ary tian'Andriamanitra isika handini-tena: 🧐Aiza ho aiza izao ilay hazavantsika?
😐Mitsilopilopy ve sanatria?
🙂Sa ampy hatrehana ny taona vaovao
😊Sa mitobaka toy ny Azy ampy hanazavana ny manodidina rehetra aza?

👉Ety isika tsy mbola hita maso toy ny fahitana ny jiron'ny labozia ohatra ny fahitantsika ny fahazavana anatintsika.

😍Fa rahatr'izay io rehefa asehony antsika dia ho hita fa hitovy ny Azy ny antsika raha maharitra isika!

⚡Velomy ilay Fanahiny ao anatintsika amin'ny toriteny, hiram-panahy fa koa amin'ny fanomezana toy ny nataon'i Jesosy (tsiky, soa, fanampiana maro karazany) dia 🌟 tsy hisy hatazona ny fitomboan'ny fahazavantsika 😘!

23/12/2024

FAMPIANARANA

LESONA N°69
Ny vavaka fifadian-kanina

09/12/2024

FAMPIANARANA

LESONA N°68
Vavaka nataon'i Jesosy ao amin'ny Jaona 17

🤗HAPPY THANKSGIVING🎁❤🙏Miala tsiny fa lavalava fa vakio hatr@ farany ihany anefa satria tena ilaina!💁Marina fa tsy ao ami...
28/11/2024

🤗HAPPY THANKSGIVING🎁❤

🙏Miala tsiny fa lavalava fa vakio hatr@ farany ihany anefa satria tena ilaina!

💁Marina fa tsy ao amin'ny Baiboly mivantana ity fety iray ity saingy tiako satria ✅mifandraika tsara amin'ny hafatr'Andriamanitra izay ao amin'ny Baiboly ilay izy.

🔰Ndeha ary isika androany hiresaka momba ny Fisaorana na koa hoe La Gratitude.

☹Maro ny olona no tsy mba tia misaotra izany nohon'ny antony maro samihafa nefa misy herin'Andriamanitra goavana be🔥 miafina ao am-badik'ilay izy ka tena ilaina fantarina izay.

🤔Nahoana no mila misaotra?

1️⃣- Satria voasoratra, feno an'izany ao ao

👉Tsy misy tsy mahalala an'ito Salamo ito angamba isika rehetra.

📖Salamo 103:2
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra.

📖Fa ankoatran'io mbola misy maro be: 1 Tantara 29.20; Nehemia 9:5; Salamo 66:8; Salamo 68:26; Salamo 96:2; Salamo 100:4; Salamo 103:1; Salamo 103:20-22; Salamo 104:1; Salamo 104:35; Salamo 134:1-2; Salamo 135:19-20; Luc 6:28; Romains 12:14; Colossiens 3:17; 1 Thessaloniens 5:18

‼️Matoa izay haverimberin'Andriamanitra ny zavatra 1 ao anatin'ny Baiboly dia misy dikany lalina be ao izay. Ka noho izany izay tsy manao ihany no very maina eo. ✅Ary izay manao ihany kosa no migoka izay tombon-tsoa avy amin'ilay izy.

2️⃣- Satria endrik'Andriamanitra iray ny fisaorana

👉Ny endrika dia tarehy fa kosa dia toetra, fahefana, fahalalana, rehefa mahakasika ilay olona rehetra dia endrika daholo izay.

🤗"Andao isika hanao olona mitovy endrika amintsika" hoy Yaveh. Tsy hoe mitovy tarehy akory no tiany lazaina fa hoe manana toetra mitovy: be fitiavana ohatra; manana fahefana mitovy: manasitrana ohatra; manana fahalalana mitovy: mahay ny sitrapon'Andriamanitra ohatra satria voalaza hoe fantaro ny zavatra rehetra ka hazony mafy izay tsara.

🥴Ka inona ary no hifandraisany ?

