FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy

FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy Manarak'izany dia heverin’ny Fiangonana fa « voatokana ho amin’ny filazantsaran’Andriamanitra » Rom. 1 :1b, ity pejy ofisialin’ny Fiangonana ity. Ohab. 15:3.

Manana tanjona roa mazava ny nanokafana izao takelaka Facebook izao dia ho « fampandrosoana ny asan’Andriamanitra » sy "hifampizaràna vaovao" mba haharaka tsara ny Taranaky ny Fiangonana rehetra eto amin’ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy. Ary manana Iraka Vavolombelona ihany koa hamelona finoana sy hanefy toetra sahy mijoro miaro ny finoana an'i Jesoa Kristy satria dia ambaran'Izy Tompo fa : "Ny mason'i Jehovah mijery izao rehetra izao, ..." Izao pejy izao no varavarana misokatra hihaonan’ny Fiangonana ka hizarany ireo karazana fanomezam-pahasoavana ananany sy teny fampaherezana ary momba ny fifampitarihan-dàlana. Misy zava-kendrena telo ny asa serasera sy fiaraha-mientana amin'izany dia
1. Hanasa sy hiantso ny olona ho amin’i Jesoa ;

2. Hahamira zotra amin’ny asan’ny Tompo ny asan’ny Fiangonana ;

3. Hanatsara ny fifampitondrana kristiana amin’ny alalan’ny fifampandrosoana ;

Address

FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy, Lot VW 54
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share