Assemblée de Dieu Fandraisam-pitahiana Ambodifasina

Assemblée de Dieu Fandraisam-pitahiana Ambodifasina Fiangonana Assemblée de Dieu Fandraisam-pitahiana Ambodifasina Ambatolampy Tsimahafotsy

VEHIVAVY MAHOMBY @ ZAVATRA REHETRA 💐Fotoana manokana hanasanay anao @ alahady ho avy izao manomboka @ 2 ora atoandro Toe...
05/03/2026

VEHIVAVY MAHOMBY @ ZAVATRA REHETRA 💐
Fotoana manokana hanasanay anao @ alahady ho avy izao manomboka @ 2 ora atoandro
Toerana : Fiangonana Assemblée de Dieu Avarajozoro

Tongava maro fa tsy misy vidim-pidirana !
Miandry anao Jesosy !

Miray fo sy mitondra am-bavaka ho anareo fiangonana rahavavy any Toamasina izahay Tsapanay ny alehelo sy fahasahiranana ...
11/02/2026

Miray fo sy mitondra am-bavaka ho anareo fiangonana rahavavy any Toamasina izahay

Tsapanay ny alehelo sy fahasahiranana ao anatinareo Pasteur sy Mpino rehetra
Jesosy anie hamatsy anareo @ fomba mahagaga

Fiangonana ireto aloha no nahazona sary , mila vavaka avy amintsika ny pasteur sy Ankohonany .

Add Ambolomadinika
Add Ambalasoa
Pst Rogiale Randrianantenaina
Pasteur Jacquelin Randriamanantena

🙏 VAVAKA SY FIFADIAN-KANINA 🙏Ny vavaka dia fifandraisana mivantana amin’Andriamanitra.Ny fifadian-kanina kosa dia fanapa...
02/02/2026

🙏 VAVAKA SY FIFADIAN-KANINA 🙏
Ny vavaka dia fifandraisana mivantana amin’Andriamanitra.
Ny fifadian-kanina kosa dia fanapahan-kevitra ara-panahy, milaza fa Andriamanitra no laharam-pahamehana, fa tsy ny filàn’ny nofo.

Rehefa mivavaka fotsiny isika, tsara izany.
Fa rehefa ampiarahina amin’ny fifadian-kanina ny vavaka, dia miakatra ambaratonga ny fiainam-panahy.
Mihena ny herin’ny nofo, mitombo ny herin’ny Fanahy, ary misokatra ny lanitra.

Hoy Jesosy:
📖 “Ity karazam-pahavalo ity tsy mivoaka raha tsy amin’ny vavaka sy fifadian-kanina.” (Marka 9:29)

Mosesy nifady hanina ka nahazo ny tenin’Andriamanitra.
Estera nifady hanina ka niova ny didy ka nisy famonjena.
Daniela nifady hanina ka nahazo fahendrena sy fanambaràna.
Jesosy aza nifady hanina alohan’ny nanombohany ny asany.

Raha misy ady ara-panahy tsy mety resy,
raha misy vavaka toa tsy misy valiny,
raha misy fatorana tsy mety tapaka,
dia tsy herin’ny tena no ilaina, fa fanetren-tena eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny vavaka sy fifadian-kanina.

Satria rehefa manakaiky an’Andriamanitra isika,
Izy no mihetsika ho antsika 🙌🔥

👉 Izay indrindra no hanasana antsika rehetra ao anatin'ity 21 andro vavaka sy fifadian-kanina ity

👉 Misokatra ho antsika foana ny FIANGONANA ASSEMBLÉE DE DIEU AVARAJOZORO isan'andro 9h à 16h

RAHAMPITSO ALAHADY à 14H indray ny fotoanantsika hiarahina @ VEHIVAVY MENDRIKA SY LEHILAHY MAHATOKY ▪️Hira ▪️ Dihy ▪️ Ta...
27/12/2025

RAHAMPITSO ALAHADY à 14H indray ny fotoanantsika hiarahina @ VEHIVAVY MENDRIKA SY LEHILAHY MAHATOKY
▪️Hira ▪️ Dihy ▪️ Tantara
☕Ary hisy fiarahana miala hetaheta aorian'ny fotoana
💒 Fiangonana Assemblée de Dieu Avarajozoro

Tongava maro fa tsy misy ny vidim-pidirana !
Manantena ny hiaona aminao , tia anao Jesosy !

