đ“œđ“žđ“Żđ“žđ“·đ“Șđ“Čđ“·đ“Ș đ“Čđ“Œđ“Șđ“·đ“Șđ“·đ“­đ“»đ“ž

  • Home
  • Madagascar
  • Amparafaravola
  • đ“œđ“žđ“Żđ“žđ“·đ“Șđ“Čđ“·đ“Ș đ“Čđ“Œđ“Șđ“·đ“Șđ“·đ“­đ“»đ“ž

đ“œđ“žđ“Żđ“žđ“·đ“Șđ“Čđ“·đ“Ș đ“Čđ“Œđ“Șđ“·đ“Șđ“·đ“­đ“»đ“ž đ“đ“·đ“­đ“Șđ“”đ“Șđ“·-đ“œđ“Œđ“žđ“»đ“Șđ“œđ“»đ“Ș đ“¶đ“Șđ“Œđ“Čđ“·đ“Ș đ“±đ“žđ“ż?

03/02/2023

Mofonaina Zoma 03 Febroary 2023
Ohabolana 7. 1-5
NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko. 2 Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalĂ ko. 3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tĂ nanao izy, soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy. 4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko hianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra hianao; 5 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
---------------
Ny fahendrena teo amin’ny Jiosy dia mifamatotra tamin’ny tenin’Andriamanitra. Loharanom-pahendrena ny tenin’Andriamanitra. Manazava ny lala-kombana rahateo izy hoy ny mpanao Salamo. Koa izay tsara fifandraisana amin’Andriamanitra, indrindra mifamato-piainana Aminy amin’ny alalan’ny teniny no manam-pahendrena. Noho ny izany ny fahefan’ny tenin’Andriamanitra
1. Rehefa tandremana: MAMELONA (and 2)
“Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko”
Fahavelomana roa sosona no azon’izay mahatandrina tsara ny tenin’Andriamanitra:
- Fiainana feno fitahiana eto amin’izao tontolo izao: hitantsika izany teo amin’ny fiainan’ny vahoaka Isiraely, tena nisitraka ny fitahian’Andriamanitra izy ireo rehefa nahatandrina tsara ny tenin’Andriamanitra. Ary efa nanafaran’Andriamanitra azy ireo izany rehefa mamaky ny Deo 28. 1-14 isika. Miresaka ny amin’ny fitahian’Andriamanitra ny olona izay mihaino sy mitandrina tsara ny tenin’Andriamanitra io. Tsy misy fitahiana azo antenaina ivelan’ny fitandremana tsara ny tenin’Andriamanitra.
- Fiainana mandrakizay: tsy mikendry ny hananan’ny olona fiainana ety an-tany ihany Andriamanitra raha manome ny teniny. Mikendry indrindra indrindra ny hahazoan’ny olona ny fiainana mandrakizay Izy. Izany rahateo no tena nanomezany ny teniny. Maty antoka isika raha ohatra ka mijanona ety ihany ny fitahian’Andriamanitra antsika. Izay hahatonga antsika handova lanitra no tena kendren’Andriamanitra, izany hoe izay hahatonga antsika hiara-belona miaraka Aminy mandrakizay.
2. Rehefa raketina ao am-po: MANOME FAHENDRENA (and 3)
“Afehezo eo amin'ny rantsan-tànanao izy, soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy”
Asain’ny mpanoratra soratana ao am-po toy ny amin’ny vato fisaka ny tenin’Andriamanitra (atao ireny tatouage ireny). Ny antony dia mba haharitra ao ka tsy ho voakosoka intsony. Solomona moa no heverin’ny maro fa nanoratra ny Ohabolana. Solomona izay nangataka fahendrena tamin’Andriamanitra no mahatsiaro fa ilaina ny mitahiry ao am-po ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao am-po mantsy dia midika fa:
- Mampahendry indrindra amin’izay aloaky ny vava: izay avy ao am-po tokoa no miloaka ny vava. Koa raha madio ny fo noho ny tenin’Andriamanitra dia hadio koa izay mivoaka ny vava. Ny fahadiovan’izay mivoaka ny vava dia mariky ny fahendrena azo avy amin’ny tenin’Andriamanitra.
- Be fitiavana: ao am-po no miainga ny fitiavana, fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ny tenin’Andriamanitra mahazo laka ao am-pon’ny olona dia hanampy azy be dia be hitia an’Andriamanitra sy ny namany. Izay tia an’Andriamanitra no hahay hitia ny namany, ary tena fahendrena ny fahaiza-mitia ny hafa. Izany fahendrena izany no tsapa tao amin’i Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao Izy. Izy izay nahavitra nitia hatramin’izay nanombo Azy teo amin’ny hazo fijaliana.

