SILOE MADA

SILOE MADA Jɛaռ 9. 7

👹 Satana dia manam-pahaizana amin'ny fanafihana ny sain'ny olona, satria fantany fa ao no mahatonga korontana sy mampisa...
16/06/2023

👹 Satana dia manam-pahaizana amin'ny fanafihana ny sain'ny olona, satria fantany fa ao no mahatonga korontana sy mampisalasala ny olona Amin'Andriamanitra.
👺 Ny fikasany dia ny handroaka ny zavaboary amin'ny nahary azy araka izay azony atao, amin'ny alalan'ny ahiahy, ka tsy hahatoky an'Andriamanitra intsony.
⛑ Tadidio fa ny fisainana miiba rehetra dia avy amin'ny fahavalo, satria ny hany tadiaviny dia ny hanimba sy ny hanakorontanana ny olombelona.

🖤 Tsy fantatro ny fihetseham-ponao amin'izao fotoana izao na ny toe-javatra lalovanao.
Fa na dia toa maizina sy tsy misy fanantenana aza ny zavatra rehetra dia tiako ho fantatrao fa tsy irery ianao ary misy fanantenana.

📖 Ny Tenin'Andriamanitra dia milaza amintsika fa Jehovah tsy mba mandao antsika.
🗞 dia manondro hoe: Aza matahotra fa momba anao Aho; aza mivadi-po, fa Izaho no Andriamanitrao; hanome hery sy hanampy anao Aho;...

📃 Ao amin'ny dia hoy izy: Tsy hisy olona hahatohitra anao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i MOSESY no homba anao Aho;
tsy handao anao na hahafoy anao Aho. Ny amin'ny zavatra rehetra.

📍 Aza adino fa momba anao Andriamanitra ary eo anilanao mandrakariva Izy, mandra-pahatongan'ny farany.
Aza avela hamitaka anao ny fisainanao ka hanalavitra anao amin' Andriamanitra.

Mitadiava an'i Jehovah sy ny herinykatsaho mandrakariva ny tavany
10/05/2023

Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny
katsaho mandrakariva ny tavany


12/01/2023



🔸 Raha ataonao voalohany Andriamanitra am dingana rehetra dia tonga am tanjona tsy misy ahiahy ianao.

11/01/2023




⚫Ny tsy fisian'ny fanetrentena no mahafaty ny fahalebeazana.
Ny zavatra afaka mampiakatra anao dia ny fifehezana ny tenanao.

09/01/2023




🕴️Ny olona tsy manana fahafaham-po dia tsy mahita fifaliana eo amin'ny fiainana.

08/01/2023





🔴Ao amin'i JESOSY irery ihany no ahazoantsika ny famelan-keloka ary ahazoantsika fahafahana mankany am fiainana mandrakizay.

07/01/2023



🔹Isan'andro dia miresaka aminao ny Tompo Jesosy.
Miezaka misintona ny sainao hanaiky ny fanomezana Nomeny anao.
🔸Ianao no manapak'hevitra, na manaiky na manao tsinontsinona.

⚫Yo lo aseptareseré un valiente..Amen.
⚫Manaiky aho, sahy aho..Amen.

06/01/2023



📖 Ny Baiboly dia Soratra Masina [ Tenin'Dieu ], Lafatra sady Tsara.
Betsaka ny mamaky sy manonona izay mahafaly azy.
Ny ambiny kosa dia esoriny na tsy horaisiny.

⚡ Tsy buffet ny Baiboly, k andraisako izay tiako ary avelako izay tsy tiako na tsy mety amiko.

🔹'" Aoka tsy hiala am vavanao ity Bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina , hitandremanao araka izay rehetra voa-soratra eo.
Ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina🔹'""( # Josoa_1__8)).

🔸Ho tahin'ny Tompo anie ianao.
🔸Que El Señor les bendiga.

05/01/2023




⏩SU PLAN DE DIOS ES PERFECTO PARA MÍ VIDA
⏩NY FANDAHARAN'DIEU DIA LAVORARY EO AM FIAINAKO

🌊 Tsy nahasakana an'i Mosesy ny Ranomasina.
🎢 Tsy nahasakana an'i Josoa ny Rindrina
⚰ Tsy nahasakana an'i Jesosy ny fahafatesana.

🛡 Ka raha ao amin'i Kristy ianao dia tsy misy mahasakana ny Fandaharan'Andriamanitra eo am fiainanao.

👉🏿 Hoy Andriamanitra: Indro Aho momba anao amin'ny andro rehetra.
👉🏿 Dios a dicho: He aquí Yo Estoy con vosotros todos los días.

03/01/2023


🙏🏿 Andriamanitra hitahy ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.
👉🏿 👑Ny fanomezana tsara indrindra dia ny fananana ny FANAHY MASINA mihoatra noho ny harena rehetra eto amin'izao tontolo izao 🌍.

👉🏿 Enséñame a hacer tu voluntad, porque tú eres mi Dios;
Tu buen Espíritu me guíe a tierra firme.

31/12/2022

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261330845431

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SILOE MADA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to SILOE MADA:

Share