Vovonan'ny Tanora Paroasy N.D.A Imerinafovoany

Vovonan'ny Tanora Paroasy N.D.A Imerinafovoany Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vovonan'ny Tanora Paroasy N.D.A Imerinafovoany, Imerinafovoany, Antananarivo.

Spectacle Γ©vangΓ©lique J-6 πŸ“Œβ€οΈEfa amin'ny alahady ho avy izao ny fotoanantsika ah πŸ’β€β™‚οΈTsy andrinay sahady ny hahita anare...
09/03/2026

Spectacle Γ©vangΓ©lique J-6 πŸ“Œβ€οΈ

Efa amin'ny alahady ho avy izao ny fotoanantsika ah πŸ’β€β™‚οΈ

Tsy andrinay sahady ny hahita anareo rehetra πŸ₯°

Efa manana tapakila ve ianao ?

Aza matahoatra fa tsy mbola tara ianao raha izao vao hividy😊

Ny vidiny ? πŸ€”

πŸ”ΈTapakila tsotra : 2000 Ar
πŸ”ΈTapakila VIP : 20 000 Ar

Izany dia afaka jifainao aty aminay biraon'ny Vovonan'ny tanora(afaka mandefa hafatra miafina amin'ny pejy) na any amin'ny tanoran'ny faritraπŸ’‘

Azonao atao ihany koa ny mividy tapakila eny an-toerana

Inona ary no andrasanao ?
Ndao hiara hifaly, hihira sady hidera an' Andriamanitra πŸ™β€οΈ

Koa amin'ny alahady amin'ny 13h30 ary mifankahita aty amin'ny 𝐄𝐂𝐀𝐑 𝐍𝐃𝐀 𝐈𝐦𝐞𝐫𝐒𝐧𝐚𝐟𝐨𝐯𝐨𝐚𝐧𝐲

Retour en photos - 𝗗𝗒𝗑 π——π—˜ π—¦π—”π—‘π—š π—”π—‘π——π—œπ—”π—‘π—¬ 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟯  🩸𝐏𝐚𝐫𝐭𝐒𝐞 𝟐
13/12/2025

Retour en photos - 𝗗𝗒𝗑 π——π—˜ π—¦π—”π—‘π—š π—”π—‘π——π—œπ—”π—‘π—¬ 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟯 🩸

𝐏𝐚𝐫𝐭𝐒𝐞 𝟐

Retour en photos - 𝗗𝗒𝗑 π——π—˜ π—¦π—”π—‘π—š π—”π—‘π——π—œπ—”π—‘π—¬ 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟯  🩸𝐏𝐚𝐫𝐭𝐒𝐞 𝟏
13/12/2025

Retour en photos - 𝗗𝗒𝗑 π——π—˜ π—¦π—”π—‘π—š π—”π—‘π——π—œπ—”π—‘π—¬ 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟯 🩸

𝐏𝐚𝐫𝐭𝐒𝐞 𝟏

Ny Vovonan'ny Tanora sy ny Vaomieran'ny Fahasalamana eto anivon'ny paroasy N.D.A Imerinafovoany dia mankasitraka anareo ...
13/12/2025

Ny Vovonan'ny Tanora sy ny Vaomieran'ny Fahasalamana eto anivon'ny paroasy N.D.A Imerinafovoany dia mankasitraka anareo rehetra, tonga nanome rΓ  tamin' ny DON DE SANG ANDIANY FAHA-3 izay natao tamin'ny herinandro lasa teo

Satria tsy misy hono, ny manam-pitiavana lehibe noho izay mahafoy ny ainy ho an'izay tiany 🎢, nefa dia nafoinareo tamin'ny rà-nareo tokoa izany, ho an'ireo namantsika rehetra eny amin'ny toeram-pitsaboana maro samihafa

Ho anay dia "super héros" avokoa ianareo rehetra 🦸

Koa misaotra ary nizara fitiavana sy nampitempo ny fon'ny rehetra niaraka taminay 😁✨

🩸+🩸= ❀

❀️🀍

Manasa anareo rehetra indray ary, hanohana ireto manga feon'ny fiangonana ireto 😁   ✨
07/12/2025

Manasa anareo rehetra indray ary, hanohana ireto manga feon'ny fiangonana ireto 😁