ANDROANY @ 8 ORA ALINA NY FOTOANA hiarahanao amin'ny TANORA MODELY 📢💒 ato @ Fiangonana Assemblée de Dieu Avarajozoro, mi...
24/12/2025

ANDROANY @ 8 ORA ALINA NY FOTOANA hiarahanao amin'ny TANORA MODELY 📢
💒 ato @ Fiangonana Assemblée de Dieu Avarajozoro, mitsofoka lalana pavé eo @ Tranomanga

Tongava hiaraka hihira, handihy, hanao tononkalo , hijery comédie musicale

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany 🙏

Manantena ny hihaona aminao !

Ny fiangonana Assemblée de Dieu Ambatolampy Tsimahafotsy manasa anao hiaraka hidera sy hankalaza an'Andriamanitra amin'i...
22/12/2025

Ny fiangonana Assemblée de Dieu Ambatolampy Tsimahafotsy manasa anao hiaraka hidera sy hankalaza an'Andriamanitra amin'izao andron'ny noely izao

🎄 ALAROBIA 24 DÉC à 20h, sasak'alina hiarahina @ TANORA MODELY
🎄 ALAKAMISY 25 DÉC maraina à 9h , fiaraha mivavaka
🎄 ALAKAMISY 25 DÉC atoandro à 14H hiarahina @ SEKOLY ALAHADY
🎄 ALAHADY 28 DÉC maraina à 9h fiaraha-mivavaka
🎄 ALAHADY 28 DÉC hariva à 14H hiarahina @ VEHIVAVY MENDRIKA sy LEHILAHY MAHATOKY

Manantena ny hihaona aminao , Tia anao Jesosy !

📖 Isaia 55 : 9 📖
23/10/2025

📖 Isaia 55 : 9 📖

TEMOIGNAGE          ANJARA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA 👩‍❤️‍👨📖 Ohabolana 22 and 20 :"Tsy efa nanomana zava-tsoa ho anao va Ah...
22/10/2025

TEMOIGNAGE

ANJARA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA 👩‍❤️‍👨
📖 Ohabolana 22 and 20 :"Tsy efa nanomana zava-tsoa ho anao va Aho? Izay misy hevitra tsara sy fahalalana")

Vehivavy iray tena hoe nanana olana be ara-pitiavana aho taloha.Tena hoe efa tokony taonan'ny ao anaty fanambadiana mihitsy raha ny taona no jerena. Tao anatin'izay nefa, tena tsy mbola nanana izany olon-tiana izany akory aza..
Rehefa nandeha ny fotoana de niha-nandroso taona ihany ka tonga saina hoe sao dia tokony mba hanambady amin'izay (kanefa na ilay olona haka vady aza tsy nisy).

Tao anatin'izay fahatsapana izay aho nanomboka nangataka olon-tiana tamin'i Jesosy. Nanam-panantenana sy finoana aho fa Jesosy afaka ny hanome anjara tsara ho ahy, dia ilay olona manompo an'Andriamanitra, olona tsy mba mampirafy, tsy manao tsinotsinona ny ankohonany, ary olona tena tia manao ny as an'Andriamanitra . Nivavaka sy nangataka foana tamin'i Jesosy aho ary tsy nitsahatra ny nahatoky Azy.Ary fotoana maromaro vitsivitsy tao aorinan'izay, nohentiNy teo anatrehako ilay olona. Tsy hoe olona notadiavina na nokarohina taiza sy taiza fa tena hoe Jesosy no naka azy lavitra ary nitondra azy teo amin'ny fiainako.😍

VONINAHITRA HO AN'I JESOSY fa amin'izao fotoana izao tena hoe ankohonana sambatra no hiainako(miaraka manompo an'Andriamanitra izahay) , satria vady tena araka ny sitrapon'Andriamanitra sy ankohonana tena avy amin'i JEHOVAH❤️

📖 Mofon'aina ho anao 📖
17/10/2025

📖 Mofon'aina ho anao 📖

TEMOIGNAGE - Ndao vakio kely anie ! NOSITRANINY AHO 😍"Fa tsy ho fahafatesana no anton'izany fa ny hampisehoana ny vonina...
14/10/2025

TEMOIGNAGE - Ndao vakio kely anie !

