25 Taona - Mahatsara Ambohimanambola

25 Taona - Mahatsara Ambohimanambola � NY TANJON'NY FIANGONANA AMBOHIMANAMBOLA MAHATSARA DIA NY HIKENDRY NY MPINO HO TSARA FIAFARA�

IZAHAY ETO AMIN'NY KOMITY FAHA 25 TAONA AMBOHIMANAMBOLA MAHATSARA,DIA MIRARY FIHONONANA FENO HO AN'NY FIANAKAVINA MANTOL...
31/05/2023

IZAHAY ETO AMIN'NY KOMITY FAHA 25 TAONA AMBOHIMANAMBOLA MAHATSARA,DIA MIRARY FIHONONANA FENO HO AN'NY FIANAKAVINA MANTOLO, MAHEREZA DAHOLO TOMPOKO

Izy no Raiamandreny Pasteur André Christian Dieudonné MAILHOL,PRÉSIDENT FONDATEUR ny Fiangonana Apokalypsy Manerantany (...
26/05/2023

Izy no Raiamandreny Pasteur André Christian Dieudonné MAILHOL,
PRÉSIDENT FONDATEUR ny Fiangonana Apokalypsy Manerantany (FAM)
Mankalaza ny tsingeritaona nahaterahany Izy amin'ity andro an'io ity, noho izani,izahay eto anivon 'ny fankalazana ny faha 25 taona FAM Ambohimanambola Dia faly miarahaba Anao ny amin'izao andro an'io izao, JÉHOVAH Andriamanitsika anie hampitombo ny fahendrena ho Anao mandrakariva

✨ Mbola tsy tapitra fa nitohy ny alahady 14 mai teo ny fankalazana ny fanokafana ny faha 25 taona tety Mahatsara Ambohim...
17/05/2023

✨ Mbola tsy tapitra fa nitohy ny alahady 14 mai teo ny fankalazana ny fanokafana ny faha 25 taona tety Mahatsara Ambohimanambola. Fiaraha-misakafo lehibe no nentina namarànana azy ✨

Nisy ny nofon-kena mitam-pihavanana izay niarahan'ny fiangonana nifaly. Hisaorana Jehovah noho ny fombàny sy ny fitantanany ka nahatontosa izany rehetra izany.

🌹 Mitohy hatrany ny hazakazaka 🌹


✨  VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA  ✨Tanteraka soaman-tsara ny sabata 13 mai 2023 ny fanokafana ny fankalazana ny faha 2...
14/05/2023

✨ VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA ✨

Tanteraka soaman-tsara ny sabata 13 mai 2023 ny fanokafana ny fankalazana ny faha 25 taonan'ny fiangonana Apokalypsy Ambohimanambola. Nangotraka ny fiderana sy ny sabata ary niseho ny voninahitr'Andriamanitra satria nandray fifaliana sy fahasoavana ary fitahiana ny mpino tsirairay avy.

🎇TSY NISY NIALA MAINA IZAY REHETRA TONGA EE🎇.

Nisy ny fizaràna vatomamy teo ampamaràna mba ho mamy hatrany anie ny fifankatiavan'ny fiangonana.

Koa hisaoranay manokana:
☑️Ny Ray aman-dReny pasteur Mailhol mivady sy ny ankohonany filoha mpanorina ny fikambanana.
☑️Ny biraon'ny komisiona faha 25 taonan'ny fiangonana Apokalypsy Mahatsara Ambohimanambola.
☑️Ny biraon'ny fiangonana Apokalypsy Mahatsara Ambohimanambola.
☑️Ny biraon'ny paroasy Ambohimanambola.
☑️Ny pasteur Herizo Che Rila, pasteur Jean Charles ary ny pasteur Serge Séverin sy ireo pasteur rehetra izay efa nifandimby nitaiza sy nanabe ary nanolokolo ny fanahin'ireo mpino ary anisany namorona izao fiangonana Ambohimanambola izao.
☑️Ny fitondrana foibe rehetra.
☑️Ireo vahiny manan-kaja rehetra izay tonga namaly ny antso ary niara nifaly sy nanome voninahitra an'Andriamanitra taminay.
☑️Isika mpiray fanantenana rehetra tsy ankanavaka izay tsy mahafoy anay na ireo vahiny na ireo tompon-tanàna.
☑️Ny équipe "Mahatsara Mampita & GTV & Radio Fanambaràna"
☑️Ny Mp5, protocole, skoto, samaritàna, tanora ary ny loholona sy ny diakona Ambohimanambola rehetra.

🌹 Koa ilay Jehovah Andriamanitra manakarem-pahasoavana izay tompon'ny fiadanana sy fanambinana ary fitahiana anie hamaly fitia an-tsika tsirairay avy 🌹

🎉 Mbola mitohy hatrany ny lanonana ety Ambohimanambola amin'ny ity anio ity. 🎉

Hisy ny fiaraha-misakafo lehibe izay karakaraina sy ny famonoana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana.





