23/02/2026
Alahady 22 Febroary 2026
"Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra; sady hitomboanareo amin'ny asa tsara rehetra;" 2Kor. 9 : 8
Ho Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.
Tontosa soamantsara tamin'ny Alahady teo ny Fametrahana ho Mpitandrina Raikitra ny Mpitandrina RAKOTONDRASOA Nomena Arijaona Jonah Mianakavy, notron'ny Synodam-paritany Antananarivo Avaratra sy ny Filoha teo aloha RANAIVO Rabevary Mpitandrina.
Teo ihany koa ny Fiarahana misakafo ny amin'ny nahatratrarana ny Taona Vaovao 2026.