Distrikan'ny Fiangonana Advantista Anosibe Ofisialy

Distrikan'ny Fiangonana Advantista Anosibe Ofisialy Pejy natokana ho an'ny serasera eto anivon'ny Distrikan'Anosibe

Fiangonana Advantista Anosibe Andrefana 22 Oktobra 2016 – 22 Oktobra 2024Feno 8 ny nijoroan’ny fiangonana Advantista Ano...
26/10/2024

Fiangonana Advantista Anosibe Andrefana
22 Oktobra 2016 – 22 Oktobra 2024
Feno 8 ny nijoroan’ny fiangonana Advantista Anosibe Andrefana.

Fotoam-pivavahana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra ary fanaovam-batisa, no nentina nanamarika ny tsingerintaona faha-8 nijoroan’ny fiangonana Advantista Anosibe Andrefana. Ny marainan’ny sabata 26 Oktobra 2024 no nanatanterahana izany. Ny Pastora RAKOTONIAINA Maherinarivo filohan’ny distrika Anosibe no nitarika izany ary nanatanteraka ny batisan’ireo 6 mianadahy tapa-kevitra hanaraka ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ny Soratra Masina taorian’ny fanarahana ilay konferansa mitondra ny lohahevitra hoe : ILAY TETEZANA MAMPITA AMIN’NY FIAINANA TSARA LAVITRA ». Nandritra ny folakandro no nanatanterahana ny Antsampanahy ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra niarahana tamin’ny Antokompihira AINA eo anivon’ny fiangonana notronin’ny Antokompihira BALISAMA FIDERANA sy ny AFA avy eny Ambohimarina. Nandray anjara ihany koa ny Tarika HANITRY KRISTY. Nofaranana tamin'ny fanapahana mofomamy ny fotoana.

Manomana lasy vaky lay Fitoriana ny Filazantsara ny fiangonana Advantista Andavamamba izay karakarain'ny sampana tanora ...
19/10/2024

Manomana lasy vaky lay Fitoriana ny Filazantsara ny fiangonana Advantista Andavamamba izay karakarain'ny sampana tanora ny 27 oct - 03 nov izao any Lohanosy (Antanetikely na Ambohijoky) 17Km.miala.eo Anosizato. Ny tanjona dia ny mba ijoroan'ny sekoly sabata zanany fa efa misy liana vitsivitsy mivavaka any izao. Dia hisy batisa ny fiafaran'ny lasy. Manasa ny tanora sy ny fiangonana mba samy handray am-po izany asa izany . Manomboka 27 ny conférence any an-toerana.

Hetsika Miavaka!  Ho anao, ho ahy, ho antsika rehetra. Tsy tokony ho diso anjara ianao! Manomboka ny Alahady 29 Septambr...
29/09/2024

Hetsika Miavaka! Ho anao, ho ahy, ho antsika rehetra. Tsy tokony ho diso anjara ianao!
Manomboka ny Alahady 29 Septambra 2024 izao, miomàna hanaraka ny fampianarana miavaka sy ny fandinihana lalina ny Tenin'Andriamanitra.
Ity no fotoana hianaranao ny zavatra sarobidy sy manan-danja izay voarakitra ao amin'ny Soratra Masina!
Miaraka amin'i Pasteur Barry Joel dia ho voarainao ny hafatra sarobidy tsy manam-paharoa avy ao amin'ny Baiboly ary Baiboly irery ihany. Ampifanaraho ny famantaranandronao ho amin'ny ora manaraka:
5 ora maraina
12 ora atoandro
8 ora alina
Ireo rehetra ireo dia Oran'i Madagasikara.
Avy ao amin'ny Hopefy Radio isak'ireo fotoana rehetra ireo, no handrenesanao izany, Ilay ONJAM-PEO MANANDRATRA FANANTENANA manerana izao tontolo izao!
Aza avela hisy fotoana very—andao hihaino izany isika!
Zarao izao ary ampio ny namanao sy ny fianakavianao!
Ireto avy ny rohy ahafahanao mihaino ny ojam-peo: https://radio.fanantenanahoanao.org/
https://onlineradiobox.com/mg/hopefy/?cs=mg.hopefy
https://www.youtube.com//live
https://www.radio.net/s/hopefy
https://www.advantistalyon.com/radio-hopefy

Application Android: https://fanantenanahoanao.org/download

Fitoriana ny Filazantsara eny amin’ny fonjan’Antanimora : Voafonja 54 mirahalahy no vita batisa.      Nomarihana tamin’n...
28/09/2024