28/01/2023

Mofonaina Sabotsy 28 Janoary 2023
Isaia 46. 3-7
ANDRIAMANITRA TOMPO MPAHARY

Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. 5 Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? 6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
---------------
Raha miresaka fahababoana isika dia iray tamin’izay fampianarana nomena ireo Jiosy babo ny maha-Ray Andriamanitra. Raha Ray Andriamanitra dia Zanaka izany ireo vahoaka babo tany Babylona. Dia nampianarina tany arak’izany ny fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka teo amin’Andriamanitra sy ny vahoaka Isiraely babo. Ireto zavatra telo ireto no maha-Ray an’Andriamanitra

1. Andriamanitra mitondra hatrany am-bohoka Izy (and 3,4)
“Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo”
Anisan’ny vahoaka niadana ity vahoaka Jiosy ity manana an’Andriamanitra ho Rainy. Tena hatrany am-bohoka tokoa no efa nitantanan’Andriamanitra azy. Izany hoe nanomboka tamin’ny nitondrany an’i Abrahama, izay rain’izy ireo izany raha nantsoin’Andriamanitra ho any amin’ny tany izay mbola tsy fantany akory. Notantanany koa rehefa nivoaka an’i Egypta sy tamin’ny fotoana rehetra naha-tany an’efitra ary tany amin’ny tany Kanana. Andriamanitra mandray an-tànana ny fiainan’ny vahoakany ny Tompo ary ny tantara dia nanamarina izany. Rehefa tena tonga zanak’Andriamanitra isika dia ny Tompo no mitondra ny fiainantsika, ary rehefa ny Tompo no mitondra ny fiainantsika dia ho feno fitahiana sy fahasoavana mandrakariva izany.

2. Andriamanitra manafaka Izy (and 4)
“Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka”
Rehefa nisy zava-nanahirana ny Jiosy dia ny Tompo hatrany no niasa nanafaka azy ireo tamin’izany. Ny fampahatsiarovana ny tantara momba an’Andriamanitra manafaka dia fanomezan-toky ho an’ny Jiosy fa afaka manafaka azy ireo amin’ny fahababoana ny Tompo. Ray Andriamanitra ka tsy mahazaka mahita ny zanany ory noho ny fahababoana mahazo azy ka miasa manafaka azy. Tanteraka izany fanafahan’Andriamanitra izany tamin’ny alalan’i Kyrosy mpanjaka Persa. Ny tantaran’ny Zanak’Isiraely dia maneho amintsika ireo dingana samihafa nanafahan’Andriamanitra ny Zanany tamin’ny geja sy fatorana ary fahoriana samihafa. Mbola miasa manafaka antsika ny Tompo ka ny lehibe indrindra tamin’izany dia ny fanafahana antsika tamin’ny herin’ny fahotana izay mitondra fahafatesana.

3. Andriamanitra velona Izy (and 6,7)
“Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany”
Ireo andriamanitra eto amin’izao tontolo izao dia andriamanitra maty avokoa arak’izao ampianarin’i Isaia amintsika izao. Tsy manana hery akory hihetsehana izy ireo. Ary satria andriamanitra maty dia tsy afaka na ny mihaino ny olona mivavaka aminy akory. Tsy mba toa izany ny Tompo, Izy dia Andriamanitra velona, Izy no mamelona izao rehetra izao ihany koa. Afaka mandre izay mitaraina Aminy Izy ka mamonjy Azy. Efa voaporofo teo amin’ny tantaran’ny famonjena izany Andriamanitra mamonjy izay mitaraina Aminy izany. Ny famonjena lehibe indrindra nataon’Andriamanitra maneho ny fahavelomany dia tamin’ny alalan’i Jesoa izay nataony tonga nofo teto amin’izao tontolo izao ka nanolotra ny ainy ho famonjena antsika.

