05/10/2023
👉Azonao atao ny tsy hijanona ao amin'ny fasana mandrakizay.... Misy olona mieritreritra hoe rehefa maty dia izay no fiainana.... {TSIA}
Azonao hatao ny misafidy na ho ao mandrakizay na handalo fotsiny ihany dia mbola ho velona indray...
Deoteronomia
30
19. Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
Misy olona mieritreritra hoe rehefa mandeha any ampiangonana isakin'ny lahady na sabotsy dia hoe voavonjy oazy zany, na koa hoe izay manao hasa lehibe ao amin'ny kristy mandroka devoly,maminany sns.... Mety hiala le devoly satria roahina amin'ny anarany jesosy satria jesosy dia Masina. Kanefa ry havana dia tsy midika izany fa ho voavonjy ianao raha mahay manao izany rehetra izany...
Matio.7: 22. Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe:
Tompoko,
Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay?
Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? *Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy 23. Ary dia hambarako aminy marimarina hoe:
Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
Zavatra tena takian'Andriamanitra amin-tsika ry havana dia ny izao ny fahamasinana..... Hebreo
12
14. Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny tompo.
Hoavy fotoana hoavy jesosy kristy... Ary hitsangana ireo izay nanompo azy rehetra nanao sitrapony izay ao anaty ny fasana akehitriny. Ary izao..Mbola manana fotoana hibebahana hisaka mbola tsy Tara raha izao no hiverina amin'ny tompo. Ndao hanompo an'Andriamanitra amin'ny fahamariana izay vononana