NOSITRANINY AHO 😍
"Fa tsy ho fahafatesana no anton'izany fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra" (Jaona 11:and 4b)

Heritaona teoeo zay no nitrangan'ity situation ity.
Mpanompon'Andriamanitra iray tratran'ny AVC.
Fotoana fohy taorian'ny fahatongavana tao amin'ny hopitaly dia niroso tamin'ny scanner, taorian'izay nilaza ny dokotera:"sarotra hoy izy satria dia 1% ao anatin'io cas io ihany no afaka ho tafavoaka ho velona, nilaza ihany koa izy fa raha ho didina io Mpanompon'Andriamanitra io dia tsy maintsy ho faty andro vitsivitsy aorian'izany. Noho izany tsy misy hevitra intsony hoy izy fa ny azonay atao dia ny manome fanafody mampitsahatra ny fanaitainana fotsiny ihany sisa fa tsy maintsy ho faty izy"
MAHAGAGA ANEFA FA TSY IZAY NO FIJERIN'ANDRIAMANITRA.
MIHOATRA LAVITRA NOHO NY FAHALALAN'NY DOKOTERA NY FAHAIZAN'ANDRIAMANITRA

Fotoana fohy taorian'ny nahenon'ny fianakaviana izany dia nivavaka ary tena nanam-pinoana be fa mbola ho sitrana ny marary. Nandray décision nanomboka teo fa ho hatao ny fandidiana ary niteny tamin'ny mpitsabo. Nanaiky ny mpitsabo.

TALOHAN'NY FANDIDIANA:
Tsy maintsy aloha ny vola rehetra mahakasika ny Opération izay vao afaka mandidy ny mpitsabo.
Ny vola anefa tena kely ny teo ampelatanana. Nahagaga anefa fa tao anatin'ny 1h talohan'ny opération no nanomezan'i Jesosy ny vola 12.000.000 ar.
Izay vola sady tsy nindramina no tsy notrosana fa tena fitahiana avy amin'Andriamanitra. Avy hatrany dia niroso tamin'ny opération.

VITA NY FANDIDIANA!
Fotoana fohy taorian'izay dia nifoha nahatsiaro tena ilay Mpanompon'Andriamanitra. Gaga avokoa ny mpitsabo rehetra tao amin'ny hopitaly. Nilaza izy ireo fa tena mbola tsy nahita tranga toy iny. Izy ireo ilay nilaza fa tsy nisy hevitra iny intsony mihitsy no nampahitan'i Jesosy ny heriny sy ny spécialité-any.
Voninahitra ho an'Andriamanitra fa amin'izao fotoana izao, velona soamantsara ilay Mpanompon'Andriamanitra! ❤️

Tsara Jesosy ! Mahagaga Izy ! Afaka ny mbola hanao mihoatra lavitra noho izany eo @ fiainanao Izy .




🙏 ILAIKO NY FAMANGIAN'ANDRIAMANITRA 🙏Rehefa mamangy olona isika dia tsy maintsy mitondra zavatra toy ny sakafo, teny fam...
13/10/2025

🙏 ILAIKO NY FAMANGIAN'ANDRIAMANITRA 🙏

Rehefa mamangy olona isika dia tsy maintsy mitondra zavatra toy ny sakafo, teny fampaherezana, na fanampiana.
Ny olona vangiana ao anatin'izany dia mahatsiaro fa tsy irery izy , fa mbola misy fitiavana sy fikarakarana ho azy.

Tsarovy anefa fa MIHOATRA ALAVITAMRA NOHO IZANY NY FAMANGIN'ANDRIAMANITRA 😍

Ny famangian’Andriamanitra dia hetsika avy any an-danitra : misy fiovana lalina mitranga, na amin’ny fanahy, na amin’ny nofo, eny hatramin’ny fiainana manontolo.

📖 Salamo 65 : 9

Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.

Tahaka ny tany mila orana sy masoandro no ilaivantsika ny famangian’Andriamanitra.

