15/01/2022
Tatitra azo avy tamin’i Abdullah ibn ‘Abbas Radhiyallah ‘anhou,
Niteny tamin’i Al ‘Abbas ibn Abdul Mouttalib I Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam manao hoe:
O ry ‘Abbas, dadatoako, tsy omeko anao ve? Tsy ho lazaiko aminao ve? Tsy ho tolorako anao ve ny zavatra folo?
Raha ataonao izy ireo, Allah dia hamafa ny fahotanao rehetra, hatramboalohany ka hatramin’ny farany, taloha na vaovao, kinianao na tsy kinianao, ngeza na kely, tankiafinafina na nibaribary.
Ireto ary ireo zavatra folo ireo:
Ianao dia tokony hanao Salat raka’a efatra, isan’ny raka’a iray dia vakianao ao anatiny ny Fatihat Al Kitab (sourate Al Fatiha).
Raha vitanao ny famakiana ny Raka’a voalohany dia tokony hiteny in-15 ny teny hoe:
سُبْحَانَ اللَّهِ وَالْحَمْدُ لِلَّهِ وَلاَ إِلَهَ إِلاَّ اللَّهُ وَاللَّهُ أَكْبَرُ
(Soubhaanallah walhamdou lillaahi walaa ilaaha illallaahou wallaahou akbar )
Voninahitra sy fahadiovana anie ho an’i Allah, Fiderana, Laza, Fanomezana voninahitra sy fisaorana rehetra hoan’i Allah, ary tsy misy tompo mendrika tompoina afa tsy i Allah irery ihany ary Allah dia Lehibe indrindra.
Mbola eo ampitsanganana ianao mamaky azy io (alohaka Roukou’a)
Avy eo, manao Roukou’ (fiondrefana) ianao ary averimberinao im-10 io ao anaty Roukou’.
Aorian’izany dia mitsangana ianao ary mamerina mamaky azy io im-10.
Avy eo manao Soudjoud (fiankohofana) ianao ary averinao im-10 indray mandeha io.
Avy eo mipetraka ianao ary averinao im-10 indray mandeha io.
Avy eo manao Soudjoud indray mandeha ianao ary averinao indray mandeha im-10 koa io.
Aorian’izany dia mitsangana ianao ary averinao im-10 koa io.
Ataonao tahak’izany amin’ny Raka’a efatra ireo.
Raha toa ka vitanao isan’andro izany dia ataovy, raha tsy vitanao dia ataovy isan-kerinandro, raha tsy vitanao dia ataovy indray isam-bolana, raha mbola tsy vitanao foana dia ataovy indray isan-taona na raha tena tsy vitanao dia indray ao anaty fiainanao.