Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Ankatafahely Ambanja

Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Ankatafahely Ambanja Tongasoa eto amin'ny pejy ofisialy ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Ankatafahely Ambanja ! Faly mandray anao izahay !

« 𝙉𝙮 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙟𝙚𝙡𝙮 𝙩𝙚𝙡𝙤 𝙙𝙞𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙚𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖, 𝙛𝙖 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙤𝙧𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖»Be dia be ny olona no mihevit...
09/06/2026

« 𝙉𝙮 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙟𝙚𝙡𝙮 𝙩𝙚𝙡𝙤 𝙙𝙞𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙚𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖, 𝙛𝙖 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙤𝙧𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖»

Be dia be ny olona no mihevitra fa hafatra mampatahotra na manameloka ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apokalypsy 14. Kanefa, rehefa dinihina tsara, dia hafatra feno fitiavana sy famindram-po avy amin'Andriamanitra izy io. Antso ho an'ny olombelona rehetra mba hiverina amin'ny Mpamorona, handray ny fahamarinany, ary hiomana amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy.

Tsy natao hampitahotra ny olona izany hafatra izany, fa natao hanome fanantenana, hitari-dalana ho amin'ny famonjena, ary hampahafantatra fa mbola misokatra ny varavaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Na dia eo aza ny faharatsiana sy ny olana eto amin'izao tontolo izao, dia manambara ny fandresen'i Kristy sy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino Azy ny hafatry ny anjely telo.

📍 SAMBIRANO AMBANY📅 SABATA 30/05/2026━━━━━━━━━━━━━━━🔹 FESTIVAL DE BAPTÊMEAraka ny lamina avy amin'ny Foiben'ny Fiangonan...
31/05/2026

📍 SAMBIRANO AMBANY
📅 SABATA 30/05/2026

━━━━━━━━━━━━━━━

🔹 FESTIVAL DE BAPTÊME

Araka ny lamina avy amin'ny Foiben'ny Fiangonana Advantista Avaratra, dia notanterahina ny Sabata 30 Mey 2026 ny Festival de Baptême.

✨ 215 ireo fanahy nanolo-tena ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny batisa, vokatry ny asa fitoriana sy ny fitarihan'ny Fanahy Masina.

━━━━━━━━━━━━━━━

👨‍👩‍👧‍👦 FANKALAZANA NY FETIN'NY RAY SY RENY

Nitohy ny fandaharam-potoana tamin'ny Sabata tolakandro tamin'ny alalan'ny fankalazana ny Fetin'ny Ray sy Reny.

Nisy programa maro isan-karazany notanterahin'ny sampana MINENF, toy ny firarian-tsoa, fampaherezana ary vavaka ho an'ireo ray aman-dreny.

❤️ Fotoana nanehoan'ireo Anikizy fitiavana sy fankasitrahana ho an'ireo ray aman-dreny izany.

━━━━━━━━━━━━━━━

🎵 ANTOKOM-MPIHIRA DISTRIKA
« THE TWO HUNDRED VOICES »

Mitombo hatrany ny isan'ny mpikambana ao amin'ny Antokom-pihira Distrika Sambirano Ambany « The Two Hundred Voices », araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitra.

👥 200 mahery ankehitriny ny isan'ny mpikambana.

Miezaka sy miasa mafy izy ireo amin'ny fanohanana ny asa fitoriana sy ny fanatanterahana ny iraka ampanaovin'Andriamanitra ny Fiangonana.

Araka ny nambaran'i Pasteur de District Sambirano Ambany, pasteur RITA ALFRED dia tanan-kavan'ny fitoriana filazan-tsara izy ireo.

Ho fanatsarana sy fampivoarana ny asa fitoriana ataon'ity antokom-pihira ity, dia nanomana polo vaovao izy ireo, izay notokanana tamin'io Sabata 30 Mai io ihany.

━━━━━━━━━━━━━━━

✨ Nahafinaritra tokoa ny fotoana rehetra, ary nofaranana tamin'ny antsa an-kira sy fiderana an'Andriamanitra.



