Chorale Feon'Anjomara Ambohimandroso

Chorale Feon'Anjomara Ambohimandroso Pejy ofisialy ny Antoko Mpihira Feon'Anjomara
Ambohimandroso Fitiavana Agape

01/01/2026

Feon'Anjomara~ Mandalo🥰
Nohirainay tamin'ny alin'ny 31 desambra teo ity hira ho fanaovam-beloma ny taona🤗

Mirary taona feno valimbavaka hoantsika rehetra🥳
31/12/2025

Mirary taona feno valimbavaka hoantsika rehetra🥳

ARAHABAINA MANOKANA IANAO🤝🏻Lava iny 2025 iny e, fa mbola io ianao☺Maro sedra nosedraina iny 2025 iny fa tafavoaka ianao💪...
31/12/2025

ARAHABAINA MANOKANA IANAO🤝🏻
Lava iny 2025 iny e, fa mbola io ianao☺
Maro sedra nosedraina iny 2025 iny fa tafavoaka ianao💪🏻
Imbetsaka lavo ianao tamin'iny 2025 iny fa mbola tafiarina☺
Maro ny ady tamin'iny 2025 iny fa nivoaka mpandresy ianao💪🏻
Isaorana Andriamanitra fa tsy navelany niala andaharana ianao🙏🏻🥰

Dia ahoana? Manao ahoana ny fahasalamanao nandritra izay 365 andro izay?
Salama ve ny vatanao?
Salama ve ny sainao?
Salama ve ny fonao?
Ary indrindra salama ve ny fanahinao?😒

Fotoana izao hanaovana jery todika ny lasa rehetra👀
Fotoana izao, afoizo ireo rehetra tsy mitondra soa🤗 Na olona io na zavatra io, afoizo mba tsy hanimba ny 2026 nao indray
Avelao ireo rehetra nampisy elanelana ny fifandraisanao tamin' Andriamanitra🥰 dia mba ho tsara fitondrana ny 2026 nao🥰
Fotoana zao hifikiranao mafy amin'ny Tompo🫂 avaozy ny fifandraisanao Aminy🥳

Mbola tsy tara ianao, apetrao amin'Andriamanitra ny 2026 nao, apetrao Aminy hatramin'ny mandrakizainao🥰

Mirary farany taona sambatra sy feno fitahiana ary henika fahasoavana hoantsika rehetra🥰

'anjomara

I.Iny lalanao iny e,Lalan-tsarotra sy midezaHafanana mahamay, mahatrotraka tokoamandreraka ny ainaMahereza re, tohizo iz...
28/12/2025

I.
Iny lalanao iny e,
Lalan-tsarotra sy mideza
Hafanana mahamay, mahatrotraka tokoa
mandreraka ny aina
Mahereza re, tohizo izany dia
Fa ny miaraka amin'i Jesosy io e
Tsy misy miala maina sanatria

II.
Iny rahomainty iny e
Kotrok'orana sy havandra
Mety handrahona ery, handrava sy hanimba
Izay kely vitanao
Mitebiteby ianao
Kanefa matokia
Fa ny mino an'i Jesosy io e
Tsy avelany hiatrika ady irery

Fiv:
Mazotoa ianao amin'ny fanompoana ny Tompo
Fa tsy misy asa very maina izay atao amin'ny anarany
Miorena tsara aza miova
Fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao Aminy

Feon'Anjomara: Tsy ho foana🥰

26/12/2025

Indro ary sombiny amin'ilay hiranay mitondra ny lohateny hoe "Mandalo"🥰

Mirary Krismasy Fifaliana hoantsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy🌲
25/12/2025

Mirary Krismasy Fifaliana hoantsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy🌲

24/12/2025

Ho feno izao ny fiangonana rahampitso! soa ihany fa Chorale mba manana place fixe😂

"Mba ho Noely soaIty Noely ityMba ho Noely soa hitondra fiadanana anie ka ho fifaliana Ho rava hatreo ny alahelo Fa Jeso...
23/12/2025

"Mba ho Noely soa
Ity Noely ity
Mba ho Noely soa hitondra fiadanana anie
ka ho fifaliana
Ho rava hatreo ny alahelo
Fa Jesosy Tompo mpanjaka soa
No nomena ho anay"

Ny omalinay nananteraka ny Concert de Noel🥰Mamy hatrany ny fanompoana☺Ho vavolombelon'ny hatsaraNy
22/12/2025

Ny omalinay nananteraka ny Concert de Noel🥰
Mamy hatrany ny fanompoana☺
Ho vavolombelon'ny hatsaraNy

Isaorana Jesosy fa tontosa soa ama-tsara ny fivoriana izay nataon'ny Komitin'ny Chorale Feon'Anjomara Ambohimandroso ani...
20/12/2025

Isaorana Jesosy fa tontosa soa ama-tsara ny fivoriana izay nataon'ny Komitin'ny Chorale Feon'Anjomara Ambohimandroso anio izay natao tany Anosy!
Na dia teo ary ny somary haratsian'ny toetr'andro dia tsy nahasakana ny asa famapandrosoana izany.🥰
Ary mamy foana rehefa tafiaraka🥰

Hoan' Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra🙏🏻

Ny olona amin’izao mividy akanjo fety fa ny chorale manao verification fotsiny hoe complet ve ny bokotra na ny presse @ ...
09/12/2025

Ny olona amin’izao mividy akanjo fety fa ny chorale manao verification fotsiny hoe complet ve ny bokotra na ny presse @ robe chorale fa zay ny tenu amin’ny Noely😂

Address

FLM Ambohimandroso Fitiavana Agape
Ankofafalahy
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Chorale Feon'Anjomara Ambohimandroso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share