TDG Jesus Christ

TDG Jesus Christ Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from TDG Jesus Christ, Religious organisation, Antananarivo.

Ity pejy ity dia natokana hizara ny Tenin’Andriamanitra sy ny vaovao mahafaly momba an’i Jesosy Kristy, ho fampaherezana sy ho fananganana ny finoan’ny tsirairay. ,vavaka sy fijoroana vavolombelona,mba hanampy antsika hibebaka, hanatona akaiky an’i Jesosy

11/03/2026

Aza matahotra, fa Izaho momba anao; aza mivadi-po, fa Izaho no Andriamanitrao. Hampahery anao Aho, eny hanampy anao Aho.
Isaia 41:10

Ry havana malala ao amin'ny Tompo,Andriamanitra dia fitiavana, ary ny fitiavany dia tsy miova. Na inona na inona sedrain...
10/03/2026

Ry havana malala ao amin'ny Tompo,

Andriamanitra dia fitiavana, ary ny fitiavany dia tsy miova. Na inona na inona sedraina eo amin'ny fiainana, dia aoka isika hatoky fa Izy dia eo anilantsika mandrakariva. Ny Teniny dia fanilo ho an'ny diantsika, ary ny fanantenana ao Aminy dia tsy mba mandiso fanantenana.

Toy izao no lazain'ny Soratra Masina:

Salamo 23:1-3
Jehovah no mpiandry ahy; tsy hanan-java-mahaory aho.
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

Filipiana 4:6-7
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fangatahanareo ho fantatr'Andriamanitra amin'ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana.
Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, hiambina ny fonareo sy ny sainareo ao amin'i Kristy Jesosy.

Enga anie ireto teny ireto hitondra fankaherezana sy fanantenana ho anao anio. Tsarà andro!

Amin'ny fitiavana ao amin'i Kristy,

Ity pejy ity dia natao hizara ny Tenin’Andriamanitra, ho fampaherezana ho an’izay efa manana an’i Jesosy ao am-pony, ary...
09/03/2026

Ity pejy ity dia natao hizara ny Tenin’Andriamanitra, ho fampaherezana ho an’izay efa manana an’i Jesosy ao am-pony, ary ho antso ho an’izay lavitra Azy mba hiverina Aminy indray.
Andriamanitra mbola miantso anao hibebaka sy hanatona an’i Jesosy, satria mbola misokatra ny sandriny handray anao sy hanadio ny fiainanao.

Raha mahita ity hafatra ity ianao, aza misalasala manokatra ny fonao ho an'i Jesosy.
Aza adino mi abonner amin’ny pejy, ary aza adino ny mizara azy, mba ho maro kokoa no ho tratry ny hafatry ny famonjen’i Kristy.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TDG Jesus Christ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share