Mofonaina Zoma 27 Janoary 2023Asanny Apostoly 17. 16-34MPAHARY IZAO REHETRA IZAO ANDRIAMANITRAAry raha niandry azy tany ...
27/01/2023

Mofonaina Zoma 27 Janoary 2023
Asanny Apostoly 17. 16-34
MPAHARY IZAO REHETRA IZAO ANDRIAMANITRA
Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanĂ na feno sampy izy. 17 Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan-andro. 18 Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. 19 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay? 20 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany. 21 (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.) 22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra hianareo. 23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tĂ nana, 25 sady tsy mba tompoin'ny tĂ nan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra; 26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, 27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tĂ hiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: "Fa terany koa isika". 29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafosy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. 30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, 31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty. 32 Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany. 33 Ary Paoly dia niala teo aminy. 34 Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
---------------
Atena dia tanĂ na iray tao aminny Ampira Grika izay nahatohitra ny Ampira Persianina taminny taona 490-480 BC. AtenĂ  rahateo no anaranny andriamanibady izay nivavahanny olona tao. Mpiaro ny olona aminny ady sy tomponny fahaiza-taozavatra tsara tarehy ity AtenĂ  ity. Anisanny tanĂ na iray lehibe nampahalaza ny FilĂŽzĂŽfia koa Atena ka iray taminizay nampianatra tao aminny Oniversite taminizany tanĂ na izany i Socrate, Platon sy Aristote taty aorianany. Saika nivavahanny Atenianina avokoa ny zava-boahary rehetra na dia efa lasa lavitra taminny fahalalana aza izy ireo. Nananana fahamboniana ara-pahalalana ny Atenianina taminny androni Paoly fa tena ambany kosa teo aminny lafiny fivavahana. Raha nampianatra momba anAndriamanitra Mpahary Paoly tany Atena dia tonga nino azy ny Atenianina sasany araka izao mofonaina izao. Ireto no hafatra tsara ifampaherezana: Mpahary izao rehetra izao ny Tompo
1. Mbola maro no tsy mahalala Azy (and 16-23)
"Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?... Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany"
TanĂ nanny fahalala Atena kanefa tsy mahalala anAndriamanitra izy. Ambarani Lioka aza fa nahataitra ny fanahini Paoly ny fahitana sampy maro raha nandehandeha tao an-tanĂ nani Atena Paoly. Mahagaga fa olona noharianAndriamanitra ny Atenianina kanefa ambara fa tsy mahalala anAndriamanitra. Ary ilay soratra nataonizy ireo teo aminny alitara iray dia tena milaza mazava fa tsy fantany tokoa ny Tompo. Hoy ny mpandinika hoe vokatry ny fahotana ny antony tsy hahafantaranny olona anAndriamanitra. Tapaka noho ny fahotana ny fifandraisana aminAndriamanitra ka lasa tsy fantatry ny olona ny Andriamanitra Mpahary azy. Tsy any Atena ihany fa na eto Madagasikara koa aza dia mbola maro ny olona no tsy mahalala anAndriamanitra ho Mpahary azy, misy aza minia mandĂ  mihitsy ny maha-Mpahary anAndriamanitra. Olona tena maizina am-pototry ny mazava ny olona toa izany ka mahalasa fisainana ihany hoe aminny fotoana ankehitriny, izay mampivoatra tsy misy toa izany ny fahalalana kanefa maro no tsy mahalala anAndriamanitra. Fandinika ny zavatra toa izany!
2. Adidinizay mahalala no mampahafantatra (and 22-31)
"Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra"
Zavatra iray izay mampiavaka ny Atenianina ny fahalinany aminny zava-baovao. Hoy mantsy Lioka hoe: Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao and 21. Nararaotini Paoly nitoriana anAndriamanitra Mpahary sy Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana izany fahalianana teo aminizy ireo izany. Tsy manakana ny olona tsy ho liana hahafantatra anAndriamanitra tokoa ny fahotana. Asehonny tantara amintsika, ary ambarani Paoly mazava tsara fa adidinizay mahalala anAndriamanitra no mitory sy mampahafantatra anAndriamanitra sy Jesoa Kristy Zanany izay nomeny hery handresy ny fahafatesana. Tonga adidy ho antsika Kristianina arakizany no mitory ny maha-Mpahary anAndriamanitra. Arakarakizay fahafantarantsika anAndriamanitra no adidy takianizany hampahafantatra anAndriamanitra. Mahereza mitory fa mbola maro hoy isika teo aloha no tapaka fifandraisana aminny Tompo ka tsy mahalala Azy.
3. Mizara roa ny olona rehefa mandre momba anAndriamanitra (and 32-34)
"Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany. 33 Ary Paoly dia niala teo aminy ny olona sasany niray taminy ka nino"
Rehefa tena nitory tokoa Paoly dia nampizara roa izay nihaino ny fampianarani Paoly momba anAndriamanitra, indrindra momba ani Jesoa izay nandresy ny fahafatesana.
- Ny sasany nahare dia nihomehy, ilay fihomezana dia ho enti-milaza olona tsy mino, mandray ny fampianarani Paoly ho toy ny zavatra ho enti-mandrebireby fotsiny ihany. Liana aminny fahalalana fa tsy mba mety tonga aminny finoana.
- Ny sasany kosa vao mainka liana ka nanara-dia ani Paoly mihitsy, rehefa nahare bebe kokoa momba anAndriamanitra dia tonga taminny finoana mihitsy. Tsy nitoetra ho liam-pahalalana fotsiny fa nanaiky ny asanny Fanahy Masina ka tonga taminny finoana, fanekena ani Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, hany ka ilay fifandraisana tapaka teo aloha dia niverina indray, tonga zanakAndriamanitra.
Na inona na inona fahalalana omena antsika momba anAndriamanitra sy Jesoa Kristy, ny tanjonizy ireny dia ny hahatonga antsika hino ka hifandray indray aminAndriamanitra aminny maha-Zanany antsika.

