19/06/2025
NY ZANAKA SY NY RAY@DRENY:
TSY HANENENANAO NY MAMAKY ITY HAFATRA ITY HATRAMIN'NY FARANY.
โคOhabolana 13:1โค
[1]Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
๐ 1. "Qualification" ny zanaka hendry ny "Fahaizana Mihaino"
Porofon'ny tsy fahaizana mihaino ny fandikana vilana ary ny fandavana tsotra izao na dia marina aza ilay resahina aminao sy ny tsy fetezana hihaino raha tokony hangina.
MAHAIZA MIHAINO.
๐ 2. NY TENA RAY@DRENY DIA MAHAY MANANATRA NY ZANAKA:
Ry Ray@dreny na tahaka ny ahoana ny fahaizanao mitaiza na tahaka ny ahoana ny hifehezanao ny zanakao ary na dia olom-boahosotra tahaka ny ahoana ianao, izany rehetra izany dia tsisy hasakana ny zanakao tsy hanao hadisoana.
Ny fanotaniana mipetraka dia izao: REHEFA MISEHO IZANY FAHADISOANA IZANY, MOA VE ISIKA RAY@DRENY HAHAY HANANATRA?
Tsarovy ry ray@dreny malala isany, tsy hoe diso akory ny zanakao dia ny zavatra rehetra no azonao atao aminy.
Ny tena ray@dreny dia tsy voatery hampifaly anao lava fa mananatra anao mba hanananao HOAVY TSARA.
MAHAIZA MANANATRA RY RAY@DRENY MALALA ISANY.
๐ 3. IREO ZANAKA MPANIRATSIRA:
๐ Tsy mety andairan'ny fananarana,
๐ Mody mihaino rehefa anarina nefa mitohy mikikitra amin'izay ananarana azy,
๐ Mihevitra lava fa mahalala zavatra mihoatra ny ray@dreny dia feno fanoherana sy fikomiana anaty rehefa tenenina sy anarina,
๐ Avo vava sy be fandrahonana rehefa tenenina amin'ny tsy mety,
๐ Tsy te ho fehezina fa te hanao izay tiany lava,
๐ Manamafy fo tsy hihaino izay ananarana azy, ...........
๐ Ry Tanora mpaniratsira ray@dreny isany, miverina amin'Andriamanitra sy ny Ray@dreninao ary Mibebaha diany mbola misy ny anio fa voafetra ny fotoananao.
๐ด RY ZANAKA MALALA ISANY:
๐ SAMBATRA IANAO RAHA MBOLA MISY MANANATRA,
๐SAMBATRA IANAO RAHA MBOLA MISY OLONA SAHY MITENY NY TSY METY ATAONAO,
๐SAMBATRA IANAO RAHA MBOLA MISY OLONA MANARA-MASO ANAO AKAIKY,
๐SAMBATRA IANAO RAHA MANANA OLONA HENTITRA AMINAO ANKEHITRINY MBA HANANANAO HOAVY MAHAFINARITRA,
๐SAMBATRA IANAO RAHA MISY MPIFEHY FA TSY GABORARAKA, ......
๐ TIAVA FANANARANA FA ANTOKA NY HOAVINAO IZANY.
๐ด RY TANORA MALALA ISANY:
๐ . Izao tontolo izao dia mamolavola anao hoan'ny amin'ny fahalotoana sy ny fahaverezana fa ny tena Ray@dreny mamolavola anao amin'ilay Tena Fiainana.
๐ . Aza miandry anao ho rava vao hiaky fananaran-drayaman-dreny.
๐ . Aleo manaiky anarina toy izay anarin'ny fiainana,
๐ . Aleo miteny hoe: SOA IHANY AHO FA Toy izay hoe TAHAKA IZAY AHO MBA...
๐ . Aza manaiky hamita-tena fa izay afafinao anio ihany no hamaritra ny ho jinjainao rahampitso.
๐ . Tadidio fa afaka mamitaka ny ray@dreninao ianao fa kosa ny vokatra ateraka ny zavatra ataonao tsy afaka ny hamitaka anao amin'ny fiainanao.
๐ . Tsy faible ny ray@dreninao raha misafidy hamela ny helokao foana fa mikendry ny hasoa ny hoavinao izy.
๐ . Aza adino fa misy farany ny zavatra rehetra.
๐ . Mbola ho ray@dreny ianao indray andro any ka izay tianao hataon'ny zanakao aminao rahatrizay no ataovy amin'ny ray@dreninao izao.
๐ . Mahaiza mihaino rehefa misy mananatra ary Tiavo sy omeo haja araka ny tokony ho izy ireo Ray@dreny izay mazoto mananatra anao.
๐ . Mety anananao ny vola sy ny harena ary ny tanjaka androany fa kosa ny alahelo apetrakao ao ampon'ny Ray@dreninao tsy hasoa ny rahampitsonao.
๐ Miovร diany mbola tsy tara loatra fa efa maro ny nanenina talohanao.
๐ด RY RAY@DRENY MALALA ISANY:
โค TIAVO NY ZANAKAO NA AONA NA AONAO ARY NA MANAO AHOANA KOA NY FIAINANAO,
โค AZA AHILIKA NY ZANAKAO RAHA MANAO FAHADISOANA FA ANARO.
โค OMEO FAHASOAVANA IZY TAHAKA NY NANOMEZAN'ANDRIAMANITRA FAHASOAVANA ANAO.
โค NY FITAIZANA DIA TSY VITAN'OLONA TSY MANAM-PAHARETANA SY TSY VONONA NY HIARITRA.
โค NA DIA MAFY AZA NY ZAVATRA ATAON'NY ZANAKAO ANAO MATETIKA DIA MISAFIDIANA HAMELA SY HITIA AZY IRENY FA AZA MANOZONA AZY IRENY.
โค MAHARETA ANATIN'NY VAVAKA FA TSY ADALA ANDRIAMANITRA AKORY KA TSY HAHITA NY FANIRIANAO MAHAKASIKA IREO ZANAKAO AO AMPONAO.
โค ARY RAHA MBOLA KELY NY ZANAKAO DIA ZARO AMIN'NY TOKONY HALEHANY FA REHEFA LEHIBE IZY TSY HO AFAKA AMIN'IZANY.
โค MANรNA FOTOANA HIRESAHANA AM-PO AMIN'NY ZANAKAO FA AZA VARINA AMIN'NY FITADIAVANA LAVA FA NY DEVOLY ANIE KA TE HAMIRAVIRA ARY HANIMBA NY HOAVIN-JANAKAO.
๐ ANDRIAMANITRA NY FIFANDRAISANA ANIE HIDINA ANTSEHATRA AMIN'NY OLANA ARAM-PIFANDRAISANA REHETRA.
๐ IZY ANIE HAMERINA AMIN'NY LAONINY NY FIFANDRAISAN'NY RAY@DRENY SY NY ZANAKA REHETRA.
Ohabolana 17:6
[6]Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
SARY: izahay mianaka miara-milalaoโค.