27/04/2026
✨🔥 NY HERIN'NY FAHAMASINANA 🔥✨
💔 Ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana sy fakam-panahy ary ady tsy hita maso isika Kristiana izao... misy fomba anankiray, mangina nefa mahery vaika... fomba hoentina miaro ny fanahy, manadio ny fo, ary fanantonana an’Andriamanitra bebe kokoa: ny fahamasinana.
🌿 1. Inona no atao hoe fahamasinana?
Ny fahamasinana dia midika hoe voatokana ho an’Andriamanitra, tafasaraka amin’ny ota, ary mifanaraka amin’ny toetran’i Kristy.
• Avy @ Andriamanitra no manomboka ny asa (1 Tesaloniana 5:23) 🙏
• Tsy maintsy miara-miasa amin'i Jesosy foana( Filipiana 2:12-13 ) ⚖️
Ny famelana an'Andriamanitra hiasa dia mandrava ny lainga ao amintsika ka hanambara ny mazava...
Ka izany dia mila hamoizantsika izay manimba antsika, ka hiasan' Jesosy eo @ fiainantsika...
🔥 2. Nahoana no mahery ny fahamasinana?
✨ a) Manome fahefana ara-panahy ny fahamasinana.
Ny fiainana nohamasinina dia manidy ny varavaran’ny devoly.
Raha tsy misy ny fahamasinana dia mahita irika ny fahavalo...
Fa ny fo madio kosa dia tonga fanaka be voninahitra eo anatrehan'ny Tompo.
💥 “Katsaho ny fahamasinana, fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.” ( Hebreo 12:14 ).
🌟 b) Misarika ny fanatrehan’Andriamanitra izany,
Satria Andriamanitra tsy miseho amin'ny toerana maloto...
💔 Fa rehefa madio ny fonao...
💡 Midina ny fanatrehany...
🔥 Mameno ny fanahinao ny voninahiny...
🙏 d) Mampifandray anao amin'ny fahamarinana sy ny vavaka ny fahamasinana.
Tonga amin’ny alalan’ny fahamarinana ny fanamasinana.
"Manamasìna azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." ( Jaona 17:17 ).
📖 Raha tsy misy Tenin' Andriamanitra dia maina ny fanahy...
📖 Amin'ny Teny no fanadiovana ny fo...
🌊 3. Famantarana ny fiainana nohamasinina
💔 Tsy misy fahamasinana:
• Fikorontanana ara-panahy
• Fahalemena manoloana ny fakam-panahy
• Vavaka tsy misy hery
• Malemy ny fanatrehan'Andriamanitra
🔥 Miaraka amin'ny fahamasinana:
• Filaminana sy fiadanana lalina
• Fandresena isan'andro
• Mivavaka amim-pahefana
• Fanatrehan'Andriamanitra azo tsapain-tanana
💡 Ny fiainana miova dia tsy azo afenina…fa azo tsapain-tanana…
🕊️ 4. Ahoana no hidirana amin'ny fahamasinana?
🔥 a) Manala ny tenanao an-tsitrapo amin’ny fahotana
Tsy maintsy manapa-kevitra ianao fa tsy hanome sakafo izay manimba anao intsony...
💔 Halaviro izay mampiala anao amin'Andriamanitra
💔 Tapaho ny fifandraisana izay manempotra ny fanahinao
💔 Lavina izay mandoto ny fonao
🔥 b) Miaina eo anatrehan’Andriamanitra
Mirehitra ny afon'Andriamanitra...
Diovina ny fo...
Miforona ny voa tsara …
💧 Tsy mora ny lalana…
Kanefa io ihany no lalana manome ny tena fiainana...
Ao anaty ady vé ianao, tsarovy tsy handrava anao Andriamanitra...
fa hanarina ny tenanao ho amin'ny zavatra lehibe kokoa?
💔 Nitomany ianao...
💔 Very ianao…
💔 Nijaly tao anaty fahanginana ianao...
Tsarovy:
Fa Andriamanitra tsy manala ny masony eo @ fiainanao.
Hebreo 12:14 Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana, fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
✔️ Mandany fotoana isan'andro amin'ny vavaka, na dia tsy sitrakao aza izany
✔️ Fahano amin'ny Tenin' Andriamanitra ny sainao, fa tsy ny korontana eto amin'izao tontolo izao.
✔️ Miaraha amin'ireo olona manandratra ny fanahinao
✔️ Mifidiana an'Andriamanitra, na dia sarotra aza izany.
Inona no tokony hafoinao anio mba hamela an’Andriamanitra hanova ny fiainanao?
👉 "Tompo ô, diovy ny foko ary ataovy olom-baovao aho.
Tia anao Jesosy ❤️ 🙏
.•