STK Chapelle Militaire Ampahibe: Antsan'ny Foloalindahy & RFF

STK Chapelle Militaire Ampahibe: Antsan'ny Foloalindahy & RFF Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from STK Chapelle Militaire Ampahibe: Antsan'ny Foloalindahy & RFF, Religious organisation, Ampahibe, Ampahibe.

Finaritra eee 🥰👋 Roso ny dia hanohy ny fanompoana any Nosy Be Hell Ville ☀️🌊 Misaotra ireo izay nanohana hatrany ary ind...
23/08/2026

Finaritra eee 🥰👋

Roso ny dia hanohy ny fanompoana any Nosy Be Hell Ville ☀️🌊

Misaotra ireo izay nanohana hatrany ary indrindra mangataka ny fitondranareo am-bavaka 🙏☺️

Mandra-pihaona vetivety ooo 👋

58 taona nijoroana nitoriana ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fitiavany 🥰 Arahabaina isika rehetra ary ho an’Andriamani...
18/08/2026

58 taona nijoroana nitoriana ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fitiavany 🥰

Arahabaina isika rehetra ary ho an’Andriamanitra irery hatrany anie ny voninahitra 🙏☺️

Fankalazana :
Faha-58 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM)
18 Aogositra 1968 – 18 Aogositra 2026

FIARAHABANA SY FIRARIAN-TSOA

Ry Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara malala,
“Arahabaina! Arahabaina! Arahabaina avokoa!”

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia miarahaba sy mirary ny fiadanan’Andriamanitra ho an’ny FJKM manontolo isika amin’izao fankalazana izao.

Feno 58 taona androany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, izay nitondra tamin’ny fomba ofisialy izany anarana izany rehefa nitambatra ireo Misiona Protestanta telo: LMS, FFMA ary MPF, ny 18 Aogositra 1968.

Koa tsy fankalazana taona fotsiny izao, fa fotoana hahatsiarovana ny fitarihan’Andriamanitra, hankasitrahana ny fahasoavany, ary hijerena ny andraikitra mbola miandry antsika.

Arahabaina indrindra:
Ny Filohan’ny FJKM;
Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe;
Ireo Mpiandraikitra Foibe FJKM rehetra;
Ny Sekretera Jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonian’ny Departemanta sy ny mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonia sy Tale rehetra, samy amin’ny andraikiny avy;
Ireo Prezida Synodaly sy ny mpiara-miasa aminy rehetra;
Ny Tale sy ireo mpampianatra sy mpanabe eo amin'ny sekoly FJKM
Ireo Mpitandrina mivady amin’ny Fitandremana rehetra, manerana an’i Madagasikara sy maneran-tany;
Ireo Katekista Delege;
Ireo Katekista;
Ireo Mpiandry;
Ireo Mpitoriteny;
Ireo Mpiandraikitra isaky ny Sampana;
Ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo;
Ireo Katekomena;
Ary ny Kristiana rehetra, isan-tokantrano sy isam-batan’olona, na zokiolona na zandriolona.

Arahabaina avokoa!
Ho an’izay rehetra efa nitondra ny FJKM tamin’ny fotoan-tsarotra sy tamin’ny fotoam-pifaliana, ho an’izay mbola mitondra azy ankehitriny, ary ho an’izay hanohy hitondra azy rahatrizay:
Mankasitraka anareo!

Mampahery anareo! Ary mirary ny fahasoavan’Andriamanitra ho aminareo!

"mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo" I Kor 15, 58b

Finaritra e ☺️ « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna, raha misy mihaino ny feoko ka mamòha ny varav...
08/08/2026

Finaritra e ☺️

« Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna, raha misy mihaino ny feoko ka mamòha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho… » Apokalipsy 3 : 20

« Andron’ny Famonjena, Andron’ny Fanafahana, Ary Fanarenana ho an’ny rehetra »

Isaorana Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara indray ny asa fitoriana Filazantsara nanirahany anay androany niarahana tamin’ny Toby Jesosy Kristy Shalom androany nandritra ny Tafika Masina Lehibe izay natao tao amin’ny Espace La Salle Sainte Famille Mahamasina 🥰🙏