Gracia Gaston Finley

FESTIVAL DE BAPTÊME AMBANJA SAMBIRANO AMBANY BATISA 31 MAI 2026
30/05/2026

FESTIVAL DE BAPTÊME AMBANJA SAMBIRANO AMBANY
BATISA 31 MAI 2026

21/04/2026

TETIANDRO

Minoa ny Mpaminaniny 2026 – Famakiana isan-kerinandro (manomboka Alahady)
JANOARY 2026 – Boky: Patriarka sy Mpaminany
• 4 Janoary: Toko 54–55
• 11 Janoary: Toko 56–57
• 18 Janoary: Toko 58
• 25 Janoary: Toko 59

FEBROARY 2026 – Boky: Patriarka sy Mpaminany
• 1 Febroary: Toko 60
• 8 Febroary: Toko 61
• 15 Febroary: Toko 62–63
• 22 Febroary: Toko 64

MARTSA 2026 – Boky: Patriarka sy Mpaminany
• 1 Martsa: Toko 65
• 8 Martsa: Toko 66–67
• 15 Martsa: Toko 68–69
• 22 Martsa: Toko 70
• 29 Martsa: Toko 71

APRILY 2026
Boky: Patriarka sy Mpaminany
• 5 Aprily: Toko 72
Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 12 Aprily: Toko 1
• 19 Aprily: Toko 2
• 26 Aprily: Toko 3

MEY 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 3 Mey: Toko 4
• 10 Mey: Toko 5
• 17 Mey: Toko 6
• 24 Mey: Toko 7
• 31 Mey: Toko 8

JONA 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 7 Jona: Toko 9
• 14 Jona: Toko 10
• 21 Jona: Toko 11
• 28 Jona: Toko 12

JOLAY 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 5 Jolay: Toko 13
• 12 Jolay: Toko 14
• 19 Jolay: Toko 15
• 26 Jolay: Toko 16

AOGOSITRA 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 2 Aogositra: Toko 17
• 9 Aogositra: Toko 18–19
• 16 Aogositra: Toko 20
• 23 Aogositra: Toko 21
• 30 Aogositra: Toko 22

SEPTAMBRA 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 6 Septambra: Toko 23
• 13 Septambra: Toko 24–25
• 20 Septambra: Toko 26
• 27 Septambra: Toko 27–28

OKTOBRA 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 4 Oktobra: Toko 29
• 11 Oktobra: Toko 30
• 18 Oktobra: Toko 31
• 25 Oktobra: Toko 32

NOVAMBRA 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 1 Novambra: Toko 33
• 8 Novambra: Toko 34
• 15 Novambra: Toko 35
• 22 Novambra: Toko 36
• 29 Novambra: Toko 37

DESAMBRA 2026 – Boky: Mpaminany sy Mpanjaka
• 6 Desambra: Toko 38
• 13 Desambra: Toko 39
• 20 Desambra: Toko 40
• 27 Desambra: Toko 41–42

IO ny torolalana avy any ambony ho an'ny fiangonana rehetra.

Samia tahiana,

GLOBAL YOUTH DAY – 21 MARSA 2026Lohahevitra : « FIOMBONANA MIASA »Notanterahina androany Sabata 21 Marsa 2026, maneran-t...
21/03/2026

GLOBAL YOUTH DAY – 21 MARSA 2026
Lohahevitra : « FIOMBONANA MIASA »

Notanterahina androany Sabata 21 Marsa 2026, maneran-tany eo anivon’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ny hetsika lehibe “Global Youth Day”, mitondra ny lohahevitra hoe « FIOMBONANA MIASA ».

Ho an’ny Distrika Sambirano Ambany (Ambanja) manokana, dia notanterahina tao MIJIRIA izany hetsika izany, tamin’ny alalan’ny asa sosialy nifantoka tamin’ny fizarana vary fotsy ho an’ireo tokantrano ao an-toerana.

Tokantrano maherin’ny 50 no nisitraka izany fanampiana izany, ka naneho fisaorana sy fankasitrahana lalina ireo mponina tamin’ny ezaka sy fitiavana nasehon’ireo tanora Advantista.

Ity hetsika ity dia maneho mazava ny lanjan’ny firaisankina sy fiombonana miasa, ny fitiavana ny namana, ary ny fanompoana ny hafa, izay anisan'ny fototra iorenan’ny hafatry ny Filazantsara entin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito.

Isaia 58: 13- 14«Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao...
14/03/2026

Isaia 58: 13- 14
«Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azyary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana . Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao;
Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny »

FIOFANANA HO AN’NY MPITORY TENY            Toy ny mahazatra dia efa ao anatin’ny fanomanana ny hetsika fitoriana ny Fila...
08/03/2026

FIOFANANA HO AN’NY MPITORY TENY

Toy ny mahazatra dia efa ao anatin’ny fanomanana ny hetsika fitoriana ny Filazantsara lehibe ny distrikan’i Sambirano Ambany, Ambanja. Ka ho fanomanana izany dia natomboka ny fiofanana ho an’ireo mpitory teny rehetra ao anatin’ny distrika izay notanterahina teto amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Ankatafahely, androany Alahady 08 Marsa 2026, izay notarihin’ny Ray aman-dreny Pastoran'ny distrika, Pst Rita Alfred.