Fitoriana ny Filazantsara eny amin’ny fonjan’Antanimora : Voafonja 54 mirahalahy no vita batisa.
Nomarihana tamin’ny fanaovam-batisa ireo voafonja 54 mirahalahy ny famaramparanana ny fitoriana ny Filazantsara « Pentekosta 2024 » tetsy amin’ny fonjan’Antanimora. Nitarika izany teny an-toerana ny Pastora RAKOTONIAINA Jeannot mpandrindra ny asa fitoriana ny Filazantsara eny amin’ny fonja eto anivon’ny Federasionan’ny Fiangonana Advantista Madagasikara afovoany. Ny Loholona RAZAFY Stéphan mpandrindra ny asa Fitoriana ny Filazantsara etsy amin’ny fonjan’Antanimora no nitondra ny hafatra avy amin’ny Soratra Masina ho an’izy 54 mirahalahy tapa-kevitra hanaraka ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Soratra Masina ka niroso tamin’ny Batisa. Ny Romana 12 no nisintonana ny lesona ho azy ireo. Niara-nisalahy tamin’ny fanaovana ny batisa ny Pastora SAHONDRARISON Misaela mpandrindra ny asa Fitoriana ny Filazantsara eny amin’ny hôpitaly eto anivon’ny Federasiona Madagasikara afovoany sy ny Pastora RIJA MORY Esperanto Talen’ny AWR aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Tonga nanatrika ny fanaovam-batisa ihany koa ireo mpitory Filazantsara ao fonjan’Antanimora sy avy eny Tsiafahy. Vary fotsy no fanomezana nomena azy 54 mirahalahy vao vita Batisa ny marainan’ny sabata 28 Septambra 2024.
Nitondra ny teny fisaorana avy amin’ireo voafonja ny mpitarika ny fiangonana Advantista ao amin’ny fonjan’Antanimora.

Mpino Advantista tao amin’ny distrika Anosibe : Nanolotra fanomezana ho an’ny pastora.Nandritra ny fanamarihana ny andro...
28/09/2024

Mpino Advantista tao amin’ny distrika Anosibe : Nanolotra fanomezana ho an’ny pastora.
Nandritra ny fanamarihana ny andron’ny Pasotra izay natao ny sabata 28 Septambra 2024 tao amin’ny fiangonana Advantista Anosibe II ; no nanoloranan’ny mpino avy amin’ireo fiangonana miisa 20 mandrafitra ny Distrika Anosibe fanomezana ho an’ny Pastora RAKOTONIAINA Maherinarivo sy ny ankohonany. Moto Honda iray hanamoràna ny asan’ny pastora eo amin’ny fitsidihana ny fiangonana no natolotra azy ireo. Nisy ihany koa ny fampaherezana ara-panahy sy fitondrana am-bavaka azy ireo. Nambaran’ny Pastora RAKOTONIAINA Maherinarivo nandritra ny teny fisaorana nataony fa resy lahatra izy amin’ny fahavononan’ny mpino eo anivon’ny distrika hiara-miasa aminy. Antso ho amin’ny fiatrehana ny « Impact 2025 » no namaranany ny teniny.

"...fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo". Io no hafatra avy amin'ny Soratra nomena ireo mpiasa...
14/09/2024

"...fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo". Io no hafatra avy amin'ny Soratra nomena ireo mpiasa nandeha nisotro ronono teto anivon'ny Federasionan'ny Fiangonana Advantista Madagasikara afovoany. Ny folakandron'ny sabata 14 Septambra 2024 no fotoana nanolorana ny mari-pankasitrahana ho azy ireo. Ireo mpitantanasa 3 mirahalahy no nanolotra izany sady nitondra ny teny fisaorana ho azy ireo.

Fikambanana tanora Advantista eto amin’ny  Federasionan’ny Fiangonana Advantista Madagasikara afovoany na ny F.M.C :Nota...
14/09/2024

Fikambanana tanora Advantista eto amin’ny Federasionan’ny Fiangonana Advantista Madagasikara afovoany na ny F.M.C :
Notanterahana ny folakandron’ny sabata 14 Septambra 2024 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Pastora RAKOTO Pierre Jean Sosthène filoha teo aloha sy ny Pastora RAKOTOMALALA Mijo Tsiry voafidy hitarika ny tanora advantista eto amin’ny Federasiona Madagasikara afovoany mandritra ny telo taona manaraka indray. Nitarika ny famindram-pitantanana ny Pastora RAHARIJAONA Haja filohan’ny tanora Advantista aty amin’ny fivondronamben’ny federasionan’ny fiangonana advantista aty amin’ny ranomasimbe Indiana.

