Ora Farany

Ora Farany Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ora Farany, Religious organisation, Antananarivo.

➡️Fantatrao ve ❓➡️Efa nampahitan'Andriamanitra an'i Daniela mpaminany mialohaNy fanjakana rehetra izay nifandimby➡️Ary n...
13/01/2024

➡️Fantatrao ve ❓

➡️Efa nampahitan'Andriamanitra an'i Daniela mpaminany mialoha
Ny fanjakana rehetra izay nifandimby

➡️Ary ny fanjakana Farany izay mialoha ny Fihavian'i Jesosy Kristy indray haka ny FIANGONANA

➡️Ny fanjakana farany izay '' fanjakana tokana'' hitondra sy hifehy izao tontolo izao ao anatin' ny fito taona farany (Daniela 9:27)
Mialoha ny fanjakana 1000 taona, izay hanjakan'i Jesosy Kristy miaraka amin'ny olom-boavonjy

➡️Toy izao ny nandikan'i Daniela ny nofin'ny mpanjaka Nebokadnezara (mpanjakan'i Babylona) :

📖Ianao, ry mpanjaka o, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra. Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra. [*Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja] — Daniela 2 : 31 - 35

Araho hatrany ny page Facebook , ahafantaranao ny antsipirihany ny lesona mahakasika izany.

👉Arahinao tsy ho ela eto Ny famakafakana ny '' Boky Daniela'' 📖 dia ny Fahitana izay hitany tamin'ny nofy nampahitan' An...
07/01/2024

👉Arahinao tsy ho ela eto
Ny famakafakana ny '' Boky Daniela'' 📖 dia ny Fahitana izay hitany tamin'ny nofy nampahitan' Andriamanitra azy.

Satria mbola mihatra hatramin'ny andro ankehitriny izao izany

📖Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana. — Daniela 10 : 14

[email protected]
033 96 400 96
034 16 569 49

Ora Farany Arahanao tsy ho ela eto ny famakafakana lalina ny '' Boky Apokalypsy'' 📖satria efa antomotra ny andro,Ora Far...
07/01/2024

Ora Farany

Arahanao tsy ho ela eto ny famakafakana lalina ny '' Boky Apokalypsy'' 📖
satria efa antomotra ny andro,Ora Faranyy izao !

👆Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana;
ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy,
dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. — Apokalypsy 1 : 1 - 3

[email protected]
033 96 400 96
034 16 569 49

🕛Akaiky ny fihaviany Jesosy Kristy !📖Hoy ny Soratra Masina :👉efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany...
04/01/2024

🕛Akaiky ny fihaviany Jesosy Kristy !

📖Hoy ny Soratra Masina :

👉efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [*Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [*Na: maniry mafy] Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. — II Petera 3 : 3 - 13

Ora Farany 🌑Ary handre ady sy filazana ady ianareo;  Matio 24 : 6
04/01/2024

Ora Farany

🌑Ary handre ady sy filazana ady ianareo;
Matio 24 : 6

🔥Efa miseho avokoa ireo famantarana izay mialoha ny Fihavian'i Jesosy Kristy indray👉Tsy ho ela intsony izany, efa tena m...
30/11/2023

🔥Efa miseho avokoa ireo famantarana izay mialoha ny Fihavian'i Jesosy Kristy indray

👉Tsy ho ela intsony izany, efa tena manakaiky ny fotoana raha toe-java misy ankehitriny

Ho avy Jesosy Kristy,
Manao ahoana ny toe-panahinao hitarika izany
Efa vonona ve ianao?
Ora Farany tokoa izao!

[email protected]
033 96 400 96

Rehefa mihoam-pefy ny zanak'olombelona noho ny fahotana sy ny faharatsianaDia tonga Andriamanitra amin'ny fitsarana miva...
29/11/2023

Rehefa mihoam-pefy ny zanak'olombelona noho ny fahotana sy ny faharatsiana
Dia tonga Andriamanitra amin'ny fitsarana mivantana ka mandatsaka afo avy any an-danitra 🔥

Amin'izao izao dia tsy mitsahatra mitombo ary efa mitehika amin'ny lanitra ny fahotan'ny olona

Nefa dia tsy maintsy ho toy izany ihany no hiseo Araka ny Soratra Masina:
Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy
II Petera 3 : 10

Noho izany, aleo miambina mandrakariva isika fOra Faranyyy izao

[email protected]
Contact: 033 96 400 96
034 16 569 49

Nanao fanambarana ny filoha USA   nankany  , nandamina ny Ady misy eo @   sy ny   ary ny   .Ao ambadik'izany ny fahatant...
04/11/2023

Nanao fanambarana ny filoha USA nankany , nandamina ny Ady misy eo @ sy ny ary ny .
Ao ambadik'izany ny fahatanterahan'ny Baiboly fa miaraka sy miaro ny firenena Jiosy foana ny firenena Amerikana mandra-pahatapitrin'ny Ady eto tontolo izao .
APOKALYPSY 12:14
Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy

Ora Farany ISIRAELY DIA FAMANTARANANDRO-PAMINANIAN'NY BAIBOLY👉Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy:* Raha vao man...
04/11/2023

Ora Farany

ISIRAELY DIA FAMANTARANANDRO-PAMINANIAN'NY BAIBOLY
👉Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy:*
Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
👉Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany,
dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy
📖 Matio 24 : 32-33

🚫Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. 👉Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao...
04/11/2023

🚫Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao.
👉Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
👉Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny 🔴filan'ny nofo sy ny 🔴filan'ny maso ary ny 🔴rehaka momba izao fiainana izao,
dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
👉Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Rankizy, izao no Ora Farany , ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny* antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. I Jaona 2 : 15 - 18

Address

Antananarivo

Telephone

+261339640096

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ora Farany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Ora Farany:

Share