FJKM Tranovato Manazary Fanantenana

FJKM Tranovato Manazary Fanantenana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM Tranovato Manazary Fanantenana, Religious organisation, Fjkm Tranovato Manazary Fanantenana, Antananarivo.

Manasa anao hifanohana aminay KOMITIN'NY FANDRAISAN-TANANA MPITANDRINA amin'ity Déjeuner Concert et Dansant Évangélique ...
02/10/2025

Manasa anao hifanohana aminay KOMITIN'NY FANDRAISAN-TANANA MPITANDRINA amin'ity Déjeuner Concert et Dansant Évangélique karakarainay ity.
Izay tsy hisakafo dia afaka manohana.
Mankasitraka sahady.
Fifandraisana:
0348484188 (Komity)
0348712707 / 0324010742 (Pasteur Heby)

11/08/2024

Dimy minitra Sekoly Alahady 11 Aogositra 2024
📖Soratra Masina: tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan’ilay Ratsy;
Efesianina 6:16 DIEM
👉Ny zavatra ho resahantsika anio Rankizy malala dia ny atao hoe : Martiora.
Fanontanina : Efa naheno ve nareo hoe inona izany ato hoe : Maritiora?
🔸️Ity misy tantara marina iray izay niseho teto amin'ny Nosin-drazantsika Madagasikara. Tamin’ny andron’ny Mpanjaka fahiny dia nisy Mpanjakavavy Malagasy natao hoe : Ranavalona I izay mpanjaka nampamono olona mpivavaka betsaka nohon’ny tsy fanekeny ny hidiran’ny fivavahana Kristianina teto Madagasikara.
🔸️Fa ny inoan'ity mpanjaka ity kosa dia ody na fanafody na mpanandro ny mpimasy , no sady lazainy fa fivavaham-bazaha no tadiavin'ireto kristiana mpanaradia an'i Jesoa ho aparitaka teto amin'ny tany sy ny fanjakana.
Nohon’ny maha-mpanjaka azy anefa ⁰dia manana fahefana izy ny hisambotra sy hamono izay milaza sy mino an’Andriamanitrin’ny Baiboly. ( Ray sy Zanaka ary Fanahy masina )
🔸️Tamin’izany dia nisy vehivavy iray izay atao hoe : Rasalama izay tsy natahotra na dia efa nampitandremana aza izy hoe hovonoina, satria manko hoy izy hoe » Hitako ny lalan-tsara ka hizorako » . Nitàna ny finoanany hatramin'ny farany anefa Rasalama ka Nolefonina izy ka maty. Betsaka koa ireo nino an’i Jesoa ka novonoina toa azy; nodorana velona ny sasany ary nakodia velona teny Ampamarinana .
Ka raha hamaly ny fanontaniana tery amboalohany izany isika rankizy , ny atao hoe maritiora dia
Ireo olona nitazona ny finoany ka na hatramin’ny fahafatesany aza dia tsy nivadika tamin'ny fanarahana an'I Jesoa izay tahaka Rasalama sy ireo namany hafa voalaza teo .
✍Hafatra : Ary ianao mba ahoana ry mpianatra sekoly Alahady malala? Hatramin'izay nianaranao ny Soratra Masina izay ? Mampiatra izany eo amin'ny fiainanao ve? Mbola mazoto amin'ny fianarana hatrany ve? Fa ny zava-misy manko dia raha mbola kely dia mazoto be ery fa rehefa mialehibe indrisy vitsy sisa no mianatra Sekoly Alahady , tsy nihazona ny finoana intsony, satria menatra ny namana hoe efa lehibe dia mbola hianatra Sekoly Alahady ihany, manginy fotsiny ireo ny fanarahana ny fanaon'ny tanora izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra, tsy mahajoro fa sao vasohan'ny namana. Vokany very tanteraka ilay finoana . Ry mpianatra Sekoly Alahady malala ô hazomy ny finoana amin'ny fazotoanao mianatra Sekoly Alahady an, aza miala fa fikiro hatrany izany fa izay ihany no lalana

Finaritra ry havako,Ampahafantarina isika fa efa ny Mpitandrina vaovao ( Pasteur Heby Andriamampiely ) no miandraikitra ...
06/09/2023

Finaritra ry havako,
Ampahafantarina isika fa efa ny Mpitandrina vaovao ( Pasteur Heby Andriamampiely ) no miandraikitra ity Pejin'ny Fiangonana FJKM TRANOVATO MANAZARY FANANTENANA (ex-Manazary Varahina) ity ankehitriny..
Manantena fiara-manentana hanehoana ny voninahitr'Andriamanitra.
"...ary ny dia tsy mampahamenatra,..."
— Romana 5 : 5

10/12/2021
Nodimandry ny filohan'ny Fitefima Randriamparany Benjamin DavidsonAry nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Sora...
17/05/2021

Nodimandry ny filohan'ny Fitefima Randriamparany Benjamin Davidson
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy. — Apokalypsy 14 : 13

Finaritra.Amin'ny 7 Ora sy 9 Ora30mn ny fidirana isan'alahady...dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely o. ...
07/04/2021

Finaritra.
Amin'ny 7 Ora sy 9 Ora30mn ny fidirana isan'alahady...dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely o. — Amosa 4 : 12

19/09/2020

Fetin'ny taranaka 2020. Isaorana sy hiderana ary hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny niarovany sy nanasitranany antsika. Koa miantso anao taranaka rehetra ho tonga maro.
Miavaka ny fankalazana amin'ity satria mandritra ny volana Oktobra 2020 no hanaovana izany. Misafidy alahady iray amin'ireo efatra ianareo ahatongavana ety.
Hisy hatrany isaky ny alahady ny fandraisana ny valopy fetin'ny taranaka, ny fananterana ny rakitra taranaka , sy ny tavoahangy rakintsoam pitahiana.
Ny ezaka rehetra dia hananganantsika sekoly ho an'ny taranaka. Hisy sms ho tatitra ny nataontsika.
Hisy sakafo amidy amin'ny vidiny mirary amin'ireo fotoana ireo.
Isaky ny alahady amin'ny volana oktobra no fotoana. Manomboka amin'ny 9 ora isika. Ary faranana amin'ny fanasan'ny Tompo sy ny lavantim bokatra ny fotoana.
Tongava maro, entano ny taranaka ho voninahitr'Andriamanitra.

02/06/2020
19/03/2020

Salamo 85 : 1. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah o, efa naneho fitia tamin'ny taninao Ianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany. 2. Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. 3. Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Ianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra. 4. Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay o, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay. 5. Ho tezitra aminay mandrakizay va Ianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao? 6. Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao? 7. Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah o, Ka omeo anay ny famonjenao. 8. Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. 9. Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika. 10. Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11. Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12. Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13. Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dàlana.

Address

Fjkm Tranovato Manazary Fanantenana
Antananarivo
103

Telephone

+261348712707

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Tranovato Manazary Fanantenana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share