Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira

Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira Pejy ofisialin'ny Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira (S.A.Am.Mi)

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Talata 21 Oktobra 2025 Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra...
21/10/2025

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Talata 21 Oktobra 2025


Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra… Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. (Romana 14. 10, 12)

(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. (Jaona 5. 24)

Fanazavana tsy maintsy hatao
Fahadisoana maro no tsy mandalo ny fitsaran’olombelona, ohatra : ny avonavona, ny fitiavantena, ny fahihirana, ary endrika fahalotoam-pitondrantena samihafa. Misy zavatra hafa atao koa, toy ny mandainga, manendrikendrika, mampirafy, mangalatra ara-ketra, izay fanao andavanandro ary tsy miteraka fahafaham-baraka, rehefa tsy idiran’ny fitsarana.
„Tandremo, mahita anao Andriamanitra.” Ny mpitantana toeram-pivarotana lehibe amerikana iray dia nametraka io petadrindrina io ary nahita fa nihena be ireo halatra. Afaka miala amin’ny lalànan’olombelona isika, fa tsy amin’ny fitsaran’Andriamanitra, tsy amin’ny masony mamaky ny lalina indrindra ao am-pontsika. „Tsy misy zavatra ary, na inona na inona, izay tsy miseho eo anatrehany ; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika” (Hebreo 4. 13). Eny, Andriamanitra dia mahafantatra izay rehetra fahadisoantsika, ary manampy ireny amin’ny trosantsika. Ahoana no hanefana io trosa io, hialana amin’ny fe-potoana handoavana izany ? Tsy misy vahaolana, afa-tsy avy amin’Andriamanitra ihany, dia Jesosy Kristy, Izay maty nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijaliana. Koa izay mino Azy dia afaka mandre ilay fanambarana mahafaly hoe : „Sambatra izay olona tsy isain’i Jehovah heloka” (Romana 4. 8). Eny, hararaoty io fanafoanana trosa atolotr’Ilay Andriamanitra fitiavana io !
Ary isika kristiana, ndao hiaina amin’ny fieritreretana hoe hitan’Andriamanitra izay rehetra ataontsika, heverintsika, antony mandrisika antsika. Marina fa tsy hohelohina isika (Jaona 5. 24), nefa izay rehetra ataontsika tsy ankasitrahin’i Kristy dia ho fatiantoka (1 Korintiana 3. 15) ; ary izay rehetra iainantsika miaraka aminy dia ho an’ny voninahiny !

Comptez vos minutes -  Enseigne-nous ainsi à compter nos jours, afin que nous en acquérions un coeur sage. (Psaume 90 : ...
21/10/2025

Comptez vos minutes -

Enseigne-nous ainsi à compter nos jours, afin que nous en acquérions un coeur sage. (Psaume 90 : 12)

On raconte qu’un homme était obligé de se rendre à pied, t**d dans la nuit, dans un village éloigné. Le voyage était monotone, d’autant plus qu’il faisait nuit noire. A un moment donné, il trébucha sur quelque chose. Se baissant, il ramassa un petit sac plein de galets. Pour se distraire, de temps en temps, il en jetait un dans la rivière qui bordait la route. Pitch... pitch... Le bruit des ricochets était un simple amusement. Lorsque notre voyageur arriva à destination, il ne restait que deux galets. Dans la maison éclairée, il baissa les yeux et vit que c’étaient des diamants. Il avait gaspillé une fortune.

Nos jours sont faits d’heures, de minutes, de secondes. Il y a 525 600 minutes dans une année. Une personne qui a vécu 30 ans est responsable de l’usage qu’elle a fait de près de seize millions de minutes. Chacune nous est donnée par Dieu pour la consacrer à son service. Peut-être avons-nous douloureusement conscience d’avoir gaspillé bien des minutes ? Ne restons pas sur ce triste constat, mais posons quotidiennement au Seigneur cette question : « Que dois-je faire, Seigneur ? » (Actes 22 : 10). Lui-même nous conduira à être utiles à son service, à réaliser avec son secours « les bonnes œuvres que Dieu a préparées à l’avance » sur notre chemin (Éphésiens 2 : 10). Avec lui, notre vie sera pleine, variée et harmonieuse.

