༒ NY Mazava ༒

༒ NY Mazava ༒ 📖 🇲🇬LIOKA 8 : 15-18/ 🇫🇷LUC 8 : 15-18/ 🇺🇸LUKE 8 : 15-18.

📖🇲🇬JAONA 13 : 34-35 :« DIDY VAOVAO no omeKo anareo, dia ny mba hifankatiavanareo;Eny, aoka ho tahaka ny Fitiavako anareo...
06/04/2025

📖🇲🇬JAONA 13 : 34-35 :
« DIDY VAOVAO no omeKo anareo, dia ny mba hifankatiavanareo;
Eny, aoka ho tahaka ny Fitiavako anareo no mba Hifankatiavanareo kosa.
Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa Mpianatro ianareo, raha Mifankatia. AMEN! »

📖🇫🇷JEAN 13 : 34-35 :
« Je vous donne UN COMMANDEMENT NOUVEAU : Aimez-vous les uns les autres;
Comme Je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.
À ceci tous connaîtront que vous êtes mes disciples, si vous avez de l'amour les uns pour les autres. AMEN! »

📖🇺🇸JOHN 13 : 34-35 :
« A NEW COMMAND I give you : Love one another.
As I have loved you, so you must love one another.
By this everyone will know that you are my disciples, if you love one another. AMEN! »

22/03/2025

📖🇲🇬MARKA 1 : 1-15 :
« Ny niandohan'ny FILAZANTSARA AN'i JESOA KRISTY ZANAK'ANDRIAMANITRA.
Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany*[*Na : ao amin'ny mpaminany] hoe :
Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao,
Izay hamboatra ny làlanao (Malakia 3:1)
Injany! misy feon'ny miantso mafy any an'efitra hoe :
Amboary ny lalan'i Jehovah.
Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isaia 40:3),
dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an'efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva;
Ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
Ary nitory izy ka nanao hoe :
Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano,
fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesoa ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.
Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe :
IANAO NO ZANAKO MALALAKO, IANAO NO SITRAKO.
Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin*'[*Grika : noroahin']ny Fanahy ho any an'efitra Izy.
Ary tany an'efitra 40 andro Izy ka nalain'i Satana fanahy;
Ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesoa NITORY NY FILAZANTSARA AN'ANDRIAMANITRA ka nanao hoe :
EFA TONGA NY FOTOANA, KA EFA AKAIKY NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA;
MIBEBAHA IANAREO KA MINOA NY FILAZANTSARA. AMEN! »

📖🇫🇷MARC 1 : 1-15 :
« Commencement de L'ÉVANGILE DE JÉSUS CHRIST, FILS DE DIEU.
Selon ce qui est écrit dans Ésaïe, le prophète :
Voici, j'envoie devant toi mon messager,
Qui préparera ton chemin;
C'est la voix de celui qui crie dans le désert :
Préparez le chemin du Seigneur,
Aplanissez ses sentiers.
Jean parut, baptisant dans le désert, et prêchant le baptême de repentance, pour la rémission des péchés.
Tout le pays de Judée et tous les habitants de Jérusalem se rendaient auprès de lui; et, confessant leurs péchés, ils se faisaient baptiser par lui dans le fleuve du Jourdain.
Jean avait un vêtement de poils de chameau, et une ceinture de cuir autour des reins.
Il se nourrissait de sauterelles et de miel sauvage.
Il prêchait, disant :
Il vient après moi celui qui est plus puissant que moi, et je ne suis pas digne de délier, en me baissant, la courroie de ses souliers.
Moi, je vous ai baptisés d'eau;
Lui, il vous baptisera du Saint Esprit.
En ce temps-là, Jésus vint de Nazareth en Galilée, et il fut baptisé par Jean dans le Jourdain.
Au moment où il sortait de l'eau, il vit les Cieux s'ouvrir, et l'Esprit descendre sur Lui comme une colombe.
Et une voix fit entendre des Cieux ces paroles :
TU ES MON FILS BIEN-AIMÉ, EN TOI J'AI MIS TOUTE MON AFFECTION.
Aussitôt, l'Esprit poussa Jésus dans le désert,
où il passa quarante jours, tenté par Satan.
Il était avec les bêtes sauvages, et les anges le servaient.
Après que Jean eut été livré, Jésus alla dans la Galilée, PRÊCHANT L'ÉVANGILE DE DIEU.
Il disait :
LE TEMPS EST ACCOMPLI, ET LE ROYAUME DE DIEU EST PROCHE. REPENTEZ-VOUS, ET CROYEZ À LA BONNE NOUVELLE. AMEN! »

