25/07/2026
Tontosa androany ny hetsika nataon'ny fikambanana ifanampiana an'ny tsatokan'ny Ampitatafika
Nisafidy ny hanompo teny amin'ny trano Fitiavana andohatapenaka izy ireo,
Nanasa lamba, nikarakara zaridaina, nanjaitra, nanadio, nitsipom-bary, sns...
Nanolotra fanomezana hoan'ity trano Fitiavana ity ihany koa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany androany,
Misaotra ireo rehetra nandray anjara tamin'ity hetsika ity ary ankasitrahantsika ihany koa ireo mpitarika nikarakara sy ireo paroasy rehetra