27/01/2023
Mofonaina Zoma 27 Janoary 2023
Asanny Apostoly 17. 16-34
MPAHARY IZAO REHETRA IZAO ANDRIAMANITRA
Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanĂ na feno sampy izy. 17 Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan-andro. 18 Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. 19 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay? 20 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany. 21 (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.) 22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra hianareo. 23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tĂ nana, 25 sady tsy mba tompoin'ny tĂ nan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra; 26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, 27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tĂ hiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: "Fa terany koa isika". 29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafosy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. 30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, 31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty. 32 Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany. 33 Ary Paoly dia niala teo aminy. 34 Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
---------------
Atena dia tanĂ na iray tao aminny Ampira Grika izay nahatohitra ny Ampira Persianina taminny taona 490-480 BC. AtenĂ rahateo no anaranny andriamanibady izay nivavahanny olona tao. Mpiaro ny olona aminny ady sy tomponny fahaiza-taozavatra tsara tarehy ity AtenĂ ity. Anisanny tanĂ na iray lehibe nampahalaza ny FilĂŽzĂŽfia koa Atena ka iray taminizay nampianatra tao aminny Oniversite taminizany tanĂ na izany i Socrate, Platon sy Aristote taty aorianany. Saika nivavahanny Atenianina avokoa ny zava-boahary rehetra na dia efa lasa lavitra taminny fahalalana aza izy ireo. Nananana fahamboniana ara-pahalalana ny Atenianina taminny androni Paoly fa tena ambany kosa teo aminny lafiny fivavahana. Raha nampianatra momba anAndriamanitra Mpahary Paoly tany Atena dia tonga nino azy ny Atenianina sasany araka izao mofonaina izao. Ireto no hafatra tsara ifampaherezana: Mpahary izao rehetra izao ny Tompo
1. Mbola maro no tsy mahalala Azy (and 16-23)
"Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?... Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany"
TanĂ nanny fahalala Atena kanefa tsy mahalala anAndriamanitra izy. Ambarani Lioka aza fa nahataitra ny fanahini Paoly ny fahitana sampy maro raha nandehandeha tao an-tanĂ nani Atena Paoly. Mahagaga fa olona noharianAndriamanitra ny Atenianina kanefa ambara fa tsy mahalala anAndriamanitra. Ary ilay soratra nataonizy ireo teo aminny alitara iray dia tena milaza mazava fa tsy fantany tokoa ny Tompo. Hoy ny mpandinika hoe vokatry ny fahotana ny antony tsy hahafantaranny olona anAndriamanitra. Tapaka noho ny fahotana ny fifandraisana aminAndriamanitra ka lasa tsy fantatry ny olona ny Andriamanitra Mpahary azy. Tsy any Atena ihany fa na eto Madagasikara koa aza dia mbola maro ny olona no tsy mahalala anAndriamanitra ho Mpahary azy, misy aza minia mandĂ mihitsy ny maha-Mpahary anAndriamanitra. Olona tena maizina am-pototry ny mazava ny olona toa izany ka mahalasa fisainana ihany hoe aminny fotoana ankehitriny, izay mampivoatra tsy misy toa izany ny fahalalana kanefa maro no tsy mahalala anAndriamanitra. Fandinika ny zavatra toa izany!
2. Adidinizay mahalala no mampahafantatra (and 22-31)
"Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra"
Zavatra iray izay mampiavaka ny Atenianina ny fahalinany aminny zava-baovao. Hoy mantsy Lioka hoe: Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao and 21. Nararaotini Paoly nitoriana anAndriamanitra Mpahary sy Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana izany fahalianana teo aminizy ireo izany. Tsy manakana ny olona tsy ho liana hahafantatra anAndriamanitra tokoa ny fahotana. Asehonny tantara amintsika, ary ambarani Paoly mazava tsara fa adidinizay mahalala anAndriamanitra no mitory sy mampahafantatra anAndriamanitra sy Jesoa Kristy Zanany izay nomeny hery handresy ny fahafatesana. Tonga adidy ho antsika Kristianina arakizany no mitory ny maha-Mpahary anAndriamanitra. Arakarakizay fahafantarantsika anAndriamanitra no adidy takianizany hampahafantatra anAndriamanitra. Mahereza mitory fa mbola maro hoy isika teo aloha no tapaka fifandraisana aminny Tompo ka tsy mahalala Azy.
3. Mizara roa ny olona rehefa mandre momba anAndriamanitra (and 32-34)
"Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany. 33 Ary Paoly dia niala teo aminy ny olona sasany niray taminy ka nino"
Rehefa tena nitory tokoa Paoly dia nampizara roa izay nihaino ny fampianarani Paoly momba anAndriamanitra, indrindra momba ani Jesoa izay nandresy ny fahafatesana.
- Ny sasany nahare dia nihomehy, ilay fihomezana dia ho enti-milaza olona tsy mino, mandray ny fampianarani Paoly ho toy ny zavatra ho enti-mandrebireby fotsiny ihany. Liana aminny fahalalana fa tsy mba mety tonga aminny finoana.
- Ny sasany kosa vao mainka liana ka nanara-dia ani Paoly mihitsy, rehefa nahare bebe kokoa momba anAndriamanitra dia tonga taminny finoana mihitsy. Tsy nitoetra ho liam-pahalalana fotsiny fa nanaiky ny asanny Fanahy Masina ka tonga taminny finoana, fanekena ani Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, hany ka ilay fifandraisana tapaka teo aloha dia niverina indray, tonga zanakAndriamanitra.
Na inona na inona fahalalana omena antsika momba anAndriamanitra sy Jesoa Kristy, ny tanjonizy ireny dia ny hahatonga antsika hino ka hifandray indray aminAndriamanitra aminny maha-Zanany antsika.