Nandritra izany fiofanana izany no nifampizarana ireo fomba sy teknika amin’ny fanomanana toriteny, indrindra ny fahaizana miteny sy mandresy lahatra, izay tena ilaina amin’ny asa fitoriana ny filazan-tsarana fa indrindra indrindra ny « Conference ».

Maro ireo mpitory teny tonga nanatrika izany fiofanana izany mba hanamafy sy hanatevina ny fahaizany, ary nahafaly ihany koa ny nahita fa maro ireo mpitory teny vaovao tonga nandray anjara tamin’ny fiofanana.

Tanjona amin’izao fiofanana izao ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy fahavononan’ireo mpitory teny, mba hahafahana mitondra ny hafatry ny Filazantsara amin’ny fomba mahomby.

«NY VEHIVAVIN’NY FINOANA SY NY VAVAKA»            Notanterahina teto amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro F...
07/03/2026

«NY VEHIVAVIN’NY FINOANA SY NY VAVAKA»

Notanterahina teto amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Ankatafahely, androany Sabata 07 Marsa, ny fanompoam-pivavahana manokana izay nitondrana am-bavaka ny vehivavy maneran-tany.

Nandritra izany fotoana manokana izany no nifantohana tamin'ny lohahevitra hoe: «Ny Vehivavin’ny Finoana sy ny Vavaka», izay nifototra tamin'ny bokin'ny Matio 15:21, momba ilay vehivavy kananita izay nanatona an'i JESOSY nitondra ny olana nanjo ny zanany.

Na dia maro aza ireo sakana niseho teo amin’ny fiainany, dia tsy nataon’ity vehivavy ity sakana izany.
Voalohany, vehivavy izy ka tsy fahita firy tamin’izany fotoana izany ny vehivavy manatona lehilahy izay tsy vadiny mba hangataka fanampiana.

Faharoa, tsy Jiosy izy fa Kananita, ka maro ireo nitsikera sy nanilika azy. Na izany aza dia tsy nataony sakana ireo tsikera sy fanilikilihana ireo, fa nanatona an’i Jesosy tamim-pinoana sy fahatokiana izy.

Io tantara io dia mampiseho ny atao hoe mahatoky an’i Jesosy sy manatona Azy amin’ny finoana sy ny vavaka. Rehefa manatona an’Andriamanitra amin-kitsim-po ny olona dia mihaino sy mamaly Izy.

Henin-kaja sy henim-boninahitra tokoa ny fotoana noho ny fanatrehan’ireo solontenam-behivavy avy amin’ny ambaratonga samihafa, ary ireo vehivavy mitana andraikitra isan-karazany eo anivon’ny fanjakana.

Nampahatsiahy ity fotoana ity fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny vehivavy.

HETSIKA SOSIALY NATAON’NY FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO ETO AMBANJA TAO AMIN’NY FONJA             H...
05/03/2026

HETSIKA SOSIALY NATAON’NY FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO ETO AMBANJA TAO AMIN’NY FONJA

Ho fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy, izay ankalazaina isan-taona ny 8 Martsa, dia nanao hetsika sosialy manokana ho an’ireo vehivavy voafonja eto Ambanja ny Sampana miadidy ny Vehivavy (MIFEM) ao amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito eto Ambanja, ny Alakamisy 5 Martsa 2026.

Nandritra izany fitsidihana izany dia nisy ny fizarana sakafo, indrindra ny vary, ho fanampiana ireo vehivavy voafonja. Olona 64 no nisitraka izany fanampiana izany. Velom-pisaorana ireo vehivavy nahazo fanampiana, satria nahatsapa fa na dia lavitra ny fiarahamonina sy ny fianakaviany aza izy ireo, dia mbola misy olona miahy sy manohana azy, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izao.

Ankoatra ny fanampiana ara-nofo, dia nisy ihany koa ny fizarana ny hafatry ny famonjena momba an’i Jesosy Kristy. Nampahatsiahivina tamin’ireo vehivavy fa sarobidy eo imason’Andriamanitra izy ireo ary mbola misy fanantenana ho an’ny tsirairay, na dia eo aza ny zava-tsarotra lalovany eo amin’ny fiainana.

Amin’ny alalan’izao hetsika izao dia mampiseho ny Sampana MIFEM ao amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa anisan’ny iraka kristianina ny manatona ireo olona voahilika sy mijaly, mba hitondra fitiavana, fanohanana ary fanantenana ho azy ireo. Izany koa dia fomba iray anatanterahan’ny fiangonana ny baikon’i Jesosy Kristy, izay mampianatra ny mpino mba haneho fitiavana sy fangorahana amin’ny mpiara-belona.

Address

Ankatafahely
Ambanja

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Ankatafahely Ambanja posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share