« HANDEHA AHO ARAKA NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA » io no lohahevitra niompanan’ny Fivoriambe ara-panahy notanterahana t...
14/09/2024

« HANDEHA AHO ARAKA NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA » io no lohahevitra niompanan’ny Fivoriambe ara-panahy notanterahana teto anivon’ny Federasionan’ny Fiangonana Advantista Madagasikara afovoany izay nanomboka ny 11 Septambra 2024 ary nofaranana tamin’ny Fotoam-pivavahana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra ny sabata 14 Septambra 2024 tetsy amin’ny Vatolampy mampiray Soamanandrariny. Nandritra izany no nanehoana ireo mpitantanasa vaovao sy Talen’ny Departemanta hanatanteraka ny asa fanompoana mandritra ny telo taona ho avy indray.
Ny filohan’ny fivondronamben’ny Federasionan’ny fiangonana advantista aty amin’ny ranomasimbe Indiana ny Pastora SOLOFO Georges Mesmert no nanolotra azy ireo :
- Ny Filoha : Pastora ANDRIAMPARATIANA Fanera
- Ny Tonia mpanatanteraka : Pastora RATSIMBAZAFY Lalaniaina
- Ny Mpitantana miandraikitra ny vola : Pastora RAMIARANJAKAHARIMANANA Andosoa

Ireo talen’ny departemanta :
- Sekoly sabata, Asa fitoriana ataon’ny tena manokana, Asa fanasoavana fiaraha-monina : Pastora RAKOTO Pierre Jean Sosthène
- Fitantanam-piainana kristiana FIPIKRI: Pastora SOLONDRAINY Safidy Fanantenako
- Fikambanan'ny olom-boahosotra sy ny fiainam-pianakaviana (FIPIA) ary ny vavaka: Pastora RAKOTOARISON J***y Tianasoa
- Shepherdess, Fikambanan'ny vadin'ny olom-boaosotra: Vatosoa ANDRIAMPARATIANA
- Fampielezam-boky sy Fanahin’ny Faminaniana: Pastora ANDRIANTSOA John W***y
- FIFANDRAISANA sy Fahafahana ara-pivavahana: pastora RASOANANDRIANINA Mirado Elie
- JA PCM AUMONERIE : pastora RAKOTOMALALA Mijo Tsiry
- Fahasalamana: ROHIMPITIAVANA Hanitrankasitrahana Amboarasarobidy.
- Fanabeazana: Pasteur RAHERINJATOVO Nirina Harifidy
- MIFEM: ANDRIANOMANANA Volasoa
- MNENF: RANDRIANONY Amboara
- Pakia: RAKOTOSON Fanja
- Mission globale : pastora RATSIMBAZAFY Lalaniaina

Komitin'ny Fédérasiona
- Miisa 21 ireo mambra ny komity mpanatanteraky ny FMC :
- pastora ANDRIAMPARATIANA Fanera
- pastora RATSIMBAZAFY Lalaniaina
- pastora RAMIARANJAKAHARIMANANA Ando
- pastora RAKOTO Pierre Jean Sosthène
- pastora SOLONDRAINY Safidy Fanantenako
- pastora ANDRIANTSOA John W***y
- pastora RASOANANDRIANINA Mirado Elie
- pastora RAKOTOMALALA MIJO TSIRY
- pastora RABARSON Abel Andrianarisoa (Pasteur consacré)
- pastora RANDRIANONY Mahenina Zedidia (Pasteur autorisé)
- Tale Radio Oasis
- Proviseur Lypars
Solotena Faritra Itasy:
- Randrianantenaina Faly
- RAVELONJATOVO Manoanjanahary
Solotena Fartra Vakinanaratra:
- RAKOTONDRANAIVO Famantanatsoa Richard
- RANDRIAMANANA Nomenjanahary Miora
Solotena Analamanga :
- RAKOTONDRANAIVO Otinela Rino
- RAKOTONANDRASANA Velosaona
Solotena Bongolava
- RANDRIAMAMONJISOA Radoniaina
- RAHELISON Ova Irène

Birao Foiben'ny Fivondronamben'ny Federasionan'ny Fiangonana Advantista aty amin'ny ranomasimbe Indiana.
18/08/2024

Birao Foiben'ny Fivondronamben'ny Federasionan'ny Fiangonana Advantista aty amin'ny ranomasimbe Indiana.

Feno 75 taona ny Antokompihira : Feon'ny Faminaniana
16/08/2024

Feno 75 taona ny Antokompihira : Feon'ny Faminaniana

Mankasitraka tanteraka ny fiofanana nentin'ny Chef Wilson teto Soamanandrariny tamin'ity tontolo andron'ny alahady 11 Ao...
11/08/2024

Mankasitraka tanteraka ny fiofanana nentin'ny Chef Wilson teto Soamanandrariny tamin'ity tontolo andron'ny alahady 11 Aogositra 2024.

"Université Adventiste Zurcher" (UAZ) Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny taom-pianarana vaovao. Ny 16 Septambra 20...
07/08/2024

"Université Adventiste Zurcher" (UAZ) Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny taom-pianarana vaovao. Ny 16 Septambra 2024 ny Test de Niveau ary ny 23 Septambra 2024 no hanomboka ny cours rehetra. Raha misy ny fanontaniana antsoy ny laharana : 0341881086

Address

Anosibe
Anosibe

Telephone

+261348538840

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Distrikan'ny Fiangonana Advantista Anosibe Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share