Encore faut-il l’avoir premièrement rencontré, avoir saisi cet instant où Jésus nous appelle pour recevoir la vie éternelle.

🌱“Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Alatsinainy 20 Oktobra 2025 Hankasitrahina ny fahatsiarovana ny marina ; fa ho lo ny anar...
20/10/2025

🌱“Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Alatsinainy 20 Oktobra 2025


Hankasitrahina ny fahatsiarovana ny marina ; fa ho lo ny anaran’ny ratsy fanahy. (Ohabolana 10. 7)

Hotsarovana mandrakizay ny marina. (Salamo 112. 6)

Ny dindon’ny fiainantsika
Nisy mpanakanto iray nanoratra vao haingana hoe : „Inona moa no atao hoe mamorona ? raha tsy manandrana mametraka dindon’ny fandalovan’ny tena eto an-tany.”
Io teny io ve tsy maneho faniriana lalina ao anatin’ny olona ? Vao nanomboka nisy ny zanak’olombelona, dia efa ny anaran’i Enoka zanany lahy no nataon’i Kaina anaran’ilay vohitra naoriny (Genesisy 4. 17). Ary taorianan’izany dia renivohitra maro no mitondra ny anaran’ilay nanorina azy. „Araka ny heviny, dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka faramandimby ; araka ny anarany no anononany ny taniny” (Salamo 49. 11). Andriamanitra dia mahalala ny antony lalina mandrisika antsika ao am-pontsika ao, ary Izy no hanombana ny antony manosika antsika ho te hametraka mariky ny diantsika eto amin’ity tontolo andalovantsika ity.
Ny Baiboly dia manome antsika ny anarana lehilahy sy vehivavy iantsoana antsika haka tahaka ny finoany. Momba an’i Maria avy any Betania, ohatra, dia hoy Jesosy : „Ary lazaiko aminareo marina tokoa : Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao, mba ho fahatsiarovana azy” (Marka 14. 9). Nitondra menaka manitra lafo vidy izy, mba hanomezany voninahitra an’i Jesosy. Ny sasany dia nihevitra an’izany ho fandanilaniam-poana. Fa hoy kosa Jesosy : „Asa soa no nataony tamiko” (Marka 14. 6). Nanao izany i Maria, noho ny fitiavany an’i Jesosy Ilay Mpamonjiny sy Tompony.
Izay natao ho an’Andriamanitra sy ho an’i Kristy ihany no hitoetra mandrakizay ; ny sisa rehetra dia ho levona tsy hamela dindo.

Se réconcilier avec son prochain -  Si donc tu présentes ton offrande à l’autel et que là tu te souviennes que ton frère...
20/10/2025

Se réconcilier avec son prochain -

Si donc tu présentes ton offrande à l’autel et que là tu te souviennes que ton frère a quelque chose contre toi, laisse là ton offrande devant l’autel et va d’abord, réconcilie-toi avec ton frère ; viens alors présenter ton offrande. (Matthieu 5 : 23)

Quand nous croyons au Seigneur Jésus, Dieu nous réconcilie avec lui-même en enlevant de nos cœurs l’hostilité et en mettant à la place la confiance et l’amour pour lui. Mais Dieu ne s’arrête pas là ! Il nous amène à nous réconcilier avec ceux avec qui nous sommes en conflit. L’enseignement de Jésus Christ est très clair à ce sujet, selon le verset cité au début de ce feuillet. Se réconcilier avec son frère est même primordial ; cela doit précéder le fait d’offrir quelque chose à Dieu ! « Le Sauveur n’admet pas que le disciple puisse entrer en communion avec Dieu par son offrande, par la prière, tant qu’il n’est pas réconcilié avec son frère, et toute conscience chrétienne confirme ce jugement » (D. Bonhoeffer).

Amis chrétiens, ne nous résignons pas devant les tensions et les conflits. Par son Esprit, le Seigneur nous aide à y faire face humblement, mais courageusement. C’est par la foi que nous pouvons effectuer ces démarches de réconciliation en comptant sur la force du Seigneur. Peut-être l’autre refusera-t-il, mais je dois faire le premier pas. Le Seigneur sera avec moi.

