FJKM Alarobia Fahazavana Ambovombe-centre Manandriana

FJKM Alarobia Fahazavana Ambovombe-centre Manandriana FJKM Alarobia Fahazavana Ambovombe-centre Manandriana

Fiadanana! Ny Mpitandrina, ny biraon'ny fiangonana, ny filoha sy ny komitin'ny adidy, ny fiangonana manontolo dia maneho...
27/06/2021

Fiadanana! Ny Mpitandrina, ny biraon'ny fiangonana, ny filoha sy ny komitin'ny adidy, ny fiangonana manontolo dia maneho fisaorana feno antsika fiangonana, sy ny taranaky ny fiangonana na ny eto an-toerana na ny any am-pielezana tonga nanotrona,nitrotro am-bavaka, nanohana tamin'ny endriny maro samihafa ny Tompo anie hamaly soa sy hanonitra ny lany rehetra ho voninahitry ny anarany Heb6:10. Soli Deo Gloria

19/06/2021

Tia antsika Jesoa ❤️

Fiadanana ! Ho antsika zanaky ny fiangonana rehetra aza adinoina ny VOKA-DEHIBEN'NY FIANGONANA amin'ny alahady 27 Jona 2...
15/06/2021

Fiadanana ! Ho antsika zanaky ny fiangonana rehetra aza adinoina ny VOKA-DEHIBEN'NY FIANGONANA amin'ny alahady 27 Jona 2021. Amin'ny 9 Ora sy sasany ny fidirana. Amin'io no hanaovatsika ezaka hamitana ny adidy SP sy hanaterana ny boatin-drakitra. Fa voasoratra hoe:Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana. Sal100:2

Mirary soa antsika rehetra amin'ny fiomanana amin'ny Pentekosta amin'ny alahady izao, ny fiomanana amin'ny hetsika amin'...
20/05/2021

Mirary soa antsika rehetra amin'ny fiomanana amin'ny Pentekosta amin'ny alahady izao, ny fiomanana amin'ny hetsika amin'ny 29 May eny amin'ny trano vy, ary ny voka-pararano sady fankalazana ny fetin'ny reny amin'ny alahady 30 May ho avy izao. Fa voasotra hoe: koa amin'izany ry rahalahy malalako miorena tsara, aza miova ary mahefa be mandrakariva asan'ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo ao amin'ny Tompo. I Kor 15:58.

19/05/2021

Matio 11 : 10. Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao

21/04/2021

ANTSO AVO HO AMIN’ NY VAVAKA IOMBONANA
Ny Filohan’ ny FJKM, IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AmmI , Mpitandrina , dia manao antso avo amin’ ny Vahoaka Kristiana FJKM rehetra hiara-mientana amin’ ny VAVAKA IOMBONANA isan’andro amin’ ireto fotoana ireto :

-Isaky ny amin’ ny 8 Ora alina no atao izany : amin’ ny 8 Ora-8 ora sy 5 mn no iombonana, fa tsy ferana isika.

Amin’ ny 8 ora latsaka fahefany dia efa mifampahatsiaro sy mifampiantso ny rehetra.

Ny iray trano no irina hifamory ka hiara-mivavaka, vonoina ny Télé sy Radio, mifamory eo amin’ ny toerana iray araka izay azo atao.
Ny fiatrehana izao valanaretina izao no antom-bavaka.
Mety daholo na ho olona iray no hivavaka, na hatao rojom-bavaka ataon’ olona roa na telo.

-Manomboka amin’ ny fotoana hahazoantsika ity Antso avo ity dia manomboka avy hatrany ianareo.

Hoy ny Tenin’ Andriamanitra :

« Koa mananatra voalohany indrindra aho, mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra, ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra » I Timoty 2 :1-2
« FIADANANA HO AMIN’ ITY TRANO ITY » Lioka 10 :5

Address

Alarobia Ambovombe-centre Manandriana
Alorobia-Ambovombe
323

Telephone

+261340403032

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Alarobia Fahazavana Ambovombe-centre Manandriana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share