26/09/2024
👉Jesosy Kristy voahombo teo @ hazo fijaliana niitondra ny heloka rehetra vitatsika.
👉 Izaho sy Hianao no tokony meloka, fa navotsitra dia Izy no Naka ny toerantsika
😍 Ny anton’izany:
➡️ Tian'Andriamanitra loatra isika
➡️ Ho fanehon’Andriamanitra amintsika Ilay natiora iray ao Aminy, izay antsoina hoe fahasoavana.
🚫 Tsy fanavotra ny zavatra tsy misy valeur.
👋 Fa ny fahasoavan’Andriamanitra kosa nanavotra antsika olombelona potiky ny faharatsiana sy tsy misy valeur intsony.
👉 Ny ran'i Jesosy Kristy no nividianana antsika teo ampelatan’ny satana.
👉 Ka izay rehetra mandray izany fanavotana na famonjena nataon'i Jesosy izany na dia efa zanaky ny devoly aza teo aloha dia tonga zanak'Andrimanitra indray.
Jaona 3:16
[16]Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.