04/05/2022

Mofonaina Alarobia 04 Mey 2022
Jaona 4. 19-24
KRISTIANINA HAVAOZIN’NY FANAHY MASINA REHEFA MIVAVAKA
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
----------------
Olana fototra vahan’i Jaona ao amin’ny Filazantsara nosoratany ny momban’ny famonjena. Fanontaniana apetraky ny olona mantsy ny hoe : ho an’iza ny famonjena ? Rehefa mihaino an’i Jaona isika dia mahalala tsara fa ho an’ny olona rehetra ny famonjena. Ny fampiasan’i Jaona ny voambolana hoe : « izao tontolo izao » no mahatonga antsika hiteny izany. Jaona dia miresaka sy manao ho zava-dehibe ny momban’ny « Universalisme du Salut ». Arak’izany rehefa mamaky izao mofonaina izao isika dia mahita fa izay havaozin’ny Fanahy Masina, rehefa mivavaka, mifandray amin’ny Andriamanitra dia
1. Mandrava ny elanelana mampisaraka (and 20-22)
« Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana
 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray »
Elanelana roa no mampisaraka an’i Jesoa amin’ity vehivavy samaritana ity :
- Elanelana ara-piarahamonina : Jesoa Jiosy, ilay vehivavy samaritana. Ara-piarahamonina dia tsy mifandray, tsy mifanerasera izy ireo. Satria safiotra ny Samaritana dia fady tamin’ny Jiosy ny nifanerasera tamin’izy ireo. Tsy navelan-dr’i Ezra koa tamin’ny fotoana nandray anjara tamin’ny fananganana indray ny tempoly izy ireo.
- Elanelana ara-pivavahana : samy milaza mivavaka amin’Andriamanitra na ny Jiosy na ny Samaritana kanefa misy elanelana be eo amin’izy ireo. Ny toeram-pivavahana samy manana ny azy, ny Andriamanitra koa toa samy manana raha mihaino tsara an’i Jesoa (ny an’ny Jiosy fantany izay ivavahany, ny an’ny samaritana tsy fantany).
Teo anatrehan’izany elanelana roa sosona izany dia niezaka nanalavitra an’i Jesoa ity vehivavy, Jesoa kosa anefa nisisika nifandray taminy hatrany, ary noho Jesoa nisisika nifandray taminy izay no nahatonga an’i Jesoa afaka nitondra ny famonjena ho azy sy ho an’ny mpiray tanĂ na rehetra ka nahatonga azy ireo nanao ilay fanekem-pinoana lehibe hoe : « Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao » and 42.
Mbola betsaka ny elanelana mampisaraka antsika Malagasy na dia samy Malagasy, na dia samy Kristianina aza. Eo ohatra ny fiaviana – faripiainana – fari-pahalalana – volon-koditra – sns
 handeha hanaiky havaozin’ny Fanahy Masina ka handrava izay rehetra mety mampisaraka.
2. Mivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana (and 23,24)
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana»
Izay mivavaka amin’Andriamanitra dia ambaran’i Jesoa eto fa tsy hoe tokony hivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana, fa TSY MAINTSY mivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana. Izao no dikan’izany
- Mivavaka tarihin’ny Fanahy Masina : izay mivavaka amin’ny Fanahy dia olona vonona hivavaka ka ny Fanahy Masina no mitarika azy amin’izany. Olona vonona hifandray amin’Andriamanitra ka ny Fanahin’Andriamanitra no mitarika azy amin’izany. Mba tsy ho diso Andriamanitra hivavahana ny mino dia ilainy ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ity vehivavy ity mantsy tsy mahafantatra izay hivavahany ka nampianarin’i Jesoa hanaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahatonga azy hifandray marina amin’Andriamanitra.
- Mandray roa ny hevitry ny hoe mivavaka amin’ny fahamarinana rehefa dinihina tsara :
a-) mivavaka, ka ilay olona mivavaka dia manana fiainana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Jaona dia mampianatra antsika fa ny tenin’Andriamanitra no fahamarinana (tenin’Andriamanitra = fahamarinana), noho izany izay mivavaka amin’ny fahamarinana dia zava-dehibe takian’Andriamanitra aminy ny manana fiainana marina, izany hoe mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra.
b-) mivavaka, ka ilay olona mivavaka dia mifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (fahamarinana = Jesoa Kristy), Jesoa tokoa mantsy no lalana sy FAHAMARINANA ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Ray (mifandray amin’Andriamanitra) raha tsy amin’ny alalany.
Tsy misy na iza na iza afaka manana fiainana mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra, mifandray marina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy raha tsy noho ny asan’ny Fanahy Masina. Ny mahafinaritra ny mahita ny fahaizan’i Jesoa mampianatra ny olona hivavaka. Mivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana hoy Jesoa fa tsy hoe mivavaka amin’ny Fahamarinana sy Fanahy. Ny Fanahy mandeha alohan’ny Fahamarinana. Midika izany fa izay manaiky tarihin’ny Fanahy Masina irery ihany no tena hananana fiainana mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra sy tsara fifandraisana amin’i Jesoa ka tsy ho diso Andriamanitra ivavahana.