Lorsque des chrétiens vivent de manière concrète cette puissance de la réconciliation, ils apprennent à s’aimer « en action et en vérité » (1 Jean 3 : 18). Leur compréhension mutuelle est plus profonde, leur accueil réciproque plus vrai, l’ouverture les uns aux autres plus large. Quel témoignage de la puissance de l’Évangile !

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Sabotsy 18 Oktobra 2025 Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran...
18/10/2025

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Sabotsy 18 Oktobra 2025


Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny, mba hahazoako an’i Kristy. (Filipiana 3. 8)


NY ZAVATRA REHETRA, HO AN’I KRISTY ! (3)
Tsara vakina : Filipiana 3. 1-14
Ao amin’io toko io ny apostoly Paoly dia mitanisa ireo tombontsoa ananany, aloha, amin’ny maha Jiosy azy, tombontsoa nanorenany ny fitokiany manontolo. Teo amin’ny lafiny ara-toe-panahy sy ara-pivavahana dia nanana ny zavatra rehetra izy, ary afaka nihevi-tena ho tsy manan-tsiny, raha ny amin’ny lalànan’i Mosesy. Nefa rehefa nankany Damaskosy izy mba hanenjika ny kristiana, dia nifanena tamin’i Jesosy, Ilay nolaviny tamin’ny heriny manontolo, teo aloha. Takany tamin’ny indray mipy maso fa nitsangana velona indray Jesosy, ary mamirapiratry ny fiandrianana maha Andriamanitra Azy, any an-danitra. Nampitsimbadika ny tao anatin’i Paoly io fifanenana tsy fahita io, ary nanova tanteraka ny fiainany, ny ambaratongan-kasina tao aminy, ny fanombanany zavatra : nanomboka teo dia nataony „ho taimboraka” izay noheveriny ho tombony nampirehareha sy nahafeno risi-po azy. Foana avokoa izay rehetra zava-dehibe taminy, ka tsy nisy afa-tsy Kristy sisa. Eny, aminy dia ahazoana tombony ny velona ho an’io Mpamonjy nitia azy fatratra io !
Nanomboka tamin’io andro tsy hay hadinoina io i Paoly dia nihazakazaka „miezaka hanatratra ny marika… [hahazoany] ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy”. Tsy nanaiky ho variana amin-javatra hafa intsony izy.
Ry kristiana namana, Kristy ve mameno sy manana ny fonao ? hany ka ekenao ny hamoy ny zavatra rehetra (ary na zavatra heverinao ho tsy azo avela aza), mba ho velona isanandro eo anatrehany.
(tapitra)

Mauvaises herbes -  La nature mĂŞme ne vous enseigne-t-elle pas... ? (1 Corinthiens 11 : 14)Dans mon potager, je dois lut...
18/10/2025

Mauvaises herbes -

La nature mĂŞme ne vous enseigne-t-elle pas... ? (1 Corinthiens 11 : 14)

Dans mon potager, je dois lutter constamment contre les mauvaises herbes. La semaine dernière, le sol était si sec qu’au lieu de les arracher, je ne suis parvenu qu’à les couper au ras du sol. Et aujourd’hui, il faut recommencer. Les racines étaient intactes et l’herbe a repoussé de plus belle. Alors je m’y prends autrement ; j’arrose copieusement puis, quand l’humidité a bien pénétré en profondeur, je n’ai plus aucun problème pour extraire les plantes indésirables dans leur totalité. L’eau a fait tout le travail.

Cela me fait penser à ces mauvaises racines qui sont en nous et qui produisent automatiquement leurs mauvais fruits. Souvent, par un examen superficiel, nous nous contentons de mettre en ordre ce qui se voit dans notre vie, sans juger le fond de notre cœur, dont la Bible nous dit : « Du coeur viennent mauvaises pensées, meurtres, adultères, fornications, vols, faux témoignages, injures » (Matthieu 15 : 19).

Pour que le travail soit efficace, il faut lire la Bible et la méditer afin qu’elle pénètre en profondeur, comme de l’eau, dans nos consciences. C’est elle qui agit, qui « discerne les pensées et les intentions du cœur » (Hébreux 4 : 12). À sa lumière, nous pouvons alors juger la racine du mal en nous, et c’est à cette condition seulement que nous pouvons régler la question de façon durable. Ne négligeons pas la lecture de la Parole de Dieu qui a la puissance de nous purifier et de nous sanctifier (Éphésiens 5 : 26).