⚡Ny olona mahalala misaotra dia mamoha sy mampiasa ary mampivelatra ilay endrik'Andriamanitra ao aminy.

🙅Ny zavatra mantsy rehefa tsy ampiasana dia miha malemy dia ny farany maty. Toy izany ny ozatra fa indrindra ny finoana. Ary voalazan'ny Baiboly mihitsy izay hoe ny finoana raha vao tsy arahana asa dia maty!

🧐 Ka inona ary ilay endrik'Andriamanitra tiantsika lazaina eto hoe mifandray amin'ny fisaorana?

😌Misy endrik'Andriamanitra izay, nafindra tato anatintsika. Manana tsara an'io daholo isika rehetra raha mbola olombelona koa. Saingy matory ao anatintsika ao na maty mihitsy ilay izy satria tsy ampiasaintsika.

👉Tsy inona izany akory fa ity fahefan'Andriamanitra iray ity:

📖Romana 4:17
Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy MIANTSO NY TSY MISY TOY NY MISY.

🥴Ahoana koa no hifandraisan'io fahefana io sy ny fisaorana?

➡️Voalohany aloha: ny tenintsika misy fahefana, toy ny an'Andriamanitra koa ( io izao fahefana na hoe endrik'Andriamanitra mbola hafa koa). Ny tenintsika misy hery mety mitahy, manasitrana na mamotika zavatra, toe-javatra, biby, natiora, meteo, olona manodidina antsika sy ny tenantsika koa. Voasoratra ao koa io herin'ny tenintsika sy ny lelantsika io.

➡️Faharoa: Ny vavaka irery tompoko tsy manova zavatra izany fa ny vavaka arahana finoana no manova zavatra. Izany hoe tsy dia ilay vavaka no nahatonga ilay olana nivaha fa ilay finoana tao vavaka. Ka rehefa manao zavatra izany isika dia mila arahana finoana foana satria NY FINOANA NO MANOVA ZAVATRA. Voalaza tsara ao koa izay hoe ny finoana no mamindra tendrom-bohitra.

➡️Fahatelo: Hatambatsika ireo. Rehefa misaotra isika dia mampiasa ilay fahefan'Andriamanitra hoe miantso ny tsy misy ho toy ny misy satria:
👉Tonga dia misaotra. Ny fisaorana iny no herin'Andriamanitra alefantsika misintona ilay zavatra antsointsika!

💁Ary voalaza tsara ao hoe rehefa mangataka isika dia avy hatrany dia misaotra. Satria izay ilay finoana arahana asa, izay ilay herin'Andriamanitra na Jesosy velona ao antintsika tiany velomintsika sy ampiasaintsika.

📖Filipiana 4:6
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny FISAORANA no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.

🤔Saino kely vetivety tokoa anie ity e:
Raha efa eo ilay zavatra irintsika, tsy misaotra sy faly ve no ataontsika voalohany?

👍Iny fifaliana arahana fisaorana iny no miantso ilay zavatra iriantsika. Iny no mampiseho an'Andriamanitra fa mino sy mahatoky Azy tokoa isika! Dia tsy maintsy omeny ilay Izy avy eo satria hoy Izy izay hoe: ny finoana no efa namonjy anao, no efa nanasitrana anao. Fa io finoana io koa no efa nampisy ny tsy misy!

💪Ilay finoana mahery, ilay fahalalana matanjaka ⚡hoe tena hisy sy ho avy ilay zavatra 😌 no mandeha aloha foana, ilay hoe fantako izay hinoako (2 Timoty 1:12).

💯Dia toy izay mihitsy ilay misaotra.

👨‍🏫 Misaotra isika dia tonga ilay izy. Tonga ilay izy dia misaotra indray isika dia tonga ny manaraka. Izay no tena fandehan'izy io, izay no lalan'ny tany napetrak'Andriamanitra, izay no lalana napetrany tao .