11/04/2022

Mofonaina Alatsinainy 11 Aprily 2022
Marka 5. 35-43
JESOA NAMPITSANGANA NY ZANAKAVAVIN’ILAY MPANAPAKA NY SYNAGOGA
Raha mbola niteny Jesoa, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana hianao no mbola manahirana ny mpampianatra ihany? 36 Fa tsy nahoan'i Jesoa izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. 37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. 38 Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesoa ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. 39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy. 41 Dia nandray ny tĂ nan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe: raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: MitsangĂ na. 42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona. 43 Ary Jesoa nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
----------------
Ny fananganana ny zanakavavin’ilay mpanapaka ny synagoga dia asa nanehoan’i Jesoa ny maha-Andriamanitra azy koa. Efa nitabataba sy nitomany ny iray tanàna noho ny fiheveran’izy ireo fa efa maty ilay zazavavy ary tsy tokony hosahiranina intsony Jesoa. Tsy nanakana an’i Jesoa tsy ho any an-tanànan’ilay mpanapaka ny synagoga anefa ny fandrenesana an’izany. Rehefa tonga tao Jesoa dia noroahany ireo olona nihomehy rehefa niteny Izy fa matory razazavavy. Ny fihomezana mantsy eto dia mariky ny tsi-finoana an’i Jesoa afaka manangana amin’ny maty. Nitsangana ity zazavavy ity noho ireto antony roa ireto
1. Niditra tao amin’ny ilay tokantrano nisy an-drazazavavy (and 38,39)
« Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesoa ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. 39 Ary rehefa niditra Izy »
Tamin’ny fotoana mbola tsy naha-tao an-tanàna an’i Jesoa dia natory ilay zazavavy. Tamin’ny fomba fijerin’ny mpiray tanàna dia maty mihitsy izy. Midika izany fa amin’ny toerana tsy misy an’i Jesoa, amin’ny sehatra tsy eo Jesoa dia misy fahafatesana mandrakariva. Fahafatesana izay mahatonga tabataba sy finaonaonana be. Fahafatesana izay mitondra fahoriana lehibe ho an’ny ankohonana izay manana izany. Rehefa nidiran’i Jesoa kosa anefa ity tanàna ity, ity tokantrano ity, ity ankohonana ity dia haintsika tsara fa natsangany tamin’ny maty ity zazavavy. Rehefa omena sehatra Jesoa, rehefa avela hiditra Jesoa dia ho resy ny endri-pahafatesana maro misy. Jesoa tokoa no herin’Andriamanitra handreseny ny fahafatesana. Amin’ny fotoana hamelantsika an’i Jesoa hiditra eo amin’ny fiainantsika no hahazoantsika hery handresentsika ny fahafatesana.
2. Niteny tamin-drazazavavy (and 41,42)
« Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe: raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. 42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha »
Rehefa tafiditra tao Jesoa ka nivoaka ireo tsy nino dia nandray ny tànan-drazazavavy (nifandray mivantana taminy) ary niteny. Io fifandraisana mivantana amin’i Jesoa sy ny herin’ny teniny io ihany no afaka handresena ny fahafatesana. Izay rehetra tonga amin’io fifandraisana mivantana amin’i Jesoa sy manome laka ny teniny io no mandresy ny fahafatesana. Toa izany ity zazavavy 12 taona ity. Nomen’Andriamanitra antsika tokoa Jesoa hanampy antsika handresy ny fahafatesana, nomeny antsika koa ny teniny mba hiasa eo amin’ny fiainantsika, koa izay mahazo izany no hahazo fiainana. Ilaintsika mandrakariva ny tenin’Andriamanitra, izany no mamelona ny tenantsika mety maty ity. Ary tsy fiainana eto amin’izao tontolo izao ihany no azon’i Jesoa sy ny tenin’Andriamanitra omena antsika fa fiainana mandrakizay mihitsy.

