01/02/2025
Ireo oha-pitenena mampisaina kely indray no ho entiko aminao.
Mahaiza miresaka sy mihaino ny tenanao rehefa misy zavatra ho atao. Hanampy anao hatoky tena sy aneho ny maha izy anao izany ary handray fanapaha-kevitra.
"TSY MISY MANOME HEVITRA TONGA LAFATRA RAHA TSY NY TENANAO IHANY."
_"Raha te ho tafita amin'ny fiainana, ny zavatra atao voalohany dia miraiki-pitia amin'ny zavatra ataonao."
*Aza miaino vavan'olona ary aza miraharaha fanambaniana anao,,fa na inona fidiram-bolanao rehefa mahavelona sy tsy asa ratsy dia hankafizo fa tsy ho ela dia hivelatra ianao.
_"Arakaraky ny handrosoan'ny fahaterana no ahafantarana fa ny fahatsorampo no fahasambarana indrindra"
*Katsaho manomboka izao aza ilay fahatsorampo-nao raha te ho sambatra.
_"Tsy ny namanao no hifaninananao fa ny tsara vitanao anio."
_"Ny faniriana mety ho sahala, fa ny anjara tsy hitovy."
*Alaivo ohatra fona ny zava-misy dia mora aminao ny hanakatra azy: Ankasitrao ny vitanao anio fa aza mifaninana amin'i anona na amina olona iray...Mety haniry ianao hanana trano tena ho anao,,izaho koa mba maniry toa izany. Fa ny anjara tsy mitovy ka mahaiza mankasitraka izay vitanao anio hiatrehana ny ho avy.π«Άπ»β€
_"Volamena latsaka am-bovoka, tsy havelan'ny hasiny tsy hamiratra."
_"Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa."
*Na inona mety olana sedraina ary na tahakin ny ahoana andraisany olona anao sy fijeriny anao,aza hiasana loha. Tsarovy fa manana ny hasinao ianao hanandratra anao amin'ny ora sy andro tsy ampoizinao izany.Mahareta ary!π
Mankasitraka anao, mirary tontolo andro mafinaritra.ππ»
"Ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy."
Aza misalasala mampiditra ny Application {Ohabolana sy Kabary} fa feno izay ilainao ao.π