Fikatsahana Fanahy Masina sy Paradisa

Fikatsahana Fanahy Masina sy Paradisa "Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany"

04/02/2026

Mivavaka foana anefa toa tsy mety mivaly mihitsy.

Inona no mety ho antony raha araka ny hevitrao?

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesoa, Izay olona, sady nan...
17/01/2026

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesoa, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana. — I Timoty 2 : 5 - 7

Anaka, raha mandroso hianao hanompo ny Tompo, omany ho amin'ny fizahan-toetra ny fanahinao.Ahitsio ny fonao, ka mahareta...
03/01/2026

Anaka, raha mandroso hianao hanompo ny Tompo,
omany ho amin'ny fizahan-toetra ny fanahinao.

Ahitsio ny fonao, ka mahareta,
ary aza mikoropaka foana amin'ny andron'ny fahoriana.

Miraiketa amin'Andriamanitra hianao, ka aza misaraka aminy,
mba hitomboanao ho amin'izay hiafaranao.

Ekeo avokoa izay manjo anao,
ary mandefera amin'ny fifandimbiasan'ny fietrenao.

Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin'ny afo;
ary ny olona ankasitrahan'Andriamanitra kosa, amin'ny memin'ny fietrena.

Matokia an'Andriamanitra ary izy hanarina anao;
mizora amin'ny lala-mahitsy, ary manantena azy.

Miandrasa ny famindram-pony, hianareo matahotra ny Tompo,
ary aza mivily lalana, fandrao dia levona hianareo.

Matokia azy, hianareo matahotra ny Tompo,
dia tsy ho very valisoa hianareo.

Manantenà, hianareo matahotra ny Tompo, ny hasambarana,
ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.

Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro;
iza no nanantena ny Tompo, ka nahazo henatra na oviana na oviana?
Zovy no naharitra tsy niala tamin'ny fahatahorana azy, ka mba nilaozany?
Iza no niantso azy, ka latsa no hany azony?

Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo,
ary mamela heloka sy mamonjy amin'ny andro mahory izy.
12 Loza ho an'ny fo ketraka sy ny tànana osa,
sy ny mpanota miroa làlana!

Loza ho an'ny fo kanosa, fa tsy matoky an'Andriamanitra izy!
Ka tsy mba hahazo fiarovana.

Loza ho anareo manary faharetana!
Hanao ahoana hianareo, amin'ny andro hamangian'ny Tompo?

Izay matahotra ny Tompo, tsy mba mandà tsy hihaino ny teniny,
ary izay tia azy, mitandrina ny lalàny, tsy mivadika!

Izay matahotra ny Tompo, mitady izay sitrany,
ary izay tia azy mivoky ny lalàny.

Izay matahotra ny Tompo, mamboatra ny fony,
ary mampaharitra ny fanahiny amim-panetren-tena eo anatrehany,
manao hoe: Ho lavo eo an-tànan'ny Tompo izahay,
fa tsy eo an-tanan'ny olombelona;
satria, araka ny haben'ny fahefany no haben'ny famindrampoNy.

Fikiro ny tenin'Andriamanitra na ao anatin'ny ady sarotra na ao anatin'ny fifaliana ianao.Aza atao fangalana vahaolana f...
01/12/2025

Fikiro ny tenin'Andriamanitra na ao anatin'ny ady sarotra na ao anatin'ny fifaliana ianao.

Aza atao fangalana vahaolana fotsiny Andriamanitra eo amin'ny fiainanao fa tena tiavo mihitsy Izy ary ataovy lohalaharana eo amin'ny fiainanao.

Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. — Deoteronomia 6 : 5

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, a...
30/10/2025

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamòna ianareo. — Matio 6 : 24

Ry mpanompon'Andriamanitra namana, tandremo sao mibahana ao anatinao ny fitiavam-bola. Hadinonao daholo ny mahakasika an'Andriamanitra raha izay no masaka ao anatinao Satria lasa manjaka ao anatinao :fitiavan-tena, tia Kely , tsy mitsinjo ny hafa , misolokiloky, manambany ny namana ary mety hamono olona mihitsy aza .
Tandremo fa Tonga dia mifanipaka amin'ny didin'Andriamanitra avokoa ny vokatr'izay ka fahalotoana tanteraka ny hiainanao.

Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Ianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany ...
13/10/2025

Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Ianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina. Noho ny anaranao, Jehovah o, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana. Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho. — Salamo 143 : 10 - 12

Tsy ny olombelona mitovy aminao ny fahavalonao. Aza manana eritretitra anenjika na hamaly faty ny hafa.
Ireo dévoly fahavalonao no fongory amin'ny alalan'ny:
🔸Vavaka sy famakiana ny tenin'Andriamanitra ( Sakafom-panahy izay mitondra Hery ahafahanao manohitra ny asan'ny maizina)
🔸Fanankinanao tanteraka ny fiainanao eo am-pelatan'Andriamanitra
🔸Fitandremanao ny tenanao mba tsy hanota intsony fa hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra
🔸Fametrahanao an'Andriamanitra ho lohalaharana indrindrandrindra

Ankalazaina mandrakizay anie ny Anaran'Andriamanitra fa Izy no Lehibe indrindra ary tsy manam-pahataperana ny fahalebeazaNy.

Ho aminao anie ny fiadanaNy Masina.
Amen 🙏

Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka...
05/10/2025

Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. — Matio 7 : 13 - 14

HAFATRA HO ANAO Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba...
26/09/2025

HAFATRA HO ANAO

Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika. Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an'ny devoly. Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tanany, mba hisy homeny izay tsy manana. Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana. Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy. — Efesiana 4 : 25 - 32

Izay omen'Andriamanitra ny olona noho ny Famindram-pony, dia tsy misy manana fahefana hisakana izany. Fa raha misakana i...
23/09/2025

Izay omen'Andriamanitra ny olona noho ny Famindram-pony, dia tsy misy manana fahefana hisakana izany. Fa raha misakana izany kosa Izy, dia tsy misy afaka mamotsotra izany aoriany. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.

Ankatoavy izay lalana itondran'Andriamanitra anao. Aza manamafy fo fa tanteraho ny sitrapoNy Masina. Lehibe Izy ary tsy manam-pahataperana ny fahalebeazaNy.

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany— Jeremia 29 : 11

Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo fam...
21/09/2025

Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; — Asan'ny Apostoly 2 : 38

Tsy maintsy mandalo fibebahana ianao ary tsy mamerina ny fahotana intsony izay vao tonga aminao ny Fanahy Masina izay fanalahidy tokana ahafahana miditra ny paradisa.

Mandrosoa ao amin'ny fahazavan'Andriamanitra fa ao no tena fiainana.
Hitahy anareo mihoatra Andriamanitra 🙏

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fikatsahana Fanahy Masina sy Paradisa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share