20/03/2022
"...ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany" Asan'ny Apostoly 1:8b
🔔 FANENTANANA ho antsika ZANAKAMPIELEZAN'ny FJKM Andraisoro Kristy Fehizoro rehetra any ampita, ivelan'ny nosy Madagasikara!
⏰ Asaina sy angatahana ianareo zanakampielezana rehetra izay mipetraka sy monina any ivelany, na any Frantsa, na any Japon, na any Canada, na etsy Maurice, na any Senegal, ... n'aiza n'aiza misy anareo; na ianareo ray aman-dreny izay manana zanaka, iray tampo monina, havana any ka sendra tsy mahita ity izy ireo; ka niangona sy nanovo finoana sy nahita fahasoavana tao Andraisoro, MBA HANDEFA hafatra miafina amin'ity pejy facebook ity fa misy dinika tian'ny Biraom-piangonana ampitaina amintsika.
🤲 Mankasitraka indrindra tompoko, ary ny Voninahitra dia hoan'Andriamanitra irery ihany.