FET ECAR MB Marthe Morarano

FET ECAR MB Marthe Morarano Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FET ECAR MB Marthe Morarano, Church of Christ, Fiangonana Katolika Morararano, Ambatolampy.

24/01/2024

📸 Sambatra aho ary mirehareha amin'ny maha-Katolika ahy.

Miara-dia amin'i Masina Maria mandrakariva ary mankany amin'i Jesoa sy hiaraka aminy mandrakizay.

1- Hiaino ny maha-Katolika Anao.
2- Aza misaraka amin'ilay reny malalantsika.
3- Mazotoa mivavaka sy manao asa soa amin'ny Olona rehetra manodidina antsika.

© Katolika ve ianao ??

09/06/2023

⛪🇻🇦IZA NO MITARIKA NY EGLIZY KATOLIKA, RAHA MARARY AO ANATIN'NY FOTOANA LAVA, I PAPA FRANSOA🇻🇦⛪

👉"Le Pape reste le Pape même à l'hôpital", explique auprès d'I.Media, l'agence de presse spécialiste du Vatican, un spécialiste du droit canonique.

👉"Ny Papa dia mijanona ho Papa ihany na dia mitsabo any amin'ny hopitaly izy”. Izany hoe, raha mbola tsy nametra-pialana an-tsitrapo izy, ka na inona na ny aretina (coma) na fitsaboana atao azy, mandritra ny fotoana lava ao amin'ny hopitaly dia mijanona ho Papa hatrany izy. Na dia tsy afaka manao ny asany aza izy noho ny aretina mafy.

👉Rehefa maty ny Papa, araka ny rafitra misy eo amin'ny Eglizy, dia ankinina amin'ny "Camerlengue" ny fahefana sy fitantanana ny Eglizy, mandritra io fotoana banga io.
👉 "Camerlengue", no iantsoana ny Kardinaly nofidian’ny Papa, hiandraikitra ny raharaha mitohy, mandra-pifidianana na fahazoana ny Papa vaovao.

👉 Amin'izao fotoana izao, raha toa ka tsy afaka manatanteraka ny asa amin'ny maha Papa azy, i Papa Fransoa (marary ao anatin'ny fotoana lava), na sanatria ka maty izy, dia ny KARDINALY Amerikana KEVIN FARRELL, ilay "Camerlengue" amin'izao fotoana izao, no hitantana an'ny Vatikana sy ny Eglizy Katolika, mialohan'ny ahazoana Papa vaovao.

👉Na eo aza izany, ny "Droit Canon" dia mamaritra mazava tsara ny andraikitra azo sahanin'i Camerlengue. Tsy afaka, manova rafitra eo amin'ny Eglizy izy, na koa avy dia hifidy Papa vaovao. Tsy maintsy manaraka ny lamina izay voafaritra amin'ny fitantanana ny Eglizy Katolika izy. Mitantana ny Eglizy izy fa tsy azo antsoina hoe: Papa akory, raha ao anatin'ny tsy fahasalamana lava ny Papa Ray Masina na nodimandry tampoka.

✍️Mpanoratra: Jacques Bv.

Tsy hanary anao izany ny tompo . eny fa na dia amin'ny mafy indridra aza .
09/06/2023

Tsy hanary anao izany ny tompo . eny fa na dia amin'ny mafy indridra aza .

Address

Fiangonana Katolika Morararano
Ambatolampy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FET ECAR MB Marthe Morarano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share