📖🇺🇸MARK 1 : 1-15 :
« The beginning of THE GOOD NEWS ABOUT JESUS THE MESSIAH, THE SON OG GOD.
As it is written in Isaiah the prophet :
I will send my messenger ahead of you,
who will prepare your way
A voice of one calling in the wilderness,
Prepare the way for the Lord, make straight paths for him.
And so John the Baptist appeared in the wilderness, preaching a baptism of repentance for the forgiveness of sins.
The whole Judean countryside and all the people of Jerusalem went out to him.
Confessing their sins, they were baptized by him in the Jordan River.
John wore clothing made of camel’s hair, with a leather belt around his waist, and he ate locusts and wild honey.
And this was his message :
After me comes the one more powerful than I, the straps of whose sandals I am not worthy to stoop down and untie.
I baptize you with water, but he will baptize you with the Holy Spirit.
At that time Jesus came from Nazareth in Galilee and was baptized by John in the Jordan.
Just as Jesus was coming up out of the water, he saw heaven being torn open and the Spirit descending on him like a dove.
And a voice came from heaven :
You are my Son, whom I love; with you I am well pleased.
At once the Spirit sent him out into the wilderness, and he was in the wilderness forty days, being tempted by Satan.
He was with the wild animals, and angels attended him.
After John was put in prison, Jesus went into Galilee, PROCLAIMING THE GOOD NEWS OF GOD.
THE TIME HAS COME, HE SAID.
THE KINGDOM OF GOD HAS COME NEAR.
REPENT AND BELIEVE THE GOOD NEWS. AMEN! »

📖

📖🇲🇬JEREMIA 17 : 14 :« Jehovah o, sitrano aho, dia ho sitrana;Vonjeo aho, dia ho voavonjy;Fa Hianao no Fiderako. AMEN! »📖...
19/03/2025

📖🇲🇬JEREMIA 17 : 14 :
« Jehovah o, sitrano aho, dia ho sitrana;
Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
Fa Hianao no Fiderako. AMEN! »

📖🇫🇷JÉRÉMIE 17 : 14 :
« Guéris-moi Éternel et je serai guéri;
Sauve-moi et je serai sauvé;
Car Tu es Ma Gloire. AMEN! »

📖🇺🇸JEREMIAH 17 : 14
« O Lord, if You heal me, I will be truly healed.
If You save me, I will be truly saved.
My Praises are for You alone. AMEN! »

🙏

09/03/2025

📖🇲🇬I TIMOTY 6 : 12 :
« MIADIA NY ADY TSARAN'NY FINOANA,
HAZONY NY FIAINANA MANDRAKIZAY; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. AMEN! »

📖🇫🇷1 TIMOTHÉE ‭6 : 12‬ :
« COMBATS LE BON COMBAT DE LA FOI,
SAISIS LA VIE ÉTERNELLE, à laquelle tu as été appelé,
et pour laquelle tu as fait une belle confession en présence d’un grand nombre de témoins. AMEN! »

📖🇺🇸1 TIMOTHY 6 : 12 :
« FIGHT THE GOOD FIGHT OF FAITH,
TAKE HOLD OF THE ETERNAL LIFE, to which you were called when you made your good confession in the presence of many witnesses. AMEN! »




📖🇲🇬ISAIA 55 : 8-9 :« Fa ny Fihevitro tsy fihevitrareo ary ny làlanareo kosa tsy mba Làlako, hoy Jehovah.Fa tahaka ny hah...
06/03/2025

📖🇲🇬ISAIA 55 : 8-9 :
« Fa ny Fihevitro tsy fihevitrareo ary ny làlanareo kosa tsy mba Làlako, hoy Jehovah.
Fa tahaka ny hahavon'ny Lanitra noho ny tany no hahavon'ny Làlako noho ny làlanareo sy ny Fihevitro noho ny fihevitrareo. AMEN! »