✨

Am-pifaliana lehibe no ilazana amintsika fa mivoaka amin'ny fomba ofisialy ny raki-tsary Album Vol 02 ny choeur Rantsan'i Kristy Mpanjaka❀
Izy ity dia anisan'ny tsangambato lehibe ny Jobily faha 25taona nijoroanay izay mbola ho hita eny ihany ny akony😍

Fa etoana dia manentana antsika rehetra aminy fandraisana anjara sy fanohanana aminy vidiny 25.000ar monja😚
Afaka miditra mp aminy mpikambana na koa eto aminy pejy anh na manantona eny aminy fiangonana anio Alahady fa miandry anareo eny izahay☺❀

Misaotra sahady amin'ny fanohanana


Fifaliana ho anay Vovonan'ny Tanora ,  miaraka amin'ny Vaomieran'ny fahasalamana eto amin'ny Paroasy N.D.A. Imerinafovoa...
24/11/2025

Fifaliana ho anay Vovonan'ny Tanora , miaraka amin'ny Vaomieran'ny fahasalamana eto amin'ny Paroasy N.D.A. Imerinafovoany, ny mikarakara amin'ity taona ity indray, ny hetsika DON DE SANG ANDIANY FAHA-3 na fanomezana rà an-tsitrapo ✨🩸

Amin'izao fidirana amin'ny vanim-potoanan'ny Avent izao,dia entanin'ny fiangonana isika hanao asa fitiava-namana . Ary fomba iray, hahafahanareo manao izany, ny fanomezana rΓ . πŸ‘¨β€πŸ«

Fantatrao ve fa mety hahavonjy fiainan'olona 3 ny fanomezan-drΓ  ataonao indray mandeha? πŸ’‘

πŸ’ͺManana fahefana ianao androany, hanavotra ireny namantsika efa ao anaty fahadisoam-panantenana tanteraka ireny.

πŸ‘‰Koa 'ndao indray Γ ry hiombona aminay amin'ity hetsika fanehoam-pitiavana lehibe ity

🩸Ho fanahafana an'i Jesoa Kristy izay nahafoy ny AINY, ny RΓ€NY ho antsika teo ambony HazoFijaliana πŸ₯ΉβœοΈ

πŸ•’Daty: 06 Desambra 2025 manomboka amin'ny 8 ora maraina
πŸ“ Toerana: Sekoly Saint Jean Baptiste de la Salle Imerinafovoany

'Ndao àry e, entano ny namana, ny havana sy ny manodidina anareo rehetra hiara-haneho fitiavana, hiara-hampitempo ny fon'ny rehetra sy hizara fitiavana amin'ny alalan'ny fanomezan-drà an-tsitrapo ❀

Koa raha :
βœ… anelanelan'ny 18 sy 60 taona ianao
βœ… ary milanja mihoatry ny 50kg

Dia misokatra ho anao ny fisoratana anarana
➑️na eto amin'ny pejy
➑️na ao amin'ny Sekreteran'ny fiangonana
➑️na any amin'ireo mpiandraikitry ny Vovonana.

🩸+🩸= ❀

❀️🀍

Tao anatin'ny fankalazana ny Andron'ny Tanora teto amin'ny paroasy 𝐍.𝐃.𝐀. 𝐈𝐦𝐞𝐫𝐒𝐧𝐚𝐟𝐨𝐯𝐨𝐚𝐧𝐲 dia nisy ny hetsika fampivondro...
22/11/2025

Tao anatin'ny fankalazana ny Andron'ny Tanora teto amin'ny paroasy 𝐍.𝐃.𝐀. 𝐈𝐦𝐞𝐫𝐒𝐧𝐚𝐟𝐨𝐯𝐨𝐚𝐧𝐲 dia nisy ny hetsika fampivondronana ny tanora nokarakarainay Vovonana anio 22 Novambra 2025.

Tao anatin'izany dia nisy ny :

🧹fanadiovana ny fiangonana malalanay

πŸ‘¨β€πŸ« ny famelabelaran-kevitra mikasika ny fiainan'ny tanora amin'ny ankapobeny

πŸ•ŠοΈary ny lamesa, izay niarahanay sy ireo tanora tonga nikarakara mba ho fampidirana an'izy ireo sahady, amin'izany fitaritana litorjia izany

Voalohany dia isaorana ianareo ray aman-dreny, nahatoky anay, ka nandefa ny zanakareo.
Misaotra amin'ny fandrisihina ny zanakareo amin'ny fandraisana andraikitra dien'izao mbola tanora izao πŸ™.