Andriamanitra rehefa mamangy anao dia :

▪️ Hisy Fahavokarana ho an’ny fiainanao sy ny asanao
▪️ Hisy Fahavelomana indray ireo izay efa maty na ara-panahy na ara-piainana
▪️Hisy Hery amin’ny fotoan’ny fahalavoana
▪️ Hisy fananganana izay rehetra efa rava
▪️ Hisy fanasitranana mahery vaika sy famonjena
▪️Hisy fiadanana tsy takatry ny sainao
▪️Hisy fanafahana @ fatorana rehetra

📖 Lioka 7:13–16

FANTARO ANEFA ,FA MITAKY FIOMANANA NY FAMANGIN'Andriamanitra 👌

Toy isika rehefa handray vahiny na hisy hamangy dia manadio trano , alamina avokoa ireo izay mikorontana , mividy ranom-boakazo kely isika haroso ny mpitsidika antsika .Mihoatra alavitra noho izany anefa Andriamanitra

1️⃣ DIOVY NY FONAO SY SAINAO
💁 Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahadiovana sy ny filaminana . Ao amin'izay madio no hidiran'Andriamanitra
Esory ireo lolom-po sy faka mangidy rehetra any anatinao mba hahatamana an'Andriamanitra ao sy hidirany ao aminao hamangiany anao

2️⃣ MANIRIA FATRATRA NY HO VANGIAN'Andriamanitra isan'Andro
Ataovy toa anao mangetaheta rano isan'andro hahatsapanao fa @ fotoana ianao misotro ilay rano dia ho sambatra sy hahazo aina sy hery .
Izay tena maniry sy mangetaheta ny famangian’Andriamanitra, dia tsy hijanona ho toy ny teo aloha intsony.

🙏 Mivavaka aho mba hamangy anao anie Andriamanitra ary ho tsapanao sy hiainanao ireo voka-tsoa maro @ famangiany anao

©️ Pasteur Tahina Ravelonjanahary

💒 FOTOAM-BAVAKA ANASANAY ANAO ATO @ ASSEMBLÉE DE DIEU AMBATOLAMPY TSIMAHAFOTSY

📌 Alarobia hariva 17h à 18h
📌 Zoma hariba 17h à 18h
📌 Alahady Maraina 9h à 11h 30
📌 Alahady hariva 14h à 16h

TIA ANAO JESOSY ,MIANDRY ANAO IZY ❤️

MIARAKA MIADY AMINAO ANDRIAMANITRA 📖 Isaia 43 : 2 Maro ny olona amin'izao fotoana izao no diso fanantenana sy kivy @ fia...
10/10/2025

MIARAKA MIADY AMINAO ANDRIAMANITRA
📖 Isaia 43 : 2

Maro ny olona amin'izao fotoana izao no diso fanantenana sy kivy @ fiainana . Maro ireo mihevitra fa rehefa mivavaka sy manompo dia tsy hisy intsony olana .

TANDREMO ! Andriamanitra tsy nampanantena fiainana tsy misy olana antsika
FA KOSA , nampanantena Izy fa hiaraka amintsika , hamonjy antsika ary hamaha ny olantsika
Mampahery antsika izy fa hiaraka hiady amintsika n'inoninona olana misy eo amintsika

Tsarovy fa ny olana rehetra misy eo @ fiainantsika dia misy antony avokoa ,
MISY TANJON'ANDRIAMANITRA IO OLANAO IO

1️⃣ Ho fanamafisana ny finoanao hoe hatraiza ny finoanao
2️⃣ Hahafahinao hijoro vavolombelona rehefa any aoriana any , tsy misy fijoroana vavolombelona afaka ataontsika raha tsy niatrika ady isika
3️⃣ Mba hisandratanao sy hamirapiratanao satria toy ny volamena sedraina eo an-tanan'Andriamanitra

⭐ AVELAO JESOSY HIDITRA AN-TSEHATRA HIARAKA HIADY AMINAO
aza avela haka sisiny Jesosy , aza miezaka mamaha ny olanao irery .

⭐ EKEO FA MILA AN'I JESOSY IANAO
Tsy hanafotra anao izany ny rano , na dia lehibe aza ny fijerinao azy , Tsy lehibe mihoatry ny herin'Andriamantra io

TSY MAINTSY MPANDRESY IANAO
TSY IRERY IANAO
MIARAKA MIADY AMINAO ANDRIAMANITRA

©️ Pasteur Tahina Ravelonjanahary

Fotoam-bavaka hanasanay anao manokana isaky ny :
📌 Alarobia hariva 17h à 18h
📌 Zoma hariva 17h à 18h
📌 Alahady maraina 9h à 11h 30
📌 Alahady hariva 14h à 16h

💒 Fiangonana Assemblée de Dieu
Ambatolampy Tsimahafotsy

Address

Ambodifasina
Ambodifasina

Telephone

+261341707779

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Assemblée de Dieu Fandraisam-pitahiana Ambodifasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Assemblée de Dieu Fandraisam-pitahiana Ambodifasina:

Share

Category