😊 Dia avelany malalaka isika avy eo hisafidy na hisaotra na tsia. Omeko anareo ny safidy hoy Andriamanitra, ny fiainana sa ny fahafatesana. Misafidiana ny fiainana mba ho velona hoy ihany Izy. Izany hoe marina fa tsy manery Andriamanitra saingy noho ilay lalana tsy maintsy napetraka dia tsy maintsy misy fiantraikany foana ny safidintsika.

👉Rehefa misaotra isika ho an'ny efa eo dia lasa miantso zavatra hafa mitovy amin'iny koa ho an-katy amintsika. Izay no tena tian'ny Baiboly lazaina ao @:

📖Matio 13:12
Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.

💁Ilay fahaizana misaotra no tena tiany lazaina eto. Rehefa omena isika ka mahay misaotra sy mankasitraka dia omeny hatrany. Fa rehefa tsy mahay misaotra sy mankasitraka kosa isika dia mihena ho azy na dia izay kely mba nananantsika aza. Tsy misaotra isika tsinona dia tsy tonga ilay manaraka.

🙃Mety mafimafy ity teny iray ity, 🙏miala tsiny sahady ny tenako raha misy mahatsiaro voadona fa tsy izay velively ilay tanjona. 🎯Ny tena tanjona eto dia ny mampahafantatra antsika ilay TENA ANDRIAMANITRA! 😔 Amin'izao mantsy tsy resahana intsony ny hoe Andriamanitra anie ka mba tezitra koa indraindray e, Izy anie ka afo mandoro koa e, Izy koa anie ka mikapoka e, sns. Nefa rehefa tsy fantatry ny olona tsara ireo dia tsy mety satria fa lasa positivité toxique fotsiny ilay izy. Miala tsiny teny vahiny fa tsy hitako izay handikana azy. Fa tena manimba io, tsy mahasoa rehefa ela ny ela eny! Famonjena no tadiavintsika, fibebahana, fiovana.

🙅Ka tsy mety izany hoe ho any an-danitra isika nefa toetran'Andriamanitra ilany ihany no fantantsika. Raha vao izay mantsy dia isika mihitsy ilay lazain'i Jesosy hoe tsy fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay. Izay mahalala Azy ihany mantsy no fantany. Ny ondriko mahalala ny feoko hoy Jesosy izay. Ka tsy feo ihany mila fantarintsika fa Andriamanitra sy Jesosy iray manontolo mihitsy satria manana fikasana ny hiara hiaina amin'izy ireo anie isika ireto e sady mandrakizay mihitsy.

✅✅✅Ka noho izany, mila fantarintsika hoe izay mihitsy Andriamanitra izay. Rehefa misaotra isika dia omeny. Rehefa tsy mahalala misaotra dia hanalany. Ary efa hatrany Masina (testamenta taloha) Andriamanitra no nampahafantatra ny olombelona rehetra izay toetrany izay, rehefa miteny ireny Izy hoe raha manaraka ireto didy ireto ianareo dia izao sy izao no soa azonareo. Fa raha tsy manaraka kosa ianareo dia ireto avy ny ozona hihatra aminareo.

👉Ary tsy mbola miova io toetrany io hatramin'izao satria Izy ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

📖Romana 1:28
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,

🧐Jerentsika tsara io Romana io fa Andriamanitra mihitsy no manolotra ilay olona hanao zavatra tsy mety eto.

🙄Fa dia nahoana kosa hoy izao isika e?

👉Ka satria hoy Andriamanitra hoe tsy nataony mendrika ilay zavatra notolorana azy, izany hoe tsy mahalala mankasitraka ilay olona, notsinatsiniaviny fotsiny ilay zavatra nomen'Andriamanitra azy, tsy nohajaina, tsy nahalala misaotra ilay olona dia tezitra kosa Andriamanitra.

😳✅💯ILAINA BE MIHITSY IZANY ILAY MISAOTRA raha te hahita sitraka eo anatrehan'Andriamanitra isika, raha te ho tahiany tsy tapaka, raha te hitombo, raha te ho sitrana, sns.