Fa indrindra indrindra, isaorana mitafotafo be ianareo tanora rehetra tonga androany, niombona, nahafoy fotoana, ary ihany koa, nizara tsiky 😁✨

Ary ho antsika tanora rehetra na ireo efa misehatra na tsia,indrindra ny avy eto Imerinafovoany, ndao hifanome tanana, hanolotra ny hatanorana sy ny tanjantsika, hiara dia hatrany, hanasoa ny Eglizy sy izao tontolo izao

Ireto misy sary vitsivitsy azo tamin'ny androany πŸ˜‰πŸ“·

Anio 22 Oktobra dia mankalaza ny fetinay izahay Vovonan'ny Tanora eto amin'ny Paroasy NDA Imerinafovoany izay arovan'i 𝐌...
22/10/2025

Anio 22 Oktobra dia mankalaza ny fetinay izahay Vovonan'ny Tanora eto amin'ny Paroasy NDA Imerinafovoany izay arovan'i 𝐌𝐝 π‰π¨πšπ§π² 𝐏𝐚𝐨π₯𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚 - 𝐈𝐈

Fa mba iza marina moa ity olomasina mpiaro anay ity ?

I Md Joany Paoly faha - II, na i Karol JΓ³zef WojtyΕ‚a dia teraka ny 18 Mey 1920 tany Wadowice (Pologne)

Raha ny tantaram-piainany no jerena, dia olona tena vontom-pinoana sy tia olombelona ny tenany ; ary anisan'ireo nanao izay tratry ny ainy mba hisian'ny filaminana eto amin'izao tontolo izao .

Ankoatr'izany rehetra izany nefa dia nanana fifandraisana akaiky tamintsika tanora koa izy io, satria nony fahavelony, dia nino tanteraka izy fa isika no ho avin'ny Eglizy sy izao tontolo izao .

Ka izany indrindra no antony nitarihiny ny JMJ voalohany ny 1985 (eny, izy no loharano nipoiran'ilay fotoan-dehibe natao hihaonantsika tanora rehetra iny,izay mbola ankalazaina hatramin'izao 😁)

Koa ity ary misy hafatra avy aminy ho antsika tanora rehetra :

"𝑅𝑦 π‘‘π‘Žπ‘›π‘œπ‘Ÿπ‘Ž, π‘Žπ‘π‘’π‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘œ π‘Žπ‘šπ‘–π‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ 𝑛𝑦 π‘“π‘Žπ‘›π‘Žπ‘›π‘‘π‘’π‘›π‘Žπ‘˜π‘œ : π‘–π‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ π‘‘π‘–π‘Ž π‘›π‘Žπ‘‘π‘Žπ‘œ β„Žπ‘œ π‘šπ‘π‘Žπ‘›π‘Žπ‘›π‘”π‘Žπ‘›π‘Ž . πΌπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ 𝑛𝑦 β„Žπ‘œ π‘Žπ‘£π‘–π‘›'π‘–π‘§π‘Žπ‘œ π‘‘π‘œπ‘›π‘‘π‘œπ‘™π‘œ π‘–π‘§π‘Žπ‘œ, π‘Žπ‘Ÿπ‘¦ π‘Žπ‘œ π‘Žπ‘š-π‘π‘œπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ 𝑠𝑦 𝑒𝑛𝑦 π‘Žπ‘š-π‘π‘’π‘™π‘Žπ‘‘π‘Žπ‘›π‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ 𝑛𝑦 π‘§π‘Žπ‘£π‘Ž-π‘‘π‘Ÿπ‘’β„Žπ‘’π‘‘π‘Ÿπ‘Ž π‘–π‘™π‘Žπ‘–π‘›π‘Ž β„Žπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘›π‘”π‘Žπ‘›π‘Ž π‘–π‘§π‘Žπ‘›π‘¦ . π΄π‘Ÿπ‘¦ π‘Žπ‘šπ‘–π‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ π‘›π‘œ π‘Žπ‘›π‘Žπ‘›π‘˜π‘–π‘›π‘Žπ‘›'π΄π‘›π‘‘π‘Ÿπ‘–π‘Žπ‘šπ‘Žπ‘›π‘–π‘‘π‘Ÿπ‘Ž 𝑛𝑦 π‘–π‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘Ž π‘ π‘Žπ‘‘π‘¦ π‘ π‘Žπ‘Ÿπ‘œπ‘‘π‘Ÿπ‘Ž π‘›π‘œ π‘šπ‘Žπ‘ π‘–π‘›π‘Ž, 𝑛𝑦 β„Žπ‘–π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘Ž β„Žπ‘–π‘Žπ‘ π‘Ž π΄π‘šπ‘–π‘›π‘¦, π‘˜π‘Ž β„Žπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘šπ‘π‘¦ π‘Žπ‘§π‘¦ β„Žπ‘–π‘§π‘Žπ‘Ÿπ‘Ž π‘“π‘–π‘‘π‘–π‘Žπ‘£π‘Žπ‘›π‘Ž π‘’π‘Ÿπ‘Žπ‘›'π‘–π‘§π‘Žπ‘œ π‘‘π‘œπ‘›π‘‘π‘œπ‘™π‘œ π‘–π‘§π‘Žπ‘œ."

