20/04/2026
PAROISSE SAINT PAUL ANTSOHIHY
Alahady 19 avril 2026
Nandritra ny Sorona Masina notarihin'i Eveka Mgr Donatien Francis izay nankalazana ny alahady fahatelon'ny Paka tao amin'ny Paroisse Saint Paul - Antsohihy -, Kristianina miisa 150 no nandray ny Sakramentan’ny Fankaherezana.
Nentanina ireo vao nandray fahasoavana mba hijoro ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fiainany andavanandro, hitahiry sy hampitombo ny finoana ao am-pony, ary hanana herim-po haneho ny marina sy ny fitiavana. Ho an’ny rehetra kosa dia niantso fiombonana sy fiaraha-dia izy, mba hifampahery sy hiara-hiasa hatrany amin’ny fanorenana Fiangonana velona sy firenena mirindra.
Tompon'andraikitram-panjakana maro, notarihin’ny Prefen’Antsohihy , RAMAROLAHY Fitiavana Lahiniaina sy ny Tale misahana ny Raharaha Sosialy eo anivon’ny Faritra Sofia , Dr Nicolas izay nisolo tena ny Lehiben’ny Faritra, no tonga nanotrona izany sady niara-nakalaza sy nisaotra an'Andriamanitra.
📸©️Faritra Sofia & Diocèse d'Ambanja