STK FJKM Tsaramanga vaovao

STK FJKM Tsaramanga vaovao Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from STK FJKM Tsaramanga vaovao, Analamanga.

Sasak'alina 2025✨
09/01/2026

Sasak'alina 2025✨

29 Mars 2025Nous avons passé un excellent moment,remplis de joie et de bonheur, ensemble en tant que frères et sœurs en ...
29/03/2025

29 Mars 2025
Nous avons passé un excellent moment,remplis de joie et de bonheur, ensemble en tant que frères et sœurs en Christ🦋

Mofon'aina anio Isaia 44 : 21-2321. Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ia...
14/01/2023

Mofon'aina anio

Isaia 44 : 21-23
21. Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely o,
22. Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
23. Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.

Mofon'aina anio Romana 9 : 19-2619. Ianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no mano...
13/01/2023

Mofon'aina anio

Romana 9 : 19-26
19. Ianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
20. Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Ianao no nanao ahy toy izao?
21. Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
22. Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
23. mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
24. dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa,
25. araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hosea 2:25)
26. Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hosea 2:1).

Mofon'aina anio Genesisy 5 : 1-51. Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olon...
12/01/2023

Mofon'aina anio

Genesisy 5 : 1-5
1. Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;
2. lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.
3. Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
4. Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
5. Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

Mofon'aina anio Isaia 45 : 9-139. Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ...
11/01/2023

Mofon'aina anio

Isaia 45 : 9-13
9. Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
10. Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny* hoe: Inona no aloaky ny kibonao? [*Hebreo: ny vehivavy]
11.Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
12. Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra* ny eny aminy rehetra. [*Hebreo: nandidy]
13. Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Mofon'aina anio Ohabolana 8 : 22-3622. Jehovah nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'...
10/01/2023

Mofon'aina anio

Ohabolana 8 : 22-36
22. Jehovah nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha. [*Na: nahazo]
23. Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
24. Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25. Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
26. Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
27. Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
28. Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
29. Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30. Dia mpità-marika* teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; [*Na: notezaina]
31. Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
32. Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33. Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
34. Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
35. Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;
36. Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.

Mofon'aina anioSalamo 104 : 24-3524. Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah o! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Heni...
09/01/2023

Mofon'aina anio

Salamo 104 : 24-35
24. Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah o! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [*Na: ny harenao]
25. Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
26. Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*. [*Na: holaolaovinao]
27. Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
28. Manome Ianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa izy;
29. Manafina ny tavanao Ianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
30. Maniraka ny Fanahinao Ianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Ianao.
31. Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
32. Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tanany ny tendrombohitra, dia midonaka.
33. Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
34. Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.
35. Ho lany ringana tsy ho ety amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho ety intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.

Mofon'aina anioMario 14 : 13-2313. Ary nony nandre izany Jesoa, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana a...
08/01/2023

Mofon'aina anio

Mario 14 : 13-23
13. Ary nony nandre izany Jesoa, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety* nanaraka Azy. [*Na: nandeha tongotra]
14. Ary nony nivoaka Jesoa, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
15. Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.
16. Fa hoy Jesoa taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
17. Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy aty aminay, afa-tsy m**o dimy sy hazandrano roa.
18. Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
20. Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
21. Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
22. Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesoa ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
23. Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.

Mofon'aina anioGenesisy 1 : 26-2826. Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, arak...
07/01/2023

Mofon'aina anio

Genesisy 1 : 26-28
26. Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
27. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
28. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.

Address

Analamanga

Telephone

+261341120300

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK FJKM Tsaramanga vaovao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to STK FJKM Tsaramanga vaovao:

Share