- 𝐏𝐚𝐩𝐚 π‰π¨πšπ§π² 𝐏𝐚𝐨π₯𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚 - 𝐈𝐈, 𝐓𝐨𝐫𝐨𝐧𝐭𝐨 (𝐉𝐨π₯𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟎𝟐)

✨Ao anatin'ny FANKALAZANA NY FETIN'NY FIANGONANA EKAR N.D.A. Imerinafovoany, dia fifaliana ho anay ato amin'ny Vovonan'n...
08/08/2025

✨Ao anatin'ny FANKALAZANA NY FETIN'NY FIANGONANA EKAR N.D.A. Imerinafovoany, dia fifaliana ho anay ato amin'ny Vovonan'ny tanoran'ny fiangonana indray ny manasa anao ho avy amin'ny Alim-bavaky ny Tanora izay karakarainay ny Alakamisy 14 Aogositra 2025.

Hisy famelabelaran-kevitra maro amin'izany izay mifantoka indrindra amin'i Masina Maria sy ny fiainan'ny tanora.

Manomboka amin'ny 5 ora hariva ny fotoana, izay sokafana amin'ny antsam-panahy. Ary efa amin'ny afisy avokoa ny andinindininy rehetra.

πŸ‘‰Aza misalasala manatona ny fiangonana na ny mpiandraikitra tanora eto amin'ny fiangonana raha mila fanazavana fanampiny.

Manantena hihaona finaritra aminao izahay.

Samia tahian'Andriamanitra daholo. ❀️

❀ MANOMEZA RΓ€, HO FANAVOTANA AINA❀🩸Fantatrao ve fa mety hahavonjy fiainan'olona 3 ny fanomezan-drΓ  ataonao indray mandeh...
18/11/2024

❀ MANOMEZA RΓ€, HO FANAVOTANA AINA❀

🩸Fantatrao ve fa mety hahavonjy fiainan'olona 3 ny fanomezan-drà ataonao indray mandeha? Manana fahefana ianao androany ho mpanavotra ireny namantsika efa ao anaty fahadisoam-panantenana tanteraka ireny.

πŸ‘‰Ka 'ndao indray Γ ry hiombona aminay amin'ity hetsika fanehoam-pitiavana ity: DON DE SANG na fanomezan-drΓ  an-tsitra-po.

πŸ•’Daty: 30 Novambra 2024 amin'ny 9 ora maraina
πŸ“ Toerana: Sekoly Saint Jean Baptiste de la Salle Imerinafovoany

❗Ny fanaovana asa fitiava-namana, asa-soa dia tsy voatery amin'ny alalan'ny tolotra fitaovana na vola foana, fa manana zavatra sarobidy mihoatra lavitra noho izany isika, anisan'izany ny rΓ -tsika🩸

❀Fa indrindra indrindra fanahafana an'i Jesoa Kristy izay nahafoy ny AINY, ny RΓ€NY ho antsika teo ambony HazoFijaliana πŸ₯ΉβœοΈ

'Ndao àry e, entano ny namana, ny havana rehetra hiara-haneho fitiavana, hiara-hampitempo ny fon'ny rehetra isika amin'ny alalan'ny fanomezan-drà an-tsitrapo ❀

πŸ“Fisoratana anarana: eto amin'ny pejy, ao amin'ny Sekreteran'ny fiangonana, any amin'ireo mpiandraikitry ny Vovonana.

Β«Ny rΓ  dia ho famantarana ny hitsimbinana anareoΒ» Eksaody 12,13a

🩸+🩸= ❀

❀️🀍

Address

Imerinafovoany
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vovonan'ny Tanora Paroasy N.D.A Imerinafovoany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share