📖🇫🇷ÉSAÏE 55 : 8-9 :
« Car Mes Pensées ne sont pas vos pensées, et vos voies ne sont pas Mes Voies, Dit l'Éternel.
Autant les Cieux sont élevés au-dessus de la terre, autant Mes Voies sont élevées au-dessus de vos voies, et Mes Pensées au-dessus de vos pensées. AMEN! »

📖🇺🇸ISAIAH 55 : 8-9 :
« For My Thoughts are not your thoughts, neither are your ways My Ways, declares the Lord.
As The Heavens are higher than the earth, so are My Ways higher than your ways, and My Thoughts than your thoughts. AMEN! »

25/02/2025

📖🇲🇬JAKOBA 4 : 3-10 :
« Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao?
Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao,
dia fahavalon'Andriamanitra izy.
Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina*? [*Na : ny Soratra Masina hoe :]
Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika** [** Na : izay mitoetra ato anatintsika] dia iriny amin'ny fahasaro-piaro*** [*** Na : Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro;
Na : Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana].
Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy.
Koa hoy izy :
" Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena. "(Ohabolana 3:34)
Ka dia maneke an'Andriamanitra ianareo;
Ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.
Diovy ny tànanareo, ry mpanota;
Ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
Oria, sy mitomania, ary midradradradrà;
Aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. AMEN! »

📖🇫🇷JACQUES 4 : 3-10 :
« Vous demandez, et vous ne recevez pas, parce que vous demandez mal, dans le but de satisfaire vos passions.
Adultères que vous êtes! ne savez-vous pas que l`amour du monde est inimitié contre Dieu?
Celui donc qui veut être ami du monde se rend ennemi de Dieu.
Croyez-vous que l`Écriture parle en vain?
C`est avec jalousie que Dieu chérit l`esprit qu`il a fait habiter en nous?
Il accorde, au contraire, une grâce plus excellente;
C`est pourquoi l`Écriture dit :
" Dieu résiste aux orgueilleux,
Mais il fait grâce aux humbles. "
Soumettez-vous donc à Dieu;
Résistez au diable, et il fuira loin de vous.
Approchez-vous de Dieu, et il s`approchera de vous.
Nettoyez vos mains, pécheurs;
Purifiez vos coeurs, hommes irrésolus.
Sentez votre misère;
Soyez dans le deuil et dans les larmes;
Que votre rire se change en deuil, et votre joie en tristesse.
Humiliez-vous devant le Seigneur, et il vous élèvera. AMEN! »

📖🇺🇸MATTHEW 11 : 28‭-‬30 :
« Ye ask, and receive not, because ye ask amiss, that ye may consume it upon your lusts.
Ye adulterers and adulteresses, know ye not that the friendship of the world is enmity with God?
Whosoever therefore will be a friend of the world is the enemy of God.
Do ye think that the Scripture saith in vain, The spirit that dwelleth in us lusteth to envy?
But he giveth more grace.
Wherefore he saith :
"God resisteth the proud,
but giveth grace unto the humble. "
Submit yourselves therefore to God.
Resist the devil, and he will flee from you.
Draw nigh to God, and he will draw nigh to you.
Cleanse your hands, ye sinners;
And purify your hearts, ye double minded.
Be afflicted, and mourn, and weep;
Let your laughter be turned to mourning, and your joy to heaviness.
Humble yourselves in the sight of the Lord, and he shall lift you up. AMEN! »

🛐

19/02/2025

📖🇲🇬MATIO 11 : 28-30 :
« Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo FITSAHARANA.
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita FITSAHARANA ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
AMEN! »

📖🇫🇷MATTHIEU 11 : 28-30 :
« Venez à Moi, vous tous qui êtes fatigués et chargés, et je vous donnerai du REPOS.
Prenez mon joug sur vous et recevez mes instructions, car je suis doux et humble de coeur; et vous trouverez du REPOS pour vos âmes. Car mon joug est doux, et mon fardeau léger.
AMEN! »

📖🇺🇸MATTHEW 11 : 28‭-‬30 :
« Come unto me, all ye that labour and are heavy laden, and I will give you REST.
Take my yoke upon you, and learn of me; for I am meek and lowly in heart; and ye shall find REST unto your souls. For my yoke is easy, and my burden is light.
AMEN! »


🔥

10/01/2025

📖🇲🇬ROMANA 6 : 13 :
« Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsy fahamarinana;
Fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona;
Ary ny momba ny tenanareo ho fiadian' ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. AMEN! »
📖🇲🇬EFESIANA 5 : 2 :
« Ary mandehana amin'ny FITIAVANA, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. ALELOIA! »