💁N'inona n'inona izany miseho eo dia isaoro foana Andriamanitra fa tsy tiany mihitsy isika tsy mahalala misaotra sy mankasitraka Azy io an😊!

👉Ary efa niteny mihitsy Izy ao hoe misaora rehetra.

🤕Ahoana koa izany, hisaotra koa izany na dia amin'ny zavatra ratsy miseho izao aza?

😌Tsotra be ny valiny: satria hevitra hitondra soa io. Ny zavatra rehetra dia miara miasa hahasoa hoy ny Baiboly izay.

🤷Isika olombelona matetika tsy mahatakatra loatra hoe ao ambadik'io olana mianjady amintsika io anie ka misy fitahiana be miafina foana e! Fa isika variana amin'ilay olana dia jamba tsy mahita ilay opportunité be ao ambadika omen'Andriamanitra. Be dia be izao ny olona any an-dafy miaina sy mahita an'izany tsara ary miteny mihitsy fa io olana io no hisandratana aingana sy alavitra raha oharina amin'ny ankabeazan'ny olona .

🤗Ka rehefa mahay misaotra olana io isika dia misaotra hevitra hitondra soa nomen'Andriamanitra izay isika ny dikany. Dia faly Andriamanitra satria sady olona tsy saro-tiavina isika no olona manaiky ho volavolainy. Dia tanterahiny amin'izay ilay hoe raha mankatoa dia tahiany.

😵Be dia be mantsy isika no very hoe nahoana aho no manompo an'Andriamanitra nefa tsy tahiana.

💁‍♀️Io izao anisan'ny valiny. Mila miova mihitsy aloha ny fijery SY fandraisantsika ireny olana alefan'Andriamanitra amintsika ireny dia mila mianatra MISAOTRA isika!

➡️Andramo, andramo dia samia isika mahita ny vokany hoe mahasoa tokoa ve sa tsia. 🙅Fa aza atao in-1 sy in-2 fa ✅ataovy im-10 mihitsy dia izy hitantsika tsara ny tena marina izy sady izy io mila faharetana kely. Fa kosa, tsy misy hanenenana mihitsy.

🔰Farany sady fototra: 😳Inona marina no atao hoe FISAORANA?

💁Ny atao hoe fisaorana tsy mijanona misaotra tompoko, mankasitraka tompoko. Anisany ireny fa saingy tsy ampy.

😌✅Ny tena fisaorana feno sy ankasitrahan'Andriamanitra dia miaraka , fanahy, saina dia izay vao ny teny sy ny fihetsika. Faly aloha ny fo satria nandray. Rehefa faly ny fo dia maivana sy ravoravo ny fanahy. Ny fanahy no mibaiko ny saina. Ny saina no mampiteny ny vava sy mampihetsika ny vatana. Izay no mahatonga ny Baiboly milaza hoe ny haben'ny ao am-po no hitenenan'ny vava (Matio 12:34).

👉Ary voamarina tsara io teny ao@Baiboly ity:

📖Marka 7:6
Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.

🙅Izany hoe tsy tian'Andriamanitra izany ilay eo fotsiny no misaotra Azy nefa ny ao am-po tsy dia otran'izay loatra. 😊Mila miaraka izy rehetra: fo, fanahy, saina, molotra, vatana. Izay tompoko no FISAORANA TENA IZY, FENO SADY ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA!

👍Rehefa miantso zavatra tsy misy ka tiantsika ho tonga ao izany isika dia aza adino ny FISAORANA. Ataovy loha laharana, ataovy matetika mba tsy ho maty na matory ilay fahefana nomeny antsika, ataovy amin'ny finoana, ataovy amin'ny fo, fanahy, saina, molotra ary vatana. Ataovy toy ny efa eo ilay zavatra antsoina fa misaotra sisa no atao.

