Temama

Temama Zavatra atao ahafahana Mihezaka miala na Mifady tanteraka ny hoe "TEZITRA - MALAHELO - MANKAHALA" mb

22/06/2026

Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
— Jeremia 7 : 23
Fiadanana ho anareo izay mamaky sy mizara ity fampianarana ity. Alohan'ny hanohizana azy dia vakio JER 7 sy 8 : 1-3
1- and 1-3 : Andriamanitra eto dia hiteny ho an'ny zanak'Isiraely zay navoakany avy any Egypta satria navelany ny fahotany, tahaka antsika izay nanota ka nibebaka ka miverina mivavaka ao amin'ny Tempoliny Masina.
2- and 4-7 : Milaza ny amin'ny zavatra tokony ataontsika zanany sy mpianany mba handova ny toerana izay efa nomaniny ho antsika dia ny lanitra izany. Tsy mifaly fotsiny miteny hoe mankany amin'ny Tempolin'ny Jehohav isan'andro na isan-kerinandro fa tokony hanao ny tsara sy mahitsy : mitsara marina, tsy mampahory olona, tsy mandatsaka ra, tsy manaraka andriamani-kafa.
3- and 8-22 : Milaza ny fombafomba fivavahana diso Andriamanitra eto. Manao ditra aloha : matoky ny teny lainga, mangalatra, mijangajanga, mianian-tsy to, mivavaka amin'andriamanitra hafa (tia vola sy harena ary voninahitra be loatra ohatra ao anatin'izany) dia avy eo anefa miditra ampiangonana ihany sady
mivavaka sy mibebaka ary voavela heloka nefa rapitso manao ny ratsy fanao ireo ihany.
4- and 23-31 : Andriamanitra anefa mbola tia antsika foana ka mandefa mpaminany sy mpampianatra milaza ny sitrapony, fa isika tsy mety mihaino. Na mihaino fa tsy mankatoa.
5- and 32- 8 and 1-3. Misy fetra ny famindrapony fa ho avy ny andro hahatezitra Azy. Mety hitarika amin'ny fahafatesana mintsy izany. Ka raha sanatria tonga tampoka izany, Maty eo ampanaovana ratsy dia tena ho very Satria tsy hisy intsony ilay fotoana hivavahana sy hibebahana.
Dieny mbola tsy tara dia henoy ny Feony.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen

Send a message to learn more

Address

Androndrakely
Androndrakely
101

Telephone

+261341576643

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Temama posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Temama:

Shortcuts

Share