Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana

Jesosy Mamonjy mijoro  amin'ny fotom-pampianarana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana, Religious organisation, Antananarivo.

✅Mijoro ho @ fahamarinana

✅Fiarovana sy fampijoroana ny fotom-pampianarana Jesosy Mamonjy izay nitarihan'ny Ray aman-dreny mpanorina

✅Fiarovana ny asan'Andriamanitra
✅Fampaherezana sy hafatra velona
✅Fitaomana ireo very
✅Fikatsahana fifohazam-panahy

14/06/2026

FOTOAM-BAVAKA Alahady maraina 🔥

📆14 Juin 2026
💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo

🌿 Zoma sambatra 🌿Enga anie ny Tompo hanome anao fiadanana ao am-po, hery amin’ny asa, ary fitahiana amin’ny fiainanao.Mi...
12/06/2026

🌿 Zoma sambatra 🌿

Enga anie ny Tompo hanome anao fiadanana ao am-po, hery amin’ny asa, ary fitahiana amin’ny fiainanao.

Mifalia mandrakariva, fa tsy mahafoy ny olony Andriamanitra. 🙏

07/06/2026

FOTOAM-BAVAKA Alahady maraina 🔥

📆07 Juin 2026
💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo

♦️.  Akon’ny Alahady fetin’ny Reny teto amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo 💒🔥👉 Anisan’ny fampi...
31/05/2026

♦️. Akon’ny Alahady fetin’ny Reny teto amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo 💒🔥

👉 Anisan’ny fampianarana nampianarin’ny mpanompo vavin’nAndriamanitra moa ny hoe : « TSY MAINTSY IVAVAHANA SY HAMETRAHAN’NY RENY TANANA ISAN’ANDRO NY ZANANY » ary natomboka tao antranon’Andriamanitra avy hatrany ny fampiharana 🙏🏼

📌 Ho Reny mahagaga sy ho ampiasain’Andriamanitra anie ny Reny rehetra ❤️

31/05/2026

Fotoam-bavaka Alahady Maraina🔥

💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo
📆Alahady , 31 Mey 2026

✝️ NY BATISA NY FANAHY MASINA⛪ Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana 📅Alahady 24 May 2026 , Tapany Maraina🎤 Pasteur Au...
25/05/2026

✝️ NY BATISA NY FANAHY MASINA

⛪ Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana
📅Alahady 24 May 2026 , Tapany Maraina
🎤 Pasteur Aurélien

📖Asan'ny Apostoly 2:1-4
📖II Mpanjaka 2:11-15
Ho Hatsangana ho zanaka malalaNy ianao androany
Ho vita batisa amin'ny feo an'Andriamanitra anie ianao androany.

🔗Batisa amin'ny feo
📖Eksodosy 19:19
"Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy."
☘️Handre ny feo an'Andriamanitra anie ianao.

🔗Batisa amin'ny afo
"Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany."
📖Asan'ny Apostoly 2 : 3
"Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany."
☘️Hijery anao manokana anie Andriamanitra androany
Ny Apostoly rehetra dia vita batisa amin'ny afo .

🔗Batisa amin'ny maso
☘️Ho ao anaty masonao anie Fanahy Masina
Izay mino sy atao batisa no ho vonjena
☘️Mba ho afaka amin'ny fijangajangana amin'ny maso anie ianao.
✝️Anio ny andro famonjena sy andro fahagagana.
☘️Andriamanitra anie hametra tanana ho anao.

🔗Batisa ny Fanahy Masina
📖Asan'ny Apostoly 2 : 4
"Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy."
Nandray
📖Asan'ny Apostoly 8:17
"Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo."
📖Asan'ny Apostoly 10:44
"Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina."

🔗Batisa ny finoana
Hametraka finoana ao anatinao anie Fanahy Masina.
Ary ho lasa olona manampinoana bé ianao.
☘️Manampinoana hanangana ny maty
☘️Manampinoana hanasitrana ny marary
☘️ Manampinoana amin'ny Zavatra rehetra ..
Manomboka androany dia ahita ny voninahitr'Andriamanitra ianao.

🔗Batisa ny fanambarana
🔗Batisa ny fahendrena
Satria fanahy Masina fahendrena
☘️Hilatsaka aminao ny Fanahy Masin'ny fahendrena
Ho Josefa amin'ny firenena maro anie ianao.🙏
☘️Tongava ho mpanapaka

🔗Batisa ny fahalalana
Andriamanitra Telo izay iray hanolotra fahalalana ho etinao mandrakizay.
🔗Batisa ny fahagagana
Ny fahagagana hampandresy anao.
Satria zanaNy ianao, hanao fahagagana anie ianao.
☘️Ahita fahany miankohaka ianao
☘️Ahita devoly ravarava ianao

🔗Batisa ny fitiavana
☘️Hanome ireo tsy mahay mitia ny Fanahy Masina androany.
☘️Hanasitrana ireo izay maratra sy tafintohina Andriamanitra

🔗Batisa ny hosotra
☘️Hisy hosotra anie ianao androany
Tongava olom-boahosotra

🙏Hilatsaka aminao anie ny afon'ny Fanahy Masina 🙏
Amen 🙏

✍️ Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana

Fanehoana an-tsary nandritran’ny Alahadin’ny PENTEKOSTA  2026 tao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Vohilengo ❤️Deraina ...
25/05/2026

Fanehoana an-tsary nandritran’ny Alahadin’ny PENTEKOSTA 2026 tao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Vohilengo ❤️

Deraina Jesosy fa nisy 12 mianadahy no natao batisa!

Ho an’i Jesosy irery ihany ny voninahitra 🙏🏼

Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia...
25/05/2026

Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. — Asan'ny Apostoly 1 : 8 🔥

Isaorana Jesosy amin’ny famangiany 🙏🏼

24/05/2026

Fotoam-bavaka PENTEKOSTA (après-midi)🔥

💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo
📆Alahady , 24 Mey 2026

24/05/2026

PENTEKOSTA VAOVAO 🔥

💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo
📆Alahady, 25 Mey 2026 (tapany maraina)

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana:

Share