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Zoma 17 Oktobra 2025 Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny vonin...
17/10/2025

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Zoma 17 Oktobra 2025


Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. (2 Korintiana 3. 18)


KRISTY, MODELY TOKONY HO BANJININA
Ao amin’ny Eksodosy toko faha-34 i Mosesy dia avy teo amin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra, nandritra ny 40 andro. Rehefa niverina nankeo amin’ny vahoaka nijanona tao an-toby izy dia voatery nanarona ny tavany namirapiratra hazavana hafa kely, satria niresaka tamin’Andriamanitra (Eksodosy 34. 28-35). Tamin’izany fotoana izany dia i Mosesy irery no afaka nijoro teo anatrehan’Andriamanitra : nantsoin’Andriamanitra hankeo aminy izy. Fa ankehitriny, satria vita ny asa teo amin’ny hazofijaliana, dia afaka mibanjina ny Tompo amin’ny finoana ny mpino rehetra, tsy amin-tahotra, eo am-piandrasana ny hahita Azy tsy ho ela any an-danitra.
Tian’Andriamanitra isika ho feno an’i Kristy, Ilay môdely lavorary ho antsika. Iriny isika hanahaka Azy bebe kokoa isanandro : „Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy” (Romana 8. 29).
Ny andinin-tSoratra Masina androany dia miresaka olona „ovana” : inona no tokony hataontsika amin’izany ? Mibanjina tsotra fotsiny an’i Jesosy amin’ny finoana, mampitodika ny fisainantsika aminy, any amin’izay misy Azy ankehitriny, eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Amin’izany no hianarantsika hahafantatra sy ho tia Azy bebe kokoa hatrany ; ary tsy ho fantatsika angamba, fa io fibanjinantsika Azy io dia hamela mariky ny toetra an-danitra eo amin’ny fiainantsika manontolo, toy ny famirapiratry ny tavan’i Mosesy. Tsy ho ela isika dia ho voaova hitovy tanteraka amin’i Kristy, rehefa hampidirina any an-danitra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, fanatrehana mahatalanjona.
„Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3. 2).
(hitohy)

Jésus, pain de vie -  Je rassasierai de pain ses pauvres. (Psaume 132 : 15)Les miracles du Seigneur Jésus comportent tou...
17/10/2025

Jésus, pain de vie -

Je rassasierai de pain ses pauvres. (Psaume 132 : 15)

Les miracles du Seigneur Jésus comportent toujours un message spirituel. Ainsi en est-il de celui de la multiplication des pains (Jean 6 : 5-13). Par ce miracle, Jésus nourrit une foule de plusieurs milliers d’hommes ; mais son but n’est pas seulement le rassasiement physique. En effet, Jésus encourage ceux qu’il avait nourris à travailler « pour la nourriture qui demeure jusque dans la vie éternelle » (Jean 6 : 26, 27). Et quand ses interlocuteurs lui demandent : « Seigneur, donne-nous toujours ce pain-là », Jésus leur dit : « Moi, je suis le pain de vie. Celui qui vient à moi n’aura jamais faim ; et celui qui croit en moi n’aura jamais soif » (Jean 6 : 35).

Déjà dans la loi donnée par Dieu à Moïse, la Bible affirme que l’homme ne vit pas de pain seulement, mais de ce que Dieu dit, de ce qu’il nous a révélé par sa Parole (Deutéronome 8 : 3). Elle nourrit, au-dessus de l’existence terrestre, une vie nouvelle en communion avec Dieu. Nous la découvrons en venant à Jésus par la foi. Lui seul satisfait nos besoins les plus élevés, nos besoins spirituels.

Plusieurs de ceux qui avaient bénéficié de la multiplication des pains ont cependant quitté Jésus. Si nous ne croyons en lui que pour les bienfaits que cela nous rapporte, notre foi est bien superficielle. Mais si nous le connaissons comme celui qui est le pain de vie, celui qui révèle Dieu, nous pourrons alors lui dire, à la suite de Pierre : « Seigneur, auprès de qui irions-nous ? Tu as les paroles de la vie éternelle » (Jean 6 : 68).

