20/02/2026
Vanim-potoana Karemy isika izao
✨Ny fotoana toy izao dia manan-danja lehibe eo amin’ny eglizy
💜Mandray anjara amin’ny fanomezan-danja izany ihany koa ny Sekoly ary iavahan’ny Sekoly Katôlika amin’ny sekoly rehetra izany.
- Beazina ny mpianatra mba hahatonga azy ho mpanome lanja ny finoana
- Ampianarina azy ny mikasika ny karemy mba tsy hahatonga azy hanao tsinontsinona ny famonjen’i Jesoa azy.
- Taomina hanao ny onitry ny karemy sahady izy na dia mbola anatin’ny fahazazany aza.
✨Fa mazava ny voasoratra hoe « Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany dia tsy hiala amin’izany izy , na rehefa antitra aza »
Manasa anao hanaraka tsy tapaka ny pejy ✨💜