Ekar Notre Dame De Victoire Ambohibato

Ekar Notre Dame De Victoire Ambohibato Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ekar Notre Dame De Victoire Ambohibato, Catholic Church, Ambohibato , commune Ambohimanambola, Ambohimanambola.

26/07/2026
mafinaritra ny mahita ireo fikambanana samy manao ny fanaminy rehefa misy fihaonambe !! sady mifanentana no manentana ny...
19/07/2026

mafinaritra ny mahita ireo fikambanana samy manao ny fanaminy rehefa misy fihaonambe !! sady mifanentana no manentana ny olona aty ivelany!! ❤️🙏
MAZOTOA MIVAVAKA,MIDIRA FIKAMBANANA MASINA SY VAOMIERAN'ASA😇😇

19/07/2026

Ity page ity dia :

1) natokana hifampizarana ny finoana.
2) natao hifampizarana ny vaovaom-piangonana ofisialy eto amin'ny Fiangonantsika.

misaotra antsika rehetra!! Miroso amin'ny lalina kokoa hatrany!

19/07/2026

FANDALINAM-PINOANA
Lohahevitra: Ny rafitra hiérarchique ao amin'ny Fiangonana Katolika sy ny Iraka ho an'ny Vita Batemy

Ny Fiangonana Katolika dia naorin'i Jesoa Kristy. Tsy fikambanan'olombelona fotsiny izy, fa Vahoakan'Andriamanitra manana rafitra mazava. Samy manana ny andraikiny ny mpino rehetra, saingy misy ireo voatokana hitondra sy hampianatra ary hanaramaso akaiky,mba hanampy ny Eglizy. (hitohy....)

19/07/2026
19/07/2026

ALAHADY FAHA-16 mandavantaona A
"MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO"
Bonne dimanche daolo🙏🙏

18/07/2026

**🙏 Vavaka maraina – Sabotsy 🙏**

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen.

Ry Ray be fitiavana ô, misaotra Anao aho fa nomenao andro vaovao indray. Misaotra tamin'ny fiarovanao nandritra ny alina sy ny aina mbola velona ananako.

Atolotro Anao izao andro sabotsy izao. Tariho ny eritreritro, ny teniko ary ny asako rehetra mba hahafaly Anao. Omeo fo madio sy feno fitiavana aho, mba hahay hanompo Anao sy hanampy ny namako amin-kitsim-po.

Ry Jesoa Tompo, ampianaro aho hanaraka ny sitraponao, hitoky Aminao amin'ny toe-javatra rehetra, ary hitoetra mandrakariva ao anatin'ny fahasoavanao.

Ry Fanahy Masina, hazavao ny saiko, hamafiso ny finoako, ary omeo hery aho handresy ny fakam-panahy rehetra.

Ry Masina Maria, Renin'Andriamanitra sy Reninay, mivavaha ho anay. Ry Masindahy Josefa sy ny Olomasina rehetra, arovy izahay ary ento hanakaiky an'i Kristy isan'andro.

Enga anie ity andro ity ho feno fiadanana, fifaliana ary fitahianao.

**Rainay any an-danitra...**
**Arahaba ry Maria...**
**Voninahitra anie ho an'ny Ray...**

**Amen.**

> *"Ry rahalahy, mifalia, miezaha ho lavorary, mifamporisiha, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana."* (2 Korintianina 13,11)

Address

Ambohibato , Commune Ambohimanambola
Ambohimanambola

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ekar Notre Dame De Victoire Ambohibato posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share