Ho Azy irery anie ny voninahitra 🙏
Soli Deo Gloria ✨

Finaritra e ☺️👋Tontosa soa aman-tsara indray ny asa fitoriana sy fanompoana omaly izay natao teny amin’ny FJKM Kristy Fe...
13/07/2026

Finaritra e ☺️👋

Tontosa soa aman-tsara indray ny asa fitoriana sy fanompoana omaly izay natao teny amin’ny FJKM Kristy Fehizoro Ambatolampy Tsimahafotsy 🙏

Indreo misy sary vitsivitsy fanehoana tianay ho zaraina amitsika 😁

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra 🥰

« Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jo...
24/05/2026

« Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » Asa 1 : 8

Izahay eto anivon’ny STK Chapelle Militaire Ampahibe: Antsan'ny Foloalindahy & RFF dia mirary pentekosta feno fiadanana sy fahasoavana ho anao 🥰😊.

Ny Fanahy Masina anie hitoetra amitsika rehetra mandrakariva. 🕊❤️

24/01/2026

« 𝗠𝗮𝗵𝗮𝘆 𝗻𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗵𝗼 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 𝗮𝗵𝘆 » (𝗙𝗶𝗹 𝟰.𝟭𝟯)
Ny Alahady 25 Janoary 2026 amin'ny 07 ora maraina, ao amin'ny Chapelle Militaire Ivato, no hanatanterahana ny fanompoam-pivavahana hisaorana an'Andriamanitra ka hanokafana ara-miaramila ny Fankalazana ny Jobily Volafotsy maha Mpitandrina ny Rev. Dr. RAKOTOZAFY Micaël mivady.
Mitondra izany fotoana izany am-bavaka isika.

"Mifalia ry sakaiza, fa nahazo taom-baovao" Ffpm 746 Arahabaina nahatratra ny taona eee 🥳🎉Manonona ny fiadanan'ny Tompo ...
05/01/2026

"Mifalia ry sakaiza, fa nahazo taom-baovao" Ffpm 746

Arahabaina nahatratra ny taona eee 🥳🎉

Manonona ny fiadanan'ny Tompo ho amitsika rehetra 🙏. Amin'izao taom-baovao izao dia mahafaly anay ny mizara aminareo sombin-tsary nandritra ny rindra-kira natao ny 23 Desambra 2025 lasa teo 🤩

Mankafiza finaritra ary aza miala lavitra fa hisy vokatra maromaro ho zarainay aminareo eto 🥰

"Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe M...
25/12/2025

"Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana" Isaia 9 : 5

Fifaliana ho anay eto anivon'ny STK Chapelle Militaire Ampahibe: Antsan'ny Foloalindahy & RFF ny miarahaba anao nahatratra ny Krismasy 2025 ary maniry raha maniry ny hahatratrarantsika rehetra ny taona vaovao 2026🥰☺️

Ho Krismasy hitondra fiadanana sy fitiavana ho anao anie izao anio izao ary hamirapiratra aminao ny voninahitr'Izy Tompo ✨🙏

Soli Deo Gloria 🙏❤️ Isaorana Andriamanitra lehibe noho ny fahatontosan’ny seho androany Isaorana ny mpitandrina Révérend...
23/12/2025

Soli Deo Gloria 🙏❤️

Isaorana Andriamanitra lehibe noho ny fahatontosan’ny seho androany

Isaorana ny mpitandrina Révérend Docteur Micaël Rakotozafy sy ny biraon’ny Fiangonana ChapMi-AumoPro

Isaorana ny biraon’ny STK Chapelle Militaire Ampahibe: Antsan'ny Foloalindahy & RFF indrindra fa ny mpitarika sy mpampianatra hira Rindra RAJERIASON ary ny mpikambana rehetra

Isaorana ireo sakaiza sy mpanohana rehetra ary ianareo tonga nanatrika

Feno ny fonay noho ny fahatontosan’izao seho izao

KRISTY NO TOMPO 🙏✨

Address

Ampahibe
Ampahibe
101

Telephone

+261320347151

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK Chapelle Militaire Ampahibe: Antsan'ny Foloalindahy & RFF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share