09/04/2022
08/04/2022

Mofonaina Zoma 08 Aprily 2022
Apokalypsy 1. 17-20
JESOA : VELONA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY
Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tĂ nany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. 19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 20 dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tĂ nako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito; ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.
----------------
Jesoa ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy no niantso an’i Jaona Apostoly ka naneho taminy ny fahefany sy ny fanjakany any an-danitra. Rehefa naharesy izao tontolo izao tokoa mantsy Jesoa dia nakarina ho any an-danitra ary miara-manjaka amin’Andriamanitra arivo taona. Ho fampaherezana ireo Kristianina niharan’ny fanenjehana no nanehoan’i Jesoa ny voninahiny tany an-danitra mba tsy hisy hiala amin’ny finoana Azy ireo. Jesoa velona mandrakizay tokoa mantsy dia
1. Efa maty noho ny fahotan’izao tontolo izao (and 17,18)
« Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, 18 dia Ilay velona; efa maty Aho »
Tenin’i Jesoa ho fampahafantarana ny tenany tamin’i Jaona Apostoly ity teny ity. Teny mampahatsiaro an’i Jaona fa efa maty tokoa Jesoa, ary noho ny fahotan’izao tontolo izao no nahafaty Azy : fahafatesana tokoa no tambin’ny ota. Maty nitondra ny fahotan’izao tontolo izao, maty nanaiky hisolo voina ny olombelona rehetra eto amin’izao tontolo izao. Fahafatesana hafa kely, tsy vokatry ny natao fa vokatry ny nataon’ny hafa ka nekena ho mariky ny fitiavana izao tontolo izao. Fahafatesana nateraky ny fitiavana izao tontolo izao, fahfatesana noho ny fikasana hamonjy izao tontolo izao. Izao mofonaina izao dia mampahatsiaro antsika ny fitiavan’i Jesoa antsika sy ny nanolorany ny tenany hisolo voina antsika.
2. Nandresy ny fahafatesana (and 18)
« Nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita »
Tsy resin’ny fahafatesana anefa Jesoa na dia maty aza. Nomen’Andriamanitra hery ho enti-mandresy ny fahafatesana Izy. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Izy. Ary rehefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Izy dia tonga velona mandrakizay. Natsangan’i Jesoa tamin’ny maty ihany Lazarosy kanefa mbola niverina ho faty indray. Jesoa kosa no voalohany nitsangana tamin’ny maty ary velona mandrakizay. Tonga manana ny fanalahidin’ny fahafatesana aza Izy. Ka izay rehetra tonga amin’ny finoana Azy dia hatsangany amin’ny maty koa amin’ny andro farany. Sambatra isika, fa noho ny amin’i Jesoa dia tonga afaka mandresy ny fahafatesana koa.
3. Momba ny fiangonana Kristianina (and 20)
« Ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tànako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito; ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito »
Na dia iharan’ny fanenjehana aza ny fiangonana tamin’ny andron’i Jaona Apostoly dia nomen’i Jesoa toky fa eo am-pelan-tànany izany fiangonana izany. Hitany sy tsapany ny mahazo Azy, ary ho fampaherezana azy miatrika ny fanenjehana no anton’izao hafatra ho an’ny fiangonana izao. ny fomban’i Jesoa ny fiangonana no mahatonga ny fiangonana mahajoro vavolombelona na dia iharan’ny zava-tsarotra aza. Ny fandresen’i Jesoa ny fahafatesana arak’izany dia fanomezan-toky fa raha mifikitra Aminy ny fiangonana dia tsy ho resin’ny fahatesana fa handresy izany toa an’i Jesoa Tompony efa naharesy izany.