😍Androany ThanksGiving🎁✨.

🤗Koa manainga antsika rehetra ny tenako 🙏💯hisaotra an'Andriamanitra satria izay no mba endrasiny amintsika, izay no hahitana sitraka eo imasony, izay no mitondra soa ho antsika, izay ilay Jesosy ao anatintsika mila fohazina amin'izay fa ampy izay ilay torimaso anaty sambo.

🙃Ankehitriny, misamboaravara ny ranomasina, ho avy ny grève, mikotrokorana, miakatra ny vidim-piainana.

☺ Aza mitady vaha olana ivelany izany: séminaire e, pasteur tonga avy any ivelany e, hosotra e, sns fa efa ao anatintsika ao anie ilay vahaolana e, ao ilay fanjakan'ny lanitra ao satria efa io ao anaty sambotsika io anie Jesosy e! Toy ny sarin-teny fotsiny iny fa ny hafatra tena tian'i Jesosy ampitaina tamintsika tamin'iny Izy tanaty sambo iny dia hoe: ao anatintsika ao Izy Jesosy, tsy any ivelany fa velona tsara ao mihitsy saingy matory fotsiny ka mila fohazina !

🤔Saino kely indray anie ity lojika ity e: raha ao Jesosy, nahoana no mitady hery hafa any ivelany? Raha iray amin'i Jesosy, nahoana no tsy tonga dia miara mihetsika Aminy avy hatrany fa mila hosotra ohatra? Tsy any ivelany no ampidirina ao anaty fa ilay ao anaty no mila fohazintsika mitobaka mankaty ivelany! Raha vao tsy izay dia fanahy tsy azoko antoka tanteraka no mety tafiditra ao amintsika.

🙄Jesosy ve hoy ianareo dia tena tsy naheno ny korontana manodidina niseho tamin'ireny?! 🙅Izaho manokana aloha dia tena tsy mino an'izany fa naheno tsara mihitsy Izy saingy nomeny ny mpianany mihitsy ny safidy ny hamoha Azy na tsia.

🙏Averiko ihany ity satria very ny oloko nohon'ny tsy fisian'ny fahalalana hoy Andramanitra izay ao , manambitamby aho eto satria malahelo mahita ny zava-miseho: aza mitady ivelany izany fa tsy lojika izany satria efa ao anatintsika ao ilay vahaolana fa juste mila fohazina fotsiny Izy. Fohazy Jesosy, fohazy ilay fahefana velona ao anatintsika ao , fohazy dia tonga dia ampiasao ilay miantso ny tsy misy ho toy ny misy! Fohazy dia ampiasao ilay fisaorana!

🥳Izay fa Happy ThanksGiving daholo isika dia samy ho tahian'Andriamanitra hitombo ka ho tanteraka amintsika tsirairay ilay hoe:

📖Jaona 14:12
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary HANAO ASA LEHIBE NOHO IZANY AZA IZY, satria Izaho mankany amin'ny Ray.

✨Lehibe ny fanjakana ao anatinao
👑Lehibe Jesosy anatinao
⚡Lehibe izany ianao io
😘 Ataovy lehibe koa izany ny fisaorana Azy e 🙏🎁!

🥺 Dia tandremo tsara ny fanahintsika fa malahelo Andriamanitra, 🔒ataovy maha saropiaro mafy antsika mihitsy io satria 🤧 efa manao ny hafetsena avo lenta rehetra izao ny devoly.

25/11/2024

FAMPIANARANA

LESONA N°67
Ahoana ny fomba fivavak'i Jesosy (tohiny 2)

15/11/2024

FAMPIANARANA

LESONA N°66
Ahoana ny fomba fivavak'i Jesosy? (tohiny)

07/11/2024

FAMPIANARANA

LESONA N°65
Ahoana ny fomba fivavak'i Jesosy?

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261341778509

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Voavonjy Aho posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Voavonjy Aho:

Share