24/08/2026
* Ahoana raha hovana ny Lalampanorenana, esorina ny laicité?
Ny soatoavina kristianina no atao fototra. Soratana mazava amin’ny Lalampanorenana ny andraikitry ny 🇲🇬
* Aiza ny avara-pianarana mbamin'ny manampahaizana sy mpahay lalàna?
Aiza ny mpiady hevitra eto amin’ny faceboky?
* Voasoratra ao amin’ny Lalampanorenana, ao @ Savaranonando, ny vahoaka malagasy mino an’Andriamanitra Andriananahary.
Voasoratra ao amin’ny Lalampanorenana, ao @ article 1 sy 2, ny fanjakana malagasy de fanjakana laika.
* Ahoana ny hevitrareo amin'ny resaka laicité zay voasoratra ao amin'ny Lalampanorenana?
Inona no dikan’ny hoe fanjakana laika? Ny fanjakana malagasy ve fanjakana mivavaka sa tsia?
* Ahoana raha esorina ao amin’ny Lalampanorenana ny hoe fanjakana laika ao @ article 1 sy 2?
Atao ao anaty Lalampanorenena fa ny fanjakana malagasy, fanjakana mino an’Andriamanitra Andriananahary. Ahoana no hevitrareo?
* Ny ankabeazan’ny Gasy eto kristianina, 80% amin’ny Gasy eto kristianina, araka ny statistique (t@ 2023).
* Tsara mihitsy raha betsaka ny kristianina mpivavaka manampahaizana eto, no mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena eto.
* Raha tiana hivoatra ny firenena, dia ny fanabeazana no tokony hatsaraina voalohany.
Ahoana raha averina ampianarina ny mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana eto ny Baiboly??
(Afaka atao matière facultative ny fampianarana ny Baiboly any an-tsekoly amin’ny sekolim-panjakana.)
* Ny fiangonana sy ny sekoly no mamolavola sy mampianatra ny olona eto ho lasa olom-pirenena vanona. Olo-manga ireharehan'ny firenena.
(Olo-manga = Olona mendrika amin'ny hatsaran-toetra sy fahaizana ireharehan'ny firenena.)
* Ny fanjakana sy ny fiangonana mila miaraka miasa amin'ny fampandrosoana ny firenena.
* Raha te hanangana firenena vanona, dia mila mankato ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra zay voasoratra ao amin’Ny Baiboly.
Ao amin'ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.
* Iza moa no hahay mitondra izao vahoaka marobe izao, raha tsy misy fahendrena avy amin’Andriamanitra?
* "Ny Soratra Masina rehetra, dia mahasoa hampianarana ny marina, hanitsiana ny diso." (cf. 2 Timoty 3.16, Ny Baiboly)
“Rehefa tsy misy fanambaran'ny mpaminany, dia mivarilavo ny vahoaka;
fa sambatra kosa izany vahoaka izany raha mitandrina ny lalanan'ny Tompo.” (Ohabolana 29.18)