Ambohipo Tselatra

Ambohipo Tselatra FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo

Sampana Mpanazava sy Tily

Tily eto Madagasikara

Menafifin'Ambohipo

Allô allô, mandresy daholo veeee isika jiabyyyy?? ”Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa t...
26/04/2026

Allô allô, mandresy daholo veeee isika jiabyyyy??

”Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.“
‭‭Asan'ny Apostoly‬ ‭20‬:‭22‬-‭24‬

Fivoriana Menafify🙏🏻🙏🏻

Mitombo hatrany ny ezaka amin'ny asa fanompoana sy fampandrosoana🔥🔥

👍🏼👍🏼
03/01/2026

👍🏼👍🏼

MIRARY FETY MANDRESY HO AN'ISE IZAHAY MENAFIFY AMBOHIPO TSELATRATsara ny mankalaza an'ity fety iray ity, dia ny fahatsia...
25/12/2025

MIRARY FETY MANDRESY HO AN'ISE IZAHAY MENAFIFY AMBOHIPO TSELATRA

Tsara ny mankalaza an'ity fety iray ity, dia ny fahatsiarovana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy ilay mpamonjy tany Betlehema... waouh, mahafinaritra🔥 Ary mankalaza azy daholo ny olo-jiaby...

FA NY TENA ZAVA-DEHIBE dia ise mandray ary manaiky azy ho TOMPO sy MPAMONJIN'NY FIAINAN'ISE.. ise manankina ny fiainan'ise aminy, ary AMINY IRERY IHANY.... ise tena sérieux amin'ny fiarahanareo, tsy mampirafy azy, tsy milalao fahotana, tsy mifangaro amin'ny fomban'izao tontolo izao... ise mivavaka tsara, mamaky sy mandinika Baiboly tsara, ise liana amin'ny zava-panahy, ny vokatry ny fanahy 9 hita anatin'ise, IZAY NO TENA TIAN'I JESOA...

Tsara ny mankalaza Krismasy, ary tsy misy maharatsy an'izany rahateo koa moa, fa MOA VE VELONA AO ANATIN'ISE I JESOA KRISTY ARY AO AM-PON'ISE NY TENINY??

Tahian'Andriamanitra tompoko😉

”Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.“‭‭Ohabolana‬ ‭22...
18/12/2025

”Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.“

‭‭Ohabolana‬ ‭22‬:‭6‬ ‭MG1865‬‬

Ry sefotenina sy sefo sampana maitso, manao asana pastera ise (na dia tsy pastera aza), indrindra fa rehefa fotoam-pivoriana. Jerijereo tsara ny ara-panahin'ny beazina. Asio questions pour les chrétiens matetitetika, zaro mandray anjara ao anaty vavaka ny beazina, zaro manazava Tenin'Andriamanitra, teneno ny Ray aman-dReny hampiditra azy ho mpianatra Sekoly Alahady. Tena hoe asio resaka ara-panahy foana ny zavatra rehetra raha mbola azo atao. Zaro mifona sy mifamamela heloka zareo. Zaro amin'ny lalana mahitsy ny beazina, ampilalaovy raha tratra miady na mangalatra na manompa na miteny ratsy na toy izany. Hafaro mba tsy hifoaka sigara sy hikitika zava-mahadomelina, hoe ao aorian'ny fanambadiana Kristiana vao mahazo miroso amin'ny firaisana ara-nofo. Hafaro mba hianatra tsara foana. Hafaro mba tsy hampirafy. Hazavao azy ny ady hatrehin'izy ireo rehefa lehibe mba hisy hiomanana

Amin'izay rehefa lehibe, na sampana Mena sy Menafify, na rehefa Mpiandraikitra sy filoha izy ireo dia ho Tily tsara, Tily Kristiana. Raha Tily tsara izy ireo mivoaka sampana maitso dia sahiko ny hiteny fa azo atao fitaratra eo amin'ny fiarahamonina izy

Mbola kely izy ireo dia efa folahana handeha amin'ny lalana mahitsy.

📸: Fanamby Sampana Mena

"Iza no ho namanay hamakivaky irony ala ..."✍️‎‎Fivoriana ankalamanjana voalahany amin'izao taom-panabeazana vaovao izao...
01/12/2025

"Iza no ho namanay hamakivaky irony ala ..."✍️

‎Fivoriana ankalamanjana voalahany amin'izao taom-panabeazana vaovao izao ny androany teto amin'ny menafify Ambohipo Tselatra.

‎Nafinaritra tokoa ny fivoriana satria voky ny fanahy, voky ny saina, ny vatana ihany koa tsy amban'izany.

‎Andry sy sahy🔥

Lasa izao🏃✨
08/11/2025

Lasa izao🏃✨

16/09/2025

Mankasitraka ny Tily eto Madagasikara amin'ity fizarana ity... tena hita tokoa ny voka-dratsin'ny fanariana plastika eny rehetra any... indrindra moa fa ny fandoroana azy ireny. Izany indrindra ny anton'ity fanentanana fohy ity.

'Ndao isika ho sarotiny amin'ny tontolo iainana. Mandresy tsra daholo

“Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.” Kolosiana 3:14Amin'ny anaran'...
06/09/2025

“Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.” Kolosiana 3:14

Amin'ny anaran'ny Menafify Ambohipo Tselatra no hiarahabana an'i Zoky Mandimby sy Maholy amin'izao fahavitan'ny fanamasinana ny fanambadiana Kristiana izao.✨🙏

Ho toka-trano sambatra tokoa anie.
Andry sy sahy💖

AFAKA MILAMIN-TSAINA NY FIVONDRONANA SATRIA MANANA MENAFIFY
22/08/2025

AFAKA MILAMIN-TSAINA NY FIVONDRONANA SATRIA MANANA MENAFIFY

Lasy nahafinaritra 😁
18/08/2025

Lasy nahafinaritra 😁

Address

Rue Ambohipo
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ambohipo Tselatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share