07/04/2022

Manomana fiainana tsara be ho anao Andriamanitra anio♄

07/04/2022

Mofonaina Alakamisy 07 Aprily 2022
Levitikosy 18. 1-5
NY FOMBA HO ENTI-MANDRESY NY FAHAFATESANA KA HAHAVELONA
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo: 3 Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany KanĂ na, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. 4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.
----------------
Rehefa mamaky tsara ny mofonaina androany isika dia omen’Andriamanitra mazava tsara antsika ny fomba tsotra indrindra handresena ny fahafatesana ka hahavelomana. Mbola tsy tafiditra ny tany Kanana ny Zanak’Isiraely raha mamaky tsara ny tantara isika, ary ny tany izay nomen’Andriamanitra azy dia tanim-piadanana. Mba hisitrahan’ireto vahoakany izany fiadanana izany dia
1. Tsy mahazo manao ny fanaon’ny Jentilisa izy (and 3)
« Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanàna, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany »
Tsy avelan’Andriamanitra hanao ny fomban’ireo firenena manompo sampy ny vahoaka Isiraely. Tsy avelany hanao ny fanaon’ny firenena Egyptianina izay nanafahan’Andriamanitra azy, tsy avelany koa hanao ny fanaon’ny kananita. Samy manana ny andriamaniny mantsy ireo ary samy manana ny fomba fanompoany azy. Tsy zakan’Andriamanitra mihitsy raha ireto vahoaka notantanany sy navotany no hanao ny tsy fanao.
Amin’ny maha-kristianina antsika dia misy fomba amam-panao efa tsy fanaontsika intsony na dia mbola hifikiran’ny ankamaroan’ny olona eo amin’ny fiarahamonina aza. Tsy azontsika atao sao isika voasarika hanompo Andriamanitra tsy izy any. Sao mampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy izany. Tena mendrika ny manapaka fifandraisana amin’ireny fomba amam-panao tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ireny.
2. Mila mankato ny tenin’Andriamanitra izy (and 4)
« Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah »
Tsy misaraka amin’ny fanarahana ny tenin’Andriamanitra ny fomba tsotra indrindra ho enti-mandresy ny fahafatesana. Izay te ho velona dia mila mifikitra sy mankato tsara ny tenin’Andriamanitra. Io fankatoavana ny tenin’Andriamanitra io no miantoka ny hahazoana misitraka ny fiadanana omen’Andriamanitra ny vahoakany.
Isika ankehitriny dia antsoin’ny tenin’Andriaman
itra ho tonga amin’ny fankatoavana, izany hoe hanana fiainana mifanaraka tsara amin’ny filazantsara mba ho afaka hisitraka ny fiainana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Rehefa matanjaka tsara ny fankatoavantsika ny tenin’Andriamanitra dia tena afaka misitraka tsara ny fiainana be dia be omen’i Jesoa isika. Afaka mandresy ireo endri-pahafatesana maro mpahazo ny olon’izao tontolo izao.

Address

RN3A
Amparafaravola
504

Telephone

+261341565045

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when đ“œđ“žđ“Żđ“žđ“·đ“Șđ“Čđ“·đ“Ș đ“Čđ“Œđ“Șđ“·đ“Șđ“·đ“­đ“»đ“ž posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to đ“œđ“žđ“Żđ“žđ“·đ“Șđ“Čđ“·đ“Ș đ“Čđ“Œđ“Șđ“·đ“Șđ“·đ“­đ“»đ“ž:

Share