15/06/2023
I Masimbavy Germaine, dia antsoina hoe Germaine de Cousin.Teraka ny taona 1579 tao Pibrac akaikin'i Toulouse. Zanaka tantsaha izy, i Laurent Cousin sy Marie Laroche no Ray aman-dReniny. Taizan'aretina faha-keliny i Mb Germaine, ary malemy ny tanany havana. Mbola zaza mena vava izy no maty ny Reniny, ka ny Renikeliny no nitaiza azy. Masika be moa io Renikeliny io, ary tena nankahala azy mihintsy. Noentin'i Germaine nandritra ny andro niainany izany fijaliana izany.
Nangataka tamin'ny Rainy i Germaine mba hiandry ondry, any izy no hafaka miresaka amin'Andriamanitra amin'ny natiora sy mivavaka ary manaja an'i Masina Maria, satria, ny vavaka no tsapany fa mankahery azy.
Isan'andro i Germaine dia tsy tapaka mamonjy Sorona Masina. Masina Maria no reniny, ny anjely no namany, ary ny Eokaristia no fiainany.
Ireo anisany mampiavaka azy :
-Matetika i Germaine no hita mandohalika mivavaka anaty rano mandry.
-Vitany no miampita rano makany am-piangonana nefa tsy lena akory ny tongony, ary tsy tapaka mihintsy izy isan'andro mamonjy Sorona Masina, manao Kômonio, ary mandritra izany, dia ny tehiny no atsatony eo amin'ireo andian'ondriny ka tsy misy mihetsika eo ireo na iray aza, ary tsy misy biby dia sahy mihinana azy ireo akory.
-Hantra olona i Germaine ka ny m**o kely tokony ho sakafony dia omeny ny mahantra fa ny fitiavan'Andriamanitra no ivelomany.
-Indray andro, noendrikendrehin'ny Renikeliny ho nangalatra m**o izy. noenjehiny izy na dia efa nosakanan'ireo mpiaramonina aza izy tsy hanao izany. Raha efa tratrany i Germaine dia nasainy nosokafany ny aron'akanjony. Akory ny hagagan'ireo nanatri-maso fa vonin-draozy no hita tao.Torakovitra ny Rain'i Germaine ka nandrara ilay ramatoa Tsy hikapoka an'i Germaine intsony sy hamerina azy ao antrano fa nandà io.
-Ny taona 1601, ny alin'ny nahafatesan'i Germaine dia voalaza fa nisy relijiozy roa ho any Pibrac ho any amin'ny tranon'ry Germaine, nahita ankizy vavy roa miakanjo fotsy izy. Ary raha efa niverina izy roa dia nahita akizy vavy 3 indray ary ny iray teo afovoany, nisatro-boninahitra toin'ny vonin-draozy.
Teo amin'ny faha 22 taonany i Germaine no nody mandry, ary nalevina tao amin'ny fiangonana tao Pibrac izy.
Ny taona 1644, sakristy tao amin'io fiangonana io nahita an'i Germaine mbola niavaka amin'ireo razana hafa.
Ny 22 septambra1661 no tonga tao pibrac ny vikera jeneraly tao Toulouse, ka zendana raha nahita an'i Germaine mbola tsy niova. Nanomboka teo dia nangataka ny hananganana azy ho olomasina ny 1700 io vikera jeneraly io.
Ny 07 May 1854, ny Papa Pie Hafa IX no nanandratra azy ho olo tsambatra.
Ny 1867 no nambara fa olomasina i Germaine.Izy moa no mpiaro ireo olona farofy sy marary. Mpiaro ireo mpiandry ondry ihany koa i Mb Germaine.