Feon'ny famonjena

Feon'ny famonjena Ity pejy ity dia natao hizarana ny Tenin’AndriamanitraπŸ“–. I Korintiana 15:14 Β»πŸ₯°

Tanjonay: ny hampahery, hanoro lΓ lana, ary hitondra fahazavana ho an’ny rehetra.

Β« Ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.

25/05/2026

β€Žπ‘€π‘Žπ‘›π‘Žπ‘ π‘Ž π‘Žπ‘›π‘Žπ‘œ π‘šπ‘π‘Ž β„Žπ‘Žπ‘šπ‘Žπ‘˜π‘¦ β„Žπ‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘šπ‘–π‘›'𝑛𝑦 π‘“π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘¦ 𝑠𝑦 π‘Žπ‘š-π‘π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘™π‘–π‘›π‘Žπ‘›π‘ŽπŸ™πŸ₯Ή
β€Žβœ¨ πŒπ€ππ€π…π€πŠπ€ π€πŒπˆπ'𝐍𝐘 πŽπ“π€ 𝐈 πŠπ‘πˆπ’π“π˜βœ¨

β€ŽπŸ“–π½π΄π‘‚ 8;36
β€ŽπΎπ‘‚π΄ 𝑅𝐴𝐻𝐴 π‘π‘Œ 𝑍𝐴𝑁𝐴𝐾𝐴 𝑁𝑂 𝐻𝐴𝐻𝐴𝐹𝐴𝐾𝐴 𝐴𝑁𝐴𝑅𝐸𝑂 𝐷𝐼𝐴 𝐻𝑂 𝐴𝐹𝐴𝐾𝐴 𝑇𝑂𝐾𝑂𝐴 𝐼𝐴𝑁𝐴𝑅𝐸𝑂.
β€Ž
Rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana i Kristy dia tsy hoe nijalibe teo fotsiny izy, fa nitondra ny fahotantsika rehetra πŸ₯Ί.
β€ŽNalatsany ny rΓ ny mba hanasana antsika ho madio☺️. Izay no antony mahatonga ny olona iray afaka miova tanteraka rehefa manatona an’i Jesosy amim-pinoana marina☝️.
Ny mpisotro toaka mety ho lasa olona vaovao tsy tia toaka intsonyπŸ₯°. Ny mpandainga mety ho tonga olo-marina tia fahamarinanaπŸ˜‰. Ny olona feno faharatsiana mety ho feno fitiavana sy fiadananaπŸ«‚.
β€Ž
β€Žβ™¦οΈMatetika ny devoly no mibitsika ao an-tsaintsika hoe😈 :Β«Tsy mendrika ianao,tsy hiova intsony ianao,fa lalina loatra ny fahotanao,olom-boaozona ianao ka tsy mendrika izany famonjena izany intsony...Β»
β€Ž
β€Žβ™¦οΈFa ny tenin’i Kristy kosa milaza hoe:Β«ManatΓ²na Ahy,Izaho no hanafaka anao,mbola tiako ianaoΒ»πŸ₯°
β€Ž
Tsy vola no afaka manafaka ny fatoran'ny devoly☝️,sy lazam-boninahitraπŸ•΄οΈsy herin’olombelona🫀 ;fa i Jesosy Kristy irery ihany no tena afaka manapaka ny gadra rehetra .
β€Ž
β€ŽRaha mbola misy ota miafina ao anatinao androany, aza matahotra manatona AzyπŸ₯°.
β€ŽRaha reraka amin’ny adin’ny fiainana ianao, antsoy Izy☺️.
β€ŽRaha efa kivy ianao satria miverimberina ny fahotana sy ny fahalavoana, tadidio fa mbola afaka manarina anao KristyπŸ₯Ή;tsy olona lavorary no antsoiny, fa olona manaiky hovonjenyπŸ€—.
β€ŽΒ«π’πšπ­π«π’πš 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐟𝐚 𝐞𝐀𝐞𝐧𝐭𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦-𝐩𝐨𝐧𝐭𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐒 𝐊𝐫𝐒𝐬𝐭𝐲 𝐝𝐒𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐟𝐒𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐟𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐟𝐒𝐚𝐝𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨.Β»
πŸ”₯ MANAFAKA AMIN’NY OTA I KRISTY! Ary izay afahany dia tena afaka tokoa.

Β©π…π„πŽπβ€™ππ˜π…π€πŒπŽππ‰π„ππ€ ✍️ Pejy ofisialy mitory ny Filazantsara

20/05/2026

🌹πŸ₯€π…πšπ§π­πšπ­π«π¨ 𝐈π₯𝐚𝐲 𝐦𝐒𝐑𝐚𝐳𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐒𝐭𝐬𝐨🌹πŸ₯€ fih_JM

Miarahaba anao amin'anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika izahay!!😊☝🏻Androany de mahafaly anay ny manambara aminao ny fitia...
16/04/2026

Miarahaba anao amin'anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika izahay!!😊
☝🏻Androany de mahafaly anay ny manambara aminao ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahalehibiazany famindramindram-poNyπŸ₯° arak'ilay teny voalazany baiboly etsy ambany.

πŸ‘‰πŸ»Ny fahoriana mafy indrindra aza dia afaka ovain’Andriamanitra ho fiadanana lalina. πŸ™

πŸ‘‰πŸ»Ny fitiavaNy no mamonjy antsika, na dia efa very fanantenana aza isika. ❀️

πŸ‘‰πŸ»Tsy avelany ho latsaka ao amin’ny fahalevonana ny fanahintsika raha miantehitra aminy. 🌊

πŸ‘‰πŸ»Ary ny tena mahagaga ry havana dia mahay sady vonona ny hanary ny fahotantsika rehetra Andriamanitra rehefa tena vonona hanantona Azy isika. ✨

πŸ‘‰πŸ»Izany no porofo fa lehibe lavitra noho ny fahadisoantsika ny famindram-pony. πŸ™Œ

Tahian'i Jesosy tompokoπŸ™πŸ»πŸ™πŸ»πŸ™πŸ»

✍🏻Feon'ny famonjena❀

Address

Ambalavao_Haute Matsiatra
Ambalavao
303

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Feon'ny famonjena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share