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Alarobia 15 Oktobra 2025 Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona...
15/10/2025

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Alarobia 15 Oktobra 2025


Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao, noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? (Joba 33. 12-13)

Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. (Romana 14. 12)

Fialan-tsiny mitombina
Tamina adihevitra iray dia hoy ity tovolahy : „Na ahoana na ahoana, raha misy Andriamanitra, dia tsara ho Azy ny manana fialan-tsiny mitombina !” Azo antoka fa nihevitra izy hoe tokony hanao fialan-tsiny mitombina amin’ny zanak’olombelona Andriamanitra, satria namela hisy ny fijalian’ny ankizy, ireo tsy rariny sy zava-doza marobe mahatezitra ny isambatanolona.
Rariny ve ny mitsara Ilay Mpahary antsika ? Ary loza kokoa noho izany aza, fa ny zanak’olombelona indray ve, hatramin’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, miaraka amin’ny vangongom-pijaliana nentiny, no ho sahy hihambo ho mpitsara Ilay Andriamanitra marina sy masina tanteraka ? Ny fitakiana fanamarinana ny asany amin’ny Ilay Tompon’izao tontolo rehetra izao, dia tena maneho tsy fahafantarana mihitsy Ilay Andriamanitra „velona sy marina” (1 Tesaloniana 1. 9).
Ankoatra izany, tsy noho ny fikomian’ny olombelona tsy akory no tsy anamarinan’Andriamanitra izay ataony, fa satria Izy dia Andriamanitra. Tsy azon’iza na iza ampamoahina Izy (jereo Romana 9. 20). Isika no tokony hampamoahina !
Tsy maintsy miaiky ny olona fa nandà an’Andriamanitra, ka tafalatsaka eo ambany fanapahan’i Satana. Io tompo lozabe io dia tsy mahalala ny fitiavana, „mpandainga sady mpamono olona” (Jaona 8. 44 ; 14. 31). Ny laingan’ny devoly dia ny mampino ny olombelona hoe Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’ny fijalian’izy ireo. Ary indrisy fa mino io lainga io isika.
Tsia, Ilay tena Andriamanitra dia mahatakatra ny fijalian’ny olona. Izy dia Fitiavana, noporofoiny izany tamin’ny nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany, ho famonjena mandrakizay izay mino Azy.
Aza manangan-tena ho mpitsara isika, fa aoka hanaiky am-panetrentena sy fankasitrahana io famonjena mahatalanjona io !

Jésus dans la barque -  Il arrête la tempête, la changeant en calme, et les flots se taisent. Et ils se réjouissent de c...
15/10/2025

Jésus dans la barque -

Il arrête la tempête, la changeant en calme, et les flots se taisent. Et ils se réjouissent de ce que les eaux sont apaisées, et il les conduit au port qu’ils désiraient. Qu’ils célèbrent l’Éternel pour sa bonté... ! (Psaume 107 : 29-31)

Relisons dans l’évangile le récit de la tempête apaisée (Matthieu 8 : 23-27). Jésus et les siens sont dans la barque qui menace de couler. Répondant à l’appel angoissé de ses disciples, le Maître se lève, parle au vent et à la mer, et il se fait un grand calme.

Si la tempête s’abat sur votre vie, si le vent du doute ou de la peur souffle avec furie, exposez simplement vos craintes à Jésus. Tout pouvoir lui a été donné dans le ciel et sur la terre. Ce qu’il a fait autrefois, il peut le faire encore aujourd’hui. Sa puissance n’a pas changé et son amour non plus. Faites-lui confiance.

Lui faire confiance, c’est tout d’abord le laisser monter dans notre « barque ». Si Jésus Christ n’a aucune place dans notre vie, comment pourrait-il intervenir ?

Qu’est-il pour vous qui lisez ces lignes ? Le plus grand, le plus saint, le meilleur des hommes ? Dans ce cas, sa puissance serait limitée aux dimensions de l’homme. Mais s’il est bien pour vous ce qu’il dit être, le Fils éternel de Dieu, le Sauveur des hommes, le Seigneur, sa puissance est illimitée et vous pouvez, sans hésitation et sans crainte, lui confier la direction de votre vie.

Si l’ouragan nous menace, Ne craignons pas le danger ; A notre bord a pris place Un céleste passager.