📖🇫🇷ROMAIN 6 : 13 :
« Ne livrez pas vos membres au péché, comme des instruments d'iniquité;
Mais donnez-vous vous-mêmes à Dieu, comme étant vivants de morts que vous étiez;
Et offrez à Dieu vos membres, comme des instruments de justice. AMEN! »
📖🇫🇷EPHÉSIENS 5 : 2 :
« Que votre vie soit dirigée par l’AMOUR, de même que Christ nous a aimés et a livré LUI-MÊME sa vie à Dieu pour nous comme une offrande et un sacrifice dont le parfum plaît à Dieu. ALÉLUIA! »

📖🇺🇸ROMANS 6 : 13 :
« Do not offer any part of yourself to sin as an instrument of wickedness;
But rather offer yourselves to God as those who have been brought from death to life;
And offer every part of yourself to him as an instrument of righteousness. AMEN! »
📖🇺🇸EPHESIANS 5 : 2 :
« And walk in LOVE, as Christ also hath loved us, and hath given himself for us an offering and a sacrifice to God for a sweetsmelling savour. HALLELUJAH! »



20/12/2024

📖🇲🇬MATIO 1 : 18-25 :
« Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao :
Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa,
raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny
Fanahy Masina izy.
Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe :
« Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny Anarany hataonao hoe :
Jesosy;
Fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. »
Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe :
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy;
Ary ny Anarany hataon'ny olona hoe :
Imanoela (Isa. 7. 14),
izany hoe, raha adika :
“Amintsika Andriamanitra”. »
Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo azy ka nampakatra ny vadiny.
Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy;
ary ny anarany nataony hoe : Jesosy. ALELOIA! »

📖🇫🇷MATTHIEU 1 : 18-25 :
« Voici comment Jésus-Christ est né.
Marie, sa mère, est promise en mariage à Joseph.
Mais, avant d’habiter avec Joseph, Marie attend un enfant par la puissance de l’Esprit Saint.
Joseph, son fiancé, est un homme juste.
Il ne veut pas accuser Marie devant tout le monde,
alors il décide de la renvoyer en secret.
Au moment où il pense à cela, l’ange du Seigneur se montre à lui dans un rêve.
L’ange lui dit :
« Joseph, fils de David, n’aie pas peur de prendre chez toi Marie, ta femme.
Oui, l’enfant qui est dans son ventre vient de l’Esprit Saint.
Elle va mettre au monde un fils, et toi, tu l’appelleras :
Jésus.
En effet, c’est lui qui sauvera son peuple de ses péchés. »
Ainsi se réalise ce que le prophète a dit de la part du Seigneur :
« La jeune fille attendra un enfant.
Elle mettra au monde un fils.
On l’appellera : Emmanuel, ce qui veut dire “Dieu avec nous”. »
Quand Joseph se réveille, il fait ce que l’ange du Seigneur lui a commandé.
Il prend sa femme chez lui, mais il ne s’unit pas à elle jusqu’au jour où Marie met au monde un fils.
Joseph donne à l’enfant le nom de : Jésus. ALÉLUIA! »

📖🇺🇸MATHEW 1 : 18-25 :
« Now this is how the birth of Jesus Christ came about.
When his mother Mary was betrothed to Joseph,
but before they lived together, she was found with child through the holy Spirit.
Joseph her husband, since he was a righteous man, yet unwilling to expose her to shame, decided to divorce her quietly.
Such was his intention when, behold, the angel of the Lord appeared to him in a dream and said :
« Joseph, son of David, do not be afraid to take Mary your wife into your home.
For it is through the holy Spirit that this child has been conceived in her.
She will bear a son and you are to name him :
Jesus,
Because he will save his people from their sins. »
All this took place to fulfill what the Lord had said through the prophet :
« Behold, the virgin shall be with child and bear a son, and they shall name him : Emmanuel, which means “God is with us”. »
When Joseph awoke, he did as the angel of the Lord had commanded him and took his wife into his home.
He had no relations with her until she bore a son, and he named him Jesus. HALLELUJAH! »

🕎🛐❤💯🕊

Address

Antananarivo

Telephone

+261346609407

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ༒ NY Mazava ༒ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share