23/04/2026
đ Mampianara anay 015
âFINOANA TOY AHOANA?â (Lioka 18:8)
Lioka 18:8 MRV
[8] Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy. Kanefa, raha avy ny ZanakâOlona, moa hahita finoana etáťł amboninâny tany va Izy?
â Misy olona mivavaka dia mahazo valim-bavaka ara-materialy, dia mihevitra fa izay no no atao hoe âfinoana marinaâ.
Fa Jesosy kosa mametraka fanontaniana lalina :
âRaha tonga ny Zanakâolona, hahita finoana ety amboninâny tany ve Izy?â
đŠâ𦳠Ao aminâilay fanoharana (Lioka 18:1-8), ilay mpitondratena dia tsy nanana fifandraisana akaiky taminâilay mpitsara.
Tsy mpinamana mihitsy izy ireo, tsy nisy fihavanana, tsy nisy ârelationâ.
đ Ny hany nisy dia fangatahana maharitra sy fikirizana bontolo.
âĄď¸ Ka ny valiny nahafa-po azon'ilay mpitondratena dia tsy avy aminâny fifandraisana, fa avy aminâny faharetanâny fangatahany sy noho ny fahasorenan'ilay mpitsara tsy marina.
â ď¸ Eto no misy fampitandremana ara-panahy :
Misy olona koa mivavaka aminâAndriamanitra tahaka izany ihany :
mangataka rehefa misy olana
mahazo zavatra indraindray
dia mihevitra fa izany no tena finoana ankasitrahan'Andriamanitra
â Fa tsy izany anefa no tanjonâAndriamanitra farany.
âď¸ Ny finoana tena tianâAndriamanitra dia tsy âfinoana fangatahana (mimi) fotsinyâ, fa :
đ finoana mifototra aminâny fifandraisana lalina sy akaiky aminâAndriamanitra aminâny alalanâi Jesoa Kristy (Jaona 15)
Izany hoe :
tsy Andriamanitra ampiasaina rehefa misy olana
fa Ray ianteherana sy ifandraisana isanâandro
đĄ Misy finoana âutilitaireâ (mifantoka aminâny zavatra azo)
fa misy kosa finoana ârelationnelleâ (mifantoka aminâAndriamanitra mihitsy)
đ Ny voalohany mety mihetsika rehefa mila zavatra
đ Ny faharoa mijanona na mahazo na tsy mahazo
â
ď¸FEHINY :
đĽ Noho izany, ny fanontaniana lehibe dia tsy hoe :
âMahazo valim-bavaka ve ianao?â
fa hoe :
đ âMisy fifandraisana velona sy lalina aminâAndriamanitra ve ao aminao aminâny alalanâi Kristy?â
đ Koa rehefa tonga ny Zanakâolona,
tsy ny isanâny fahagagana na valim-bavaka azonao no hojerena voalohany,
fa ny kalitaonâny finoana sy ny fifandraisanao taminâAndriamanitra.