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Alatsinainy 13 Oktobra 2025 Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : no...
13/10/2025

🌱 “Ilay Voa Tsara Nafafy”, anio Alatsinainy 13 Oktobra 2025


Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. (Jaona 3. 16)

Marina Izy
(Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy. (Romana 3. 26)


HERIN'NY FITIAVANA ❤️
Nitantara i Sénèque filôzôfa hoe ny amperora Aogosto dia nandrava tan-kerisetra fiokoana maro. Ren’i Aogosto, indray andro, fa nanomana famelezana azy koa i Cinna namany. Niangavian’i Livie vadiny izy, mba halemy fanahy amin’i Cinna : „Ny famindramponao dia hahazo valisoa ao amin’io famindrampo io ihany”. Nihaino ny vadiny i Aogosto, nampiantso ilay meloka, ary nilaza taminy fa fantatra hatramin’ny antsipiriany kely indrindra ny teti-dratsiny, sady naneho fahamoram-panahy taminy. Menatra noho io hatsaram-panahy io ilay mpioko, ka nanjary anisan’ireo mpomba nahafoy tena indrindra ho an’ny amperora.
Fantatr’Andriamanitra avokoa izay rehetra asantsika sy fihevitsika ; toy ny boky mivelatra eo anatrehany ny fiainantsika. Nefa masina Izy, tsy afaka mahita ny ota ka tsy hanafay izany. Na izany aza anefa, tsy nanameloka antsika mihitsy Izy, fa maniry hamonjy antsika aza. Toy ny an’i Cinna, ny fahadisoantsika dia mety ho hitantsika hoe mavesatra sy lehibe loatra, ka tsy afaka avela. Andriamanitra anefa dia tia antsika, ary nahita ny fomba ampiharana ny fitiavany, sady nitoetra ho marina. Nirahiny ny Zanany, Izay tia antsika ihany koa, mba handray ny fahotantsika toy ny hoe Azy : ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no nahatra taminy ; nisolo toerana antsika Izy, nizaka ny fitsaran’Andriamanitra ara-drariny, tamin’ny nahafatesany ho antsika. Voaisotra tsy ho eo anatrehany ny fahamelohantsika, raha toa isika miaiky ireo fahadisoantsika sy mino Azy.
Handà ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra ve isika ? Raha manilika ny fanafahany, na mihevitra fa tsy ampy ny sorona nataon’ny Zanany, dia ho maniratsira an’Andriamanitra. Raiso am-pankasitrahana ny fahasoavana atolony, dia ho afaka ianao !

Soyons miséricordieux -  Soyez miséricordieux, comme aussi votre Père est miséricordieux. (Luc 6 : 36)Le mot miséricorde...
13/10/2025

Soyons miséricordieux -

Soyez miséricordieux, comme aussi votre Père est miséricordieux. (Luc 6 : 36)

Le mot miséricorde vient de deux mots latins signifiant : misère et coeur. Etre miséricordieux, c’est avoir le coeur sensible à la misère de son prochain.

Le Seigneur a illustré ce qu’est la miséricorde dans une parabole bien connue. Le bon Samaritain qui trouve un pauvre blessé ne lui demande ni sa race, ni sa religion, ni le motif pour lequel il agonise sur le bord du chemin. Il est ému par la souffrance de ce malheureux, s’approche de lui et fait tout ce qu’il faut pour le remettre sur pied. Jésus conclut par ces mots : « Va, et toi fais de même » (Luc 10. 37). Est-ce qu’il ne s’adresse pas à nous chrétiens qui avons mille occasions de faire du bien ? Ouvrons-nous les yeux sur les « déshérités de la vie » ? Faisons-nous quelque chose pour eux ? Si ces questions nous prennent de court, c’est peut-être parce que notre égoïsme nous fait ressembler à ces personnages religieux qui se détournaient du pauvre homme couché sur la route.

Pourtant si nous sommes conscients de la grâce qui nous a été faite, nous aurons davantage de miséricorde envers ceux qui souffrent de toute misère physique ou morale.

Commençons simplement par être plus disponibles pour écouter les autres et attentifs à discerner leurs besoins nous serons vite conduits à partager avec eux ce que Dieu nous a confié sur le plan matériel ou spirituel.

Address

FLM Ambohimasina Itaosy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share