Tanora irak’i Kristy

Tanora irak’i Kristy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tanora irak’i Kristy, Christian church, Antananarivo.

21:57✝️ Tsarovy, io Jiolahy io, rehefa niaiky ny fahotany eny fa na dia teo ampialana aina aza dia mbola noraisin’i Jeso...
30/03/2026

21:57

✝️ Tsarovy, io Jiolahy io, rehefa niaiky ny fahotany eny fa na dia teo ampialana aina aza dia mbola noraisin’i Jesoa tao am-paradisa.

🕊️ Aza adinoina, fa Jiolahy rain-dahiny no nandova ny paradisa voalohany satria niaiky ny helony izy ka noraisin’i Jesoa.

💡 Tadidio fa ora farany alohan’ny nialany aina izany ora nanapahany hevitra hibebahana izany.

⚠️ Ianao io koa: mbola tsy tara, ilay ora farany no hamaritra ny mandrakizay anao.

❌ Aza marary andoha amin’ny fitsaran’olombelona. Ary aza vizana sy seriny amin’ny fanamarinan-tena. Fa na dia ny segondrantsika aza tsy fantatsika.

✅ Tapaho ny hevitra, andao hibebaka


😊Fiadanana e!! 😲Mandeha zareo ny fotoana an!! Miditra sahady amin’ny herinandro masina isika. Herinandro tena hifantohan...
30/03/2026

😊Fiadanana e!!

😲Mandeha zareo ny fotoana an!! Miditra sahady amin’ny herinandro masina isika. Herinandro tena hifantohantsika amin’ny lalan’ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy

🌿 Omaly ilay Alahadin’ny sampan-drofia, ilay nanandratana an’i Jesoa ho Mpamonjy. Ary nanomboka teo ny fijalian’i Jesoa.

💡 Ny lalan’ny hazo fijaliana dia midika tokoa fa niharitra i Jesoa. Ary niaritra am-pitiavana sy amim-panetre-tena.

❤️ Andao isika amin’ity herinandro masina ity hizara fitiavana sy famindram-po amin’ireo akaiky antsika.



Tsara hariva e!! 😊 Nanao ahoana izany ny tontolo andronao anio? 😊 Mino zahay fa tena nanehoan’i Jesoa ny voninahiny ny f...
25/03/2026

Tsara hariva e!! 😊

Nanao ahoana izany ny tontolo andronao anio? 😊 Mino zahay fa tena nanehoan’i Jesoa ny voninahiny ny fiainanao.

☝️ Fa ity misy lohahevitra iray tena tsara ho antsika Tanora irak’i Kristy:

🌳 Ny Tanora sy ny resadresaka ambadika 🌳

⛔️ Tandremo ny resadresaka an-dalantsara. Izay feo renao, tazomy ho anao irery.

⛔️ Raha tsy misy idiranao, fadio ny misikotsikotra fiainan’olona.

❌ Maro no rava amin’io kiresadresaka io. Ary mahavariana dia isika tanora dia mora hazom-pakam-panahy amin’ity resadresaka ity!!

📖 Hoy indrindra ny bokin’ny ohabolana 16:28 hoe: « Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza. »

⚠️ Ataovy an-tsaina manomboka izao fa io kiresadresaka io dia MAMPIADY sy MAMPISARAKA ny mpisakaiza.

⚠️ Aoka ho fantatsika tanora fa ny FISARAHANA sy FAMPIADIANA ary FIALONANA dia tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’i satana.

🕊️ Raha tanora irak’i Kristy isika, aoka hijoro ho mpampihavana mandrakariva ary alaviro ny FAMPIADIANA sy FAMPISARAHANA.


Fiadanana e!! 😊Matetika isika rehefa maraina dia vizambizana, 😫 Valabalaka, trotraka sahady miheritreritra ny miandry ho...
25/03/2026

Fiadanana e!! 😊

Matetika isika rehefa maraina dia vizambizana, 😫
Valabalaka, trotraka sahady miheritreritra ny miandry ho an’ny anio 🥺

Ao ny miasa saina hoe: inona no hiseho? 😭
Iza no hiantso hitaky trosa? 🥺
Hivaly ve ilay demande nalefako tamin’ny herinandro?😢
Inona no hoanin’ireto ankohonako? 😫

Fa androany indray dia miteny aminao Jesoa hoe:

« Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy. » Filipiana 4:13

Soloy anaranao ilay « aho » ao amin’io tenin’Andriamanitra io. Aorian’izay dia mitsangana fa vitanao io!! ❤️😊✅


🥺 22:54 —> Izao ora izao tokoa no ora nomen’i Jesoa hitodihantsika tanora Aminy. 🥺 Aza mihevi-tena ho zavatra, aza manam...
24/03/2026

🥺 22:54 —> Izao ora izao tokoa no ora nomen’i Jesoa hitodihantsika tanora Aminy.

🥺 Aza mihevi-tena ho zavatra, aza manamafy fo.

🥺 Mety ianao ve ilay mitoky amin’ny zavatra mora lo ety an-tany?

🥺 Mety ianao ve ilay anaty ady sarotra sy olana goavana amin’izao? Mety mitady asa nefa tsy mahita? Manana trosa goavana nefa tsy mety afaka?

💡 Amin’izao Karemy izao, amin’ity alina ity, aza mitoky amin’ny herinao intsony, aza mijery ny tanjaky ny haren’ny ray aman-dreny na ny iray tampo na ny namana.

❤️ Andao hiverina amin’ilay fitiavana voalohany. Andao hibebaka sy hifona isika. Hanaiky fa DISO sy MPANOTA ka mila vonjy avy amin’i Jesoa Kristy irery ihany.

🌿 Andao tsy angataka na inona na inona ankoatra ny famelan’Andriamanitra ny fahotantsika amin’ny mbola maha tanora fanahy antsika.

🕊️ Ekeo fa miasa fatratra isika satria mitady vahaolana ety an-tany sy litoky amin’olona foana.

🕊️ Ekeo fa mavesatr’entana isika satria maro ny mbola mangeza antsika tsy ahitantsika vahaolana. Mety eo am-pitadiavana asa, famahana trosa, fitadiavana vahaolana maro.

📖 Na dia mpanota aza isika dia hoy Jesoa amin’ity alina ity hoe: « Mankanesa aty amiko ianareo miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho hanome anareo fitsaharana » Matio 11:28


« Tanora mahay mihary: miasa ny taniny, voky hanina » 😫Maro ny tanora ankehitriny no mivezivezy, mitady asa. Misy indray...
24/03/2026

« Tanora mahay mihary: miasa ny taniny, voky hanina »

😫Maro ny tanora ankehitriny no mivezivezy, mitady asa. Misy indray ireo izay manao asa mba ahazoana vola fa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

💡 Raha ny Ohabolana 12:11 no jerena dia hoy indrindra ny teny manao hoe: “Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; fa izay manenjika zavatra tsy misy antony dia tsy ampy saina. ”

🔹 Raha ho jerentsika ny tian’ny bokin’ny Ohabolana ho lazaina ho antsika tanora dia izao:

🌿Miasa ny taniny → Manambara ny fahazotoana sy ny fahaiza-manao amin’ny asa. Ny tanora mahay mihary dia tsy miandry fotsiny fa mandray andraikitra amin’ny asa sy ny fivelomana.
🌿Ho voky hanina → Mampiseho fa ny vokatra azo avy amin’ny asa dia mitondra fahampiana sy fiadanana.
🌿Manenjika zavatra tsy misy antony → Fampitandremana ho an’ny tanora mba tsy ho voafandrika amin’ny fitiavan-javatra vetaveta sy tsy maharitra.

🔹 Ny hafatra izany dia:

Ny tanora mahay mihary dia:

✅Mandray andraikitra amin’ny asa sy ny fivelomana.
✅Mahay mandamina sy mitantana izay eo am-pelatanana.
✅Mampifandray ny asa amin’ny fahendrena sy ny finoana.
✅Miala amin’ny zavatra tsy misy antony, fa mifantoka amin’ny asa maharitra sy manome vokatra.


“Tanora tsy menatra mitory: fitaratra amin’ny fiainana”📖 1 Timoty 4:12“Aza avela hanamavo anao ny olona noho ny fahatano...
23/03/2026

“Tanora tsy menatra mitory: fitaratra amin’ny fiainana”

📖 1 Timoty 4:12

“Aza avela hanamavo anao ny olona noho ny fahatanoranao, fa meteza ho fakan-tahaka amin’ny mpino amin’ny teninao, amin’ny fiainanao, amin’ny fitiavanao, amin’ny finoanao, amin’ny fahadiovanao.”

🔍 Ry Tanora namako:

🌿 Tsy sakana ny fahatanorana amin’ny fitoriana. Na tanora aza, dia afaka mitarika, mampianatra, ary manentana.
🌿Fakan-tahaka amin’ny fiainana: Ny fitoriana dia tsy amin’ny teny ihany, fa amin’ny fihetsika sy ny fiainana manontolo.
🌿Dimy amin’ny fiainana kristiana no asongadin’i Paoly:
🕊️Teninao: Aoka ho feno fahendrena sy fahamarinana ny teny lazainao.
🕊️Fiainanao: Aoka ho hita amin’ny fihetsika sy safidy andavanandro ny finoana.
🕊️Fitiavanao: Mampisehoa fitiavana marina amin’ny olona rehetra.
🕊️Finoanao: Aoka ho mafy o***a sy velona ny finoana.
🕊️Fahadiovanao: Miaina amin’ny fahamasinana sy fanoloran-tena.

🌳 Andao isika hifoha,

Tsy sakana ny taona amin’ny fitoriana. Ny Tenin’Andriamanitra dia manentana antsika tanora ho fitaratra amin’ny fiainana sy amin’ny fitoriana. Aoka isika ho fakan-tahaka amin’ny teny, amin’ny fihetsika, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana. Izany no antso ho an’ny Tanora irak’i Kristy: mitory amin’ny fiainana, tsy amin’ny teny ihany. Aoka tsy hanamavo antsika ny olona, fa ho hitany fa Andriamanitra velona no iankinan’ny tanorantsika.”


Address

Antananarivo
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tanora irak’i Kristy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share