🎉🎆 Tonga ity ilay nandrasana fa tsisy koa ny mahasakana 🎆🎉Andro vitsy sisa no isaina dia higadona tanteraka ny andro leh...
10/05/2023

🎉🎆 Tonga ity ilay nandrasana fa tsisy koa ny mahasakana 🎆🎉

Andro vitsy sisa no isaina dia higadona tanteraka ny andro lehibe izay entina hanokafana ny fankalazana ny faha 25 taonan'ny fiangonana Apokalypsy Ambohimanambola.

💌Arak'izany dia faly manasa anao izahay mba ho tonga hiara hanome voninahitra an'Andriamanitra aminay ety amin'ny fiangonana Apokalypsy Mahatsara Ambohimanambola ny sabata 13 Mai 2023 ho avy izao izay manombaka amin'ny 9ora sy 30 minitra. Ny fotoana rehetra dia eo ambany ny fiahin'ny Ray aman-dReny pasteur Mailhol mivady sy ny fitondra foibe.💌

Koa tongava maro fa raha mbola fotoan-dehibe dia mbola tsy nisy toa ity a! Ary hiavaka no tsy manam-paharoa ny fotoana rehetra ko tandremo sao tara. Taomy daholo ireo namana sy havana rehetra fa ety Ambohimanambola ndray ny fotoanan-tsika amin'ny sabatra 13 Mai hoavy izao🤩🤩

✨ Manantena ny fahatongavan-tsika maro izahay. ✨
Ps:zarazarao ho hitan'ny namana rehetra.




Izahay biraon'ny komisiona ny faha 25 taona ny fiangonana Apokalypsy Ambohimanambola sy ny fiangonana Apokalypsy Ambohim...
05/05/2023

Izahay biraon'ny komisiona ny faha 25 taona ny fiangonana Apokalypsy Ambohimanambola sy ny fiangonana Apokalypsy Ambohimanambola manontolo dia mirary fihononana feno ho an'i fianakavian'i Ray aman-dReny pasteur RAKOTONIRINA Alpha.
"Miaraha hory amin'ny izay hory, mifampitondrà izay mavesatra"

🌹 Mitohy hatrany ny asa fanomanana ny fanokafana ny fankalazana ny faha 25 taona ny fiangonana  Mahatsara Ambohimanambol...
30/04/2023

🌹 Mitohy hatrany ny asa fanomanana ny fanokafana ny fankalazana ny faha 25 taona ny fiangonana Mahatsara Ambohimanambola. 🌹

Rodorodo be indray ny an'ireo mpino nanatanteraka ny asa famefena ny tanin'ny fiangonana androany.

✨Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah ✨

Hagay 1:8


18/04/2023

JOUR J-25

Izy no antsoina hoeRAKOTOMALALA Gilbert na oe DadaLalaIzy Dia Ray aman dreny 1) maintimolaly eto anivon'ny fiangonana Am...
17/04/2023

Izy no antsoina hoe
RAKOTOMALALA Gilbert
na oe DadaLala
Izy Dia Ray aman dreny

1) maintimolaly eto anivon'ny fiangonana Ambohimanambola mahatsara,
2) anisan'ireo nanangana izany fiangonana Fam Mahatsara izany tamin'ny fotoan'androny
3)mitazona mitazona andraikitra lehibe eto anivon'ny commission 25eme,satry izy no
a) porte parole
b) 1er conseiller
d) bras droit président com25

Amin'izao andro tsingeritaona nahaterahany izao, izahay eto anivon'ny commission 25eme anniversaire,Dia faly miarahaba anao Ray aman dreny lolohavina an tanpon n'y loha, nahatratra ity andro an'io ity,ary faly ihany koa mirary andro lava ihainana ho anao

COM 25

🌹 Hisaorana Andriamanitra fa vita soamantsara indray ny sabata omaly tety amin'ny fiangonana Apokalypsy Mahatsara Ambohi...
16/04/2023

🌹 Hisaorana Andriamanitra fa vita soamantsara indray ny sabata omaly tety amin'ny fiangonana Apokalypsy Mahatsara Ambohimanambola 🌹

Sabata miavaka izay niarahana tamin'i misionera mivady sy ny ankohonany.

Sady fanaovam-beloma azy mianakavy kely izay andeha hamita indray ny hirak'Andriamanitra any amin'ny faritra Sambava iny.

✨Andeha isika hiara hirary soa azy mianakavy kely indray ary eee.✨



✨ Izahay biraon'ny komisiona faha 25 Taona ny fiangonana Apokalyspy Mahatsara Ambohimanambola dia faly mirary tontolo an...
13/04/2023

✨ Izahay biraon'ny komisiona faha 25 Taona ny fiangonana Apokalyspy Mahatsara Ambohimanambola dia faly mirary tontolo andro mafinaritra ho anao ✨

🌹 Ny fitahin'i Jehovah anie hanaraka anao sy ny ankohonanao amin'ity anio ity. 🌹



Address

Ambohimanambola
Ambohimanambola
101

Telephone

+261345802670

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 25 Taona